Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Mitantara momba ny fanonganam-panjakana androany ny Maoritaniana (2005)

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

Mankalaza ny fanonganam-panjakana nihatra tamin'ny filoha Maoritaniana Ould Sid Ahmed Taya ny bilaogin'ny Parti Mauritanien pour la Défense de l'Environnement Les Verts – Antoko Maoritaniana ho an'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana – Antoko Maitso), ary manolotra lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Fihetsiketseham-pifaliana eny an-dalamben'i Nouakchott”). Ny PMDE angamba no bilaogy voalohany namoaka ny vaovao, nanambara tamin'ny 12:21 ora tao an-toerana,”fanonganam-panjakana ataon'ny mpiambina ny filoham-pirenena ao Maoritania, tifitra avy amin'ny basy matanjaka re ao Nouakchott.)

Ny tolo-