Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nesorin'i Tonizia ny fandraràna ny YouTube sy Dailymotion, saingy…

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny septambra 2007)

Ny vaovao androany dia nesorin'i Tonizia ny fandraràna ireo tranonkala malaza fizarana lahatsary Youtube (Nakatona nanomboka ny 2 Novambra 2007) sy ny Dailymotion (Nakatona nanomboka tamin'ny 3 Septambra 2007).

Saingy nampiseho ny andrana sasany tao Tonizia nataon'ireo mpikatroka sy bilaogera Toniziana sasany fa na dia eo aza ny famerenana ny fidirana ao amin'ny Youtube, dia mbola tsy misokatra ny maromaro amin'ireo lahatsary youtube manokana tahaka ny pejy Youtuben'ny bilaogy iombonana nawaat araka ny asehoan'ny pikantsary manaraka:

Tamin'ny 3 Septambra 2007, efa nesorina ny fandraràna ny tranonkala tambajotra sosialy Facebook, izay naharitra roa herinandro taorian'ny fihetsiketsehana goavana nataon'ny mpiserasera Toniziana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.