Barbie ao Balkàna : Avy amin'ny vaovao diso mankany amin'ny alahelo an'i Yogoslavia

Pikantsary tena izy avy amin'ny sombitsombin'ilay sarimihetsika Barbie sy ny endriny Balkanika narafitra hitovy amin'ny pikantsarin'ny vaovao an-tserasera amin'ny fiteny anglisy mba hahatonga azy ho azo inoana kokoa. Fampiasaina ara-drariny.

Na dia nialoha kelin'ny fanokafana azy tamin'ny tapaky ny volana Jolay aza, nampirehidrehitra ny tao Balkàna ilay sarimihetsika Barbie vaovao, teny anivon'ireo mponina tao amin'ny faritra nijery ireo vaovao nateraky ny fanentanana ara-barotra.

Nanjary niparitaka be ny bitsika iray mampiseho ny lazan'i Barbie raha oharina amin'ny mpifaninana aminy ankehitriny ao amin'ny box-office Oppenheimer ao Balkàna, avy amin'ny vondrona kôsôvara Kos_data izay manana mpijery 4,5 tapitrisa mahery hatramin'izao.

Barbie vs Oppenheimer : iza no sarimihetsika tena be mpitady indrindra tao Balkona tato anatin'ny 24 ora farany pic.twitter.com/NdGhhZ9IUw

— kos_data (@kos_data) 22 Jolay 2023

Araka izay nohazavain‘ny sampany amin'ny teny Tiorka an'ny gazety Britanika Independent, dia valiny avy amin'ny fikarohana Google Trends no nampiasain'ny Kos_data ho an'ny firenena tsirairay ao amin'ny faritra.

Nampiditra ohatra iray ihany koa ny “firohotana amin'i Barbie” amin'ny fironana mankamin'ny fandisoana vaovao amin'ny famerenana mampiasa ireo vaovao avy any ivelany ho fitaomam-panahy hamokarana votoaty mamitaka mikendry ny hamporisihana fifankahalàna ara-poko ao anatin'ny fotoana iray itomboan'ny disadisa ara-politika eo amin'i Serbia sy Kôsôvô.

Vaovao diso mikasika ny fandraràna ny sarimihetsika Barbie tao Serbia

Taorian'ny nandraràn'i Vietnam ny sarimihetsika Barbie noho ilay sarintany nahabe resaka izay misy fiantraikany ara-jeopolitika ho an'ny sasany, dia nanomboka nipoitra ireo endriny Balkana amina sary namboarina tamin'ny photohop, izay milaza fa noraràna ihany koa tao Serbia ilay sarimihetsika.

Nodisoin’ny sampana mpanamarina zava-mitranga Truthmeter.mk ny fandisoana vaovao virtoaly izay nampiasa ‘meme’ mifototra amin'ny pikantsary avy amin'ny fampahafantarana ilay sarimihetsika, amin'ny filzàna fa ny sarintanin'i Balkàna ao anatin'ilay sarimihetsika dia mampiroborobo ny fotokevitra nasionalista mikasika ny Grande Albanie. Misy idiran'ny fandresen'ny Albaney sy ny fanadiovana ara-poko ny ampahany amin'i Gresy, Makedonia Avaratra, Kôsôvô, Serbia ary Monténégro, io fotokevitra io.

Pikantsary an'ny pejy Facebook milaza diso an'i Serbia ho nanivana ny sarimihetsika Barbie sady nitaky hanaovana mitovy amin'izany ao Makedonia Avaratra. (ao anatin'ny lahatsoratra ny dikanteny.)

Na toy ny ho vazivazy aza no nanaovana ilay ‘meme’, dia olona marobe tao amin'ny faritra no naneho hevitra tamin'izany tamin'ny fomba matotra, nampiasa azy ho toy ny fivoizana sy antony hanaovana ahateny fankahalàna. Ohatra, ny rehetra afa-tsy ny iray tamin'ireo fizaràna 36 sy fanehoankevitra 27 amin'ilay lahatsoratra Facebook lazain'ny Truthmeter.mk ho diso no misy ozona sy ompa atao amin'i Albaniàna, ny Tandrefana “satanika”, na i Etazonia sy ireo mpiara-dia aminy. Ao anatin'ity tranga ity, aseho ho toy ny marefo ny governemanta Makedoniana Avaratra nanaiky ny jadon'ny Tandrefana, izay tondroina arahana fitenenan-dratsy azo adika amin'ny hoe “Northistan” — andrana hanehoana ny tsy fanekeny ny fanovàna anarana tamin'ny 2019.

FILMOT ZA BARBI ZABRANET VO SRBIJA PORADI MAPA NA GOLEMA ALBANIJA … VO SEVEDZGAN NE E ZABRANET IAKO NA MAPATA SEVERDZGAN NE POSTOI I E PODELEN MEGJU BUGARIJA I GOLEMA ALBANIJA .
OVA DA SI ZNAETE KAKO VI STOJAT RABOTITE VO DRZAVCEVO I SHTO VI SPREMAAT !

Noraràna tao Serbia ny sarimihetsika Barbie noho ny sarintanin'i Grande Albanie. Tsy voarara izany tany Nordistan na dia tsy tao anaty sarintany velively aza i Nordistan sady voazara eo anelanelan'i Bolgaria sy Grande Albanie. Fampahafantarana ho anao fotsiny ny zava-misy ao amin'ny fanjakana kely misy anay ity sy izay tehirizin-dry zareo [ny governemanta Tandrefana sy Makedonia] ho anao.

