(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2008)
Nakatona androany ny bilaogin'ilay bilaogera Saodiana nogadraina Fouad Alfarhan any Arabia Saodita sy ny tranonkala Freefouad, izay natokana ho an'ny raharaha Alfarhan sy ny bilaogy mpomba ny reformista antsoina hoe Freedoms. Nahita izao hafatra manaraka izao ireo mpiserasera miezaka ny miditra amin'ireo bilaogy avy any Arabia Saodita “URL voasakana.”Ry mpiserasera hajaina, Miala tsiny, tsy mety hidirana ny pejy nangatahana. Raha mila vaovao fanampiny momba ny tolotra aterineto ao Arabia Saodita, azafady tsindrio eto: www.internet.gov.sa” “