12 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 12 Janoary 2019

Fihaonan'ireo bilaogera Arabo faharoa

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

Vao haingana, ny bilaogy no loha-laharana amin'ny fanentanana ara-politika sy fikatrohana manerana ny tontolo Arabo. Ahitana ny forum ho an'ny daholobe izay manampy ny olom-pirenena hampihatra sy hanamafy ny zon'izy ireo amin'ny fahalalaham-pitenenana ary manamafy ny fahaizan'izy ireo miady hevitra sy manadihady.

Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello

  12 Janoary 2019

Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.

Nakaton'i Torkia indray ny YouTube

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

Fanindroany tao anatin'ny taona, nodidian'ny fitsarana tiorka, tamin'ny talata 18 septambra, ny hanakanana ny fidirana amin'ny YouTube.com noho ireo lahatsary lazaina fa manivaiva ny mpitarika ny firenena.

Maraoka: Vaovao farany momba ny sivana

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

Taona mafy ho an'ny fahalalahan'ny aterineto Maraokana ny taona 2006, maro ireo tranonkala voasakana; Tsy tsara noho ny teo aloha ny taona 2007 noho ireo tranonkala nisokatra teo aloha lasa mitsitapitapy ny fahafahana miditra ao aminy.

Shina: Fanaraha-maso ny aterineto taorian'ny fihetsiketsehana Xiamen

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) ” Teo ambanin'ny fandrindrana vaovaon'ny tanàna, tsy maintsy mampiasa ny tena anaran'izy ireo rehefa mandefa hafatra amin'ny tranonkala maherin'ny 100.000 izay voasoratra ao Xiamen ireo mpisera aterineto.” Xiamen dia tanàndehibe any Atsimon'i Shina iray izay ahitana olom-pirenena mampiasa bilaogy, fifanakalozan-kevitra ary hafatra...

Israely: Nankatoavin'ny rehetra ny volavolan-dalàna momba ny sivana 

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny volavolan-dalàna momba ny sivana ho an'ny aterineto vetaveta sy feno herisetra izay natolotr'i Amnon Cohen avy amin'ny antoko Ortodoksa Hiringiriny Shas dia neken'ny Komity Ministerialy misahana ny Famolavolana Lalàna ary natolotra ny Knesset Isiraeliana.