Ny mpanao fampielezankevitra avy amin'ny elatra havanana sasantsasany izay toa nahalala fa diso izany no nizara ihany koa ilay ‘mème’ tanaty fanehoankevitra izay vitan-dry zareo akory ny manamarina azy, na dia fantany aza fa handrehitra ny mpihaino azy ihany ilay sary. Olona iray amin'ireo avy amin'ny sehatry ny haino aman-jery no namafa ny bitsika clickbait toy izany.

Niely patrana tao amin'ny tambajotra sosialy tao Albania ihany koa ilay vaovao diso hoe voarara ny sarimihetsika Barbie tao Serbia, izay nandisoan‘ny sampan-draharaha mpanamarina zava-misy Faktoje azy.

Voalaza tao anaty fanehoan-kevitry ny mpikambana sasany amin'ny vondrom-piarahamonina Facebook sy Twitter Albaney fa nizara ilay mème ihany koa ny sasantsasany tamin'ireo mpikambana ao aminy, saingy samihafa ny antony : ho toy ny fomba iray hampiroboroboana ny fihetsehampo nasionalista, na hanaporofoana ny fijeriny miiba mikasika an'i Serbia ho toy ny firenena mpamoritra mampiasa ny sivana.

Raha ny marina, tsy voarara tao Serbia velively ny sarimihetsika Barbie. Fanampin'izay, tamin'ny 25 jolay, ny Blitz  Fim, mpaninjara sarimihetsika, dia nilaza fa io no sarimihetsika nahazo tombony be indrindra tamin'ireo trano fijerena sarimihetsika Serba hatramin'ny nisian'ny valanaretina COVID-19. Nandritra ny faran'ny herinandro voalohany tamin'ny fandefasana azy, nahazo mpijery 60 315 ny trano fijerena sarimihetsika, nahazo vola 306 000 dolara mahery, izay tena betsaka ho an'ny firenena iray misy mponina 6 tapitrisa.

Mahatsiaro ireo karazana Barbie avy eo an-toerana

Tao anaty fanamarihana maivamaivana kokoa, nanatevin-daharana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny Barbie mania ny Mozea ao Iogôslavia tamin'ny fampahatsiahivana ny dika iray avy ao an-toerana amin'ilay saribakoly izay nalaza tamin'ny faramparan'ny taona 1980.

Ny teny hoe “saribakoly Barbie” amin'ny hoe “barbika”, dika avy eo an-toerana, dia niparitaka nanerana ny federasiona teo aloha, sady nampiasaina tsy ho an'ny endriny tany am-boalohany ihany, ilay nafarana fotsiny, fa koa ho an'ireo karazana saribakoly miankanjo plastika. Tamin'ny taona 1970 sy 1980, anisan'ny noheverina ho sahala amin'ny ampahany manan-danja eo amin'ny fahazazan'ireo ankizivavy kely ny fananana Barbie tena izy, nitàna mihitsy aza anjara toerana amin'ny famantarana ny satan'ny fianakaviana.

Raha lasa adala amin'ilay sarimihetsika Barbie vaovao izao tontolo izao, dia navahanay avy amin'ny fantinay ity “Saribakoly Barbie”, lasitra nalaina avy amin'i  Lepa Brena ity. Ity vokatra miaraka amin'ny endriky ny mpihira malaza ity dia novokarina niaraka tamin'ny rakikira “Boli me uvo za sve” [Tsy raharahako] izay feonkira ho an'ilay sarimihetsika “Hajde da se volimo 3 – Udaje se Lepa Brena” [Andao hifankatia 3 – Hanambady i Lepa Brena]”.

Ny andian-tsarimihetsika “Hajde da se volimo” (Andao hifankatia) dia nisy hatsikana an-kira telo navoaka teo anelanelan'ny taona 1997 sy 1990. Nasehon'izy ireo ny tantara foronina momba an'i Lepa Brena, ilay kintana folklorika teo an-toerana, amin'ny fomba mampahatsiahy ireo hatsikana nataon'i Elvis Presley. Anisan'ny hita amin'ireny sarimihetsika tena manan-daza ireny ny hatsikana manara-penitra tahaka ny fanaon'i Louis de Funès saingy lalaovin'ny mpilalao Iogoslaviana sasany malaza indrindra tamin'izany fotoana izany, toa an'i Dragomir “Gidra” Bojanić sy Bata Živojinović..

Ny saribakoly Lepa Brena dia manao fitafy nalaina avy tamin'ny lahatsarin‘ilay hira hoe “Hajde da se volimo” (Handeha hifankatia) izay nilatroany niaraka tamin'ny ekipany nanodidina an'i Dubrovnik miaraka amin'ny fitafy Ekôsey. Mifamatotra amin'ny fampiroboroboana fizahantany ihany koa izy io any amin'ny morontsiraka Adriatika. Tato anatin'ny taona vitsivitsy, notadiavina ireo saribakoly ireo mba ho angon-tahiry, tamin'ny vidiny mahatratra hatramin'ny 123 dolara any amin'ireo tranonkalam-pivarotana an-tserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.