Fankalazana ny tontolon'ny mozika iôgôslavy teo aloha, endrika Tranoben'ny Laza

Tapakila fandraisana anjara amin'ny kaonseritry ny tarika rock Ekaterina Velika (1982-1994). Fiaviany: pejy Facebook-n'ny Ex-Yu Rock Center , fampiasàna nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra nosoratan'i Ena Rizvić ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Balkan Diskurs, tetikasa iray an'ny Post-Conflict Research Center (PCRC).  Dika nasiam-panovàna no naverin'ny Global Voices navoaka etoana   ho ampahany amin'ny fifanarahana hifampizara votoaty.

Naka aingam-panahy avy amin'ny Musicians Hall of Fame, Will Richard, Amerikana iray, no namorona ny EX-Yugo Rock Center (EYRC) tao Sarajevo. Ny tanjon'ny EYRC dia ny hanome voninahitra sy hankalaza ny rock & roll iôgôslavy ary koa ny tontolon'ny mozika ankehitriny ao Bosnia sy Herzegôvina, ary manerana ny faritra.

Ny fitiavan'i Richard dia nanomboka teo amin'ny magazain'ny rainy fivarotana kapila ary nivoatra ho fankafizana ny rock iôgôslavy rehefa nipetraka sy niasa ho an'i Bosnia nandritra ny taona maro. Nanomboka velona ireo fikasany ho an'ny EYRC tamin'ny fiantombohan'ny taona 2021. Farany, ny ivon-toerana dia mikendry ny hametraka tranombakoka sy toerana fampirantiana, fivarotana ireo fahatsiarovana, toerana fanaovana lanonana ary, mazava ho azy,  tsy ho tranon'i Sarajevo raha tsy misy fisotroana kafe.

Ny fikasana dia ny hanitarana ilay ivontoerana mba hisy mozea sy toerana fampirantiana, fivarotana ireo fahatsiarovana, toerana iray fanaovana lanonana sy hisotroana kafé. Loharano : Pejy facebook an'ny Ex-Yu Rock Center, fampiasàna nahazoana alalana.

Raha toa ny mozika rock nampifandraisana tamin'i Etazonia sy Grande-Bretagne matetika, dia marobe no milaza fa namorona hetsika mitovy amin'ny an'ireo Tandrefana i Yôgôslavy. Tarika iray anisan'ireo tena matanjaka sy tena mahomby ao amin'ny faritra ny Bijelo Dugme (Bokotra Fotsy), teraka tao sarajevo ihany ary namerina nandindra ny asany niaraka tamin'ny Abbey Road Studios. Amin'ny lafiny maro, namorona endrika mozika safatsiroa ny fifangaroan'ireo zavamaneno klasika-na rock & roll filalaon-dry zareo sy ny feo nampiarahana tamin'ny mozika nentim-paharazana avy ao amin'ny faritra andrefan'i Balkans.

Mozika aloha vao ny zom-pirenena

Betsaka amin'ireo tarika rock tena fantadaza ao Iôgôslavia no avy any Sarajevo, ka maha-tsara toerana hiantsoan'ny EYRC azy ho tanindrazany. Na izany aza, tsy ireo tarika avy any Bosnia-Herzegôvina irery ihany akory no ho ankalazaina ao amin'ny tranombakoka EYRC. Ohatra, Majke (Mothers), iray amin'ireo tarika ankafizin'i Richard avy amin'i Yôgôslavia taloha,  dia avy any Kroasia ary azo inoana fa ho asongadina ao amin'ilay ivontoerana. Na dia samy manana ny tantarany sy ny fomba filalaony manokana aza ireo tarika rehetra asongadina ao, omen'ny EYRC vahana kokoa ny mozika, miohatra amin'ny zom-pirenena. Na Serba, na Montenegriàna, na Bôsniaka, na Kroaty, na Slôvaky, na Kôsôvara na Makedôniàna, ireo tarika ireo dia heverina aloha ho sahala amin'ny mpanakanto, avy eo vao Yôgôslavy.

Tsy vitan'ny hoe manome fahafahana tsara ho an'ny daholobe fotsiny ilay tetikasa mba hitrandrahana io mozika io, fa fahafahana ihany koa ho an'ny tanànan'i Sarajevo hanitatra ireo tranombakoka voafantina ananany. Amin'izao fotoana izao, ny ankamaroan'ireo tranombakoka ao amin'ity renivohitra ity dia mifantoka amin'ny azy sy fifandirana samihafa. Na ilaina aza ireny tranombakoka ireny, dia miteraka fahatsapana fa ny ady no toetra mamaritra ny kolontsaina, izay lavitry ny fahamarinana. Ilaina izany ireo tetikasa mikendry ny hanome voninahitra ireo karazana kolontsain'ilay tanàna sy ny tantarany mba hanome endrika mifanaraka kokoa hojeren'ireo mpizahatany mety tsy hahatakatra ny fifandraisana misy amin'ny tantaran'i Sarajevo sy ireo rehetra vanimpotoana ara-kolontsaina niainany.

Ohatra iray mitovy amin'io tetikasa io ny Sevdah Art House, izay mifantoka amin'ny karazana mozika folklorika Bôsniaka manokana atao hoe Sevdalinka. Manome voninahitra ny nentim-paharazana mozikaly nitety taonjato ity fisotroana kafé sy tranombakoka ity, izay nanomboka nalaza tany amin'ny fiandohan'ny taona 1900 tany.

