Fifandirana tany atsimon'i Thailandy

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niakatra ny tahotra raha naharitra 15 volana ny korontana niely tany amin'ny faritany atsimon'i Thailandy.

Nanjary faritra somary saropady ny faritra tany amin'ny sisintany Maleziana satria nahitana ireo hetsi-panoherana Miozolomana mikatsaka ny fahaleovantenan'ny faritra manohitra ny governemanta Bodista maro an'isa. (Jereo ny Pikan-tsary eto , eto , eto ary eto .)

Misy ny bilaogy nosoratan'i Sittha Lertphaiboonsiri izay manolotra ny fomba fijery miabo ho an'ny mpanara-maso Thailandey. Conflict in the South of Thailand (Fifandonana ao atsimon'i Thailandy) no anarany ary ao amin'ny ForumAsia ao Bangkok no ahitana azy . URL:

http://www.forumasia.info/southernthailand

which will be re-routed to:

http://babylon.servershost.net/~forumasi/web/blogs/

izay hitondra indray mankany amin'ny:

Mifandray amin'ny Oniversite Thammasat i Sittha. Miteny tsara ny fiteny Bahasa Indoneziana izy – miaraka amin'ny lantom-peo – ary nanome anarana Indoneziana ho an'ny tenany. Sady Shinoa, no Katolika no Thailandey izy .

Kandidà tsara ho an'ny famahanana bilaogy mpampifandray izy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.