Manoratra i Tiorkia…(Janoary 2006)

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2006)

Mitondra fahafatesana iray vokatry ny gripam-borona tao Tiorkia ny herinandro voalohany amin'ny taona vaovao. Nitatitra ny Erkan's Field Diary fa hita tany amin'ny toerana an-drenivohitra sy ambanivohitra ny trangana gripa azo avy amin'ny vorona, vaovao izay mandà ny mety hisian'ny fifandraisana amin'ny Kiorda izay resahin'ny Amerikan Turk.

Ho avy ny 10 Janoary ny Eid al-Aida, Fetin'ny Sorona, izay efa fotoana mahaliana foana isantaona satria misy ”olana” mitranga foana amin'ny fiezahana ny hanazatra ny olona amin'ny fanaovana sorona amin'ny toerana an-drenivohitra (biby vonona ny ho atao sorona voavotsotra ary mirenireny manerana ny lalana), miresaka mikasika ireo amboaram-pitsipi-pifehezana nampidirina mba hiadiana amin'ny toe-javatra toy ireny i Phanja avy amin'ny The Need to Know.

Ary ankehitriny, avy amin'ny fanavaozana maika sasantsasany:

Mba hanombohana tsara ny taona vaovao, manana hainahandro maromaro ny Turkish Torque mba hanamboarana ny Turkish Delight (sakafo mamy iray tena tiako saingy tsy vitako mihitsy ny nanao izay azo hanina). Manana torohay koa izy momba ireo Uygurs any Shina, izay taranaka avy aminà Tiorka

Metroblogging: manoratra mikasika ny Toy Museum in Kadikoy, Istanbul i Istanbul.

Mamoaka lahatsoratra mikasika ny isa faran'ny mponina ao Tiorkia (73 tapitrisa – kay!) ny Erkan's Field Diary ary koa mikasika ny fanemorana ny fanompoany firenena anaty tafika.

Miresaka mikasika ilay loza mahatsiravina tamin'ny toerana fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tao Virzinia Andrefana, EtazoniaTalk Turkey ary miresaka mikasika ny loza toy izany izay nitranga tao Tiorkia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.