Mikendry ny ho lasa fisarihana iray amin'io lafiny io ny EYRC. “Tsy hoe manome fahafahana manokana ho an'ireo vahiny mitsidika an'i Sarajevo fotsiny izy io hilomanosana anaty mozika Yôgôslavy, fa mety ihany koa hankafizan'ireo olona rehetra ao amin'ny faritra ny kolontsaina anaty tontolo tsy miandany sy miabo kokoa”, hoy i Richard, nanantitrantitra fa ny fankalazana rock Yôgôslavy dia fankalazana koa ny tantaran'ny kolontsaina marolafy ao Sarajevo.

Ny EYRC ihany koa dia mikendry ny hisarika ireo mpanakanto vaovao ary handrisika azy ireny hizara ny mozikany amin'ireo teratany sy ny avy any ivelany. “Eo no andraisan'ny toerana filanonana anjara lehibe ao anivony satria hahafahan'ireo mpanakanto manerana ny faritra izay mety mahazo aingam-panahy tamin'ireo hetsika misy anatra naseho mandritra ny fampisehoana mba hizara ny sanganasany manokana. Amin'ny alalan'ny fanomezana voninahitra ny lasa, azon'ny olona atao ny miroso sy mampandroso ireo endrika vaovao ankehitriny, sahala amin'ny nataon'ireo mpanakanto be herimpo nandritra ny tantara”, hoy i Richard nanampy.

“Any amin'ny fanokafana isika mihaona”

Ireo olona izay mankafy ny mozika rock & roll avy any Yôgôslavia taloha dia tena niray fo tokoa tamin'ny hevitr'i Richard. Nilaza i Dragan “Điđi” Jankelić, mpively amponga fahiny toa amin'i Bijelo Dugme fa : “Tena hevitra iray mahatalanjona ny hoe hanao tranombakoka ho an'ny rock Iôgôslavy  ao Sarajevo ary tohanako amin'ny foko sy fanahiko manontolo izy ! Iriako ny hahita antsika rehetra ao mandritra ny lanonam-panokafana. Any isika mihaona e”

Dino Šaran, mpihira fototra ao amin'ny tarika Letu Štuke (Flying Pike), dia nilaza tao anatin'ny tafatafa vao haingana niarahana tamin'i Richard fa manohana feno ny tetikasa ihany koa izy ary maniry ny hifandray amin'ny mpanakanto hafa mety ho liana amin'ilay ivontoerana. Saingy tao anatin'io tafatafa io i Šaran dia nanasongadina ny fahasarotana goavana iray tsy maintsy atrehan'ilay ivontoerana : ny fanasarahana ny zavakanto amin'ny mpanakanto. Na dia mankafy ny rakikiran'ny rock Yôgôslavy navoakan'ireo mpanakanto talohan'ny ady aza izy, dia ekeny fa mbola tomponandraikitra hatrany ireo mpanakanto noho ireo hetsika fitiavan-tanindrazana na ny kabary tsara lahatra nataon'izy ireny nandritra sy taorian'ny fianjeran'i Yôgôslavy.

Ny fandehanana amin'io tsipika manify manasaraka ny fankasitrahana ny zavakanto sy ny fanekena ny fifandirana ataon'ny mpanakanto tsirairay dia ampahany sarotra saingy ilaina eo amin'ny làlana aleha izay, araka ny EYRC, dia tsy maintsy ihoarana amim-pitandremana hatrany hatrany, amina fametrahana tanjona ny hanome laharam-pahamehana ny mozika.

Ireo olana mampiadi-hevitra ara-politika ireo dia miteraka fihemorana miharihary, satria matetika dia kely ny famatsiam-bola omena ho an'ireo tetikasa izay tsy mampiroborobo mivantana ny fampihavanana na ny fahatsiarovana tahaka izay mety ho azon'ny tranombakoka ho an'ny ady. Na izany aza, tsy manakana ny EYRC hahazo ny fanohanana iraisam-pirenena akory izany. Centar za promociju civilnog društva (Foibe fampiroboroboana an'ireo orinasa sivily na CPCD), AMUS, UNESCO, ary ireo fikambanana hafa dia efa niantoka sy nanohana sahady ity tetikasa ity.

“Fanombohana fotsiny ity, fa efa nasehon'ny EYRC sahady ny lanjan'ny iraka tontosainy”, hoy ny nambaran'i Richard.

Ho an'izay mpanakanto, mpamokatra, mpiandraikitra, mpanentana, mpaka sary, mpanao gazety ary mpankafy rehetra maniry ny hanome na hampindrana sary tsy niova tànana/safatsiroa, peta-drindrina, rakipeo, zavamaneno, akanjo, antontan-taratasy, kapila tsy fahita firy na ireo fitaovana hafa izay mety hanan-danja ao amin'ilay ivontoerana, azafady mifandraisa mivantana amin'ny EYRC. Azonao atao ny mifandray amin'ny info@ex-yurock.com na miantso ny +387 62 332 770 na +381 63 386 451.

Raha te-hihaino ny mozika rock Yôgôslavy taloha sy hankalaza ny fahasamihafàny, dia tsidiho ny lahakira  Spotify ExYu an'ny tarika Balkan Diskurs etsy ambany. Raha mila mozika bebe kokoa mitovy amin'izao avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, dia tsidiho ireo fampitambarana  Spotify an'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.