Efa Nivoaka ny Rakipeo tao Madrid

dafe democracy graphic
Isaorana i Gohsuke Tanaka tamin'ny famoahany ilay rakipeo avy amin'ny firaketantsika ny Aterineto nandritra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Demôkrasia, ny Fiarovana ary ny Fampihorohoroana.

Hitanao eto ny rakipeo tamin'ny atrikasa ny andro voalohany, izay mitondra amin'ny antontantaratasintsika momba ny Firafitry ny Demôkrasia. Manome torohevitra ireo governemanta amin'ny fomba hisorohana ny famotehana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto io antontantaratasy io – izany hoe, aza ariana miaraka amin'ny rano nandroiny ny zaza (oha-pitenenana) – raha sady hiady amin'ny fampihorohoroana.
(Misy dika azonao jerena koa eto raha feno “spam” ilay antontantaratasy ao amin'ny wiki.)

Eto kosa ny rakipeon'ny Tatitra momba ny Demôkrasia, ny Fampihorohoroana & ny Aterineto, sy ny famelabelarana nanaraka azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.