05 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 05 Novambra 2018

Kenya: Fitsapankevibahoaka

Manampy ny eritreriny anatin'ny adihevitra momba ny fitsapankevibahoaka hifidianana Lalàmpanorenana miseho ao amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Keniana i Diary of a Mad Kenyan Woman.

05 Novambra 2018

Anatin'ny Tontolon'ny Bilaogy Japoney – Ny Onja Manohitra an'i Korea

Anatin'ny lisitr'ireo bilaogy Japoney be mpijery indrindra nalahatry ny "Ninki Blog Ranking" ireo bilaogy ho an'ny renim-pianakaviana te hanampy ny zanany hahomby kokoa eo amin'ny fianarana, ireo hanaraha-maso ny fihetsik'ireo olo-malaza, ireo momba ny sakafo, ary ireo mifantoka amin'ny fifandraisana miharatsy eo amin'i Japàna sy ny mpifanila aminy ao Azia.

05 Novambra 2018

Efa Nivoaka ny Rakipeo tao Madrid

Isaorana i Gohsuke Tanaka tamin'ny famoahany ilay rakipeo avy amin'ny firaketantsika ny Aterineto nandritra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Demôkrasia, ny Fiarovana ary ny Fampihorohoroana.

05 Novambra 2018

Fampahafantarana an'i Peter Tan

"Sinoa Maleziana Katôlika Romana aho, teraka sy nobeazina tao Penang, efapolo taona latsaka, niharan'ny ratra ny tsokan-damosiko tamin'ny faha-18 taonako, tsy afa-mihetsika manomboka eo amin'ny tratrako ka hatrany ambany ary iharan'ny aretin'ny voa miverimberina aho. Mitantara ny fiainako, ny eritreritro ary ny fomba fijeriko ity bilaogy ity", hoy izy.

05 Novambra 2018