Vaovao farany: Fanafihana amin'ny balafomanga Katyusha tao Aqaba sy Eilat

Breaking News: Katyusha Rocket Attack on Aqaba and Eilat(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

Nitranga tao amin'ny seranan-tsambon'i Ranomasina Mena Jordaniana, ao Aqaba ny fipoahana balafomanga Katyusha, nilaza ny manampahefana fa re tao amin'ny faritra miaramila amerikana tsy azoidirana ao amin'ny Seranan-tsambon'i Aqaba ao Jordania ny fipoahana.

Nilaza ny fahitalavitra Al-Arabiya fa nisy sambo mpiady amerikana teo amin'ny manodidina ny fipoahana tao Aqaba, Seranan-tsambo Ranomasina Mena 210 maily atsimon'ny renivohitra Jordaniana, Amman.

Saika nandritra izany fotoana izany ihany, nitatitra momba ny fipoahana tao amin'ny Eilat's ny manampahefana Israliena. Nanamafy ny manampahefana fa mampidi-doza ny toerana satria akaikin'ny làlambe iray ao amin'ny seranam-piaramanidina Eilat, 50 metatra, ary eo akaikin'ny hotely maromaro.

Tsy nisy ny tatitra eo noho eo momba ny fahavoazana.

1500 GMT-Vaovao farany: Vondrona mifandray amin'ny vondrona Al-Qaeda no nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tamin'ny balafomanga.

1100 GMT-Vaovao farany: Nilaza ny manampahefana Jordaniana fa ny trano fitehirezana entana izay nandefasana ny balafomanga dia hofain'ny Irakiana roa sy Ejypsiana roa. Etsy andaniny, Syriana iray sy Irakiana roa no voasambotry ny polisy Jordaniana.

1035 GMT-Vaovao farany: Nilaza ny mpitati-baovaon'ny Aljazeera fa samy tafika Jordaniana ireo olona naratra, namely ny toby fanazaran-tenan'izy ireo ao Aqaba ny balafomanga iray.

0910 GMT-Vaovao farany: Nilaza ny mpitati-baovaon'ny Aljazeera fa balafomanga telo no nalefa avy ao amin'ny faritra indostrialy ao anatin'i Aqaba. Niantsona teo akaikin'ny hopitaly Princes Haya ao Aqaba ny balafomanga iray, namono olona iray sy nandratra hafa, izay samy Jordaniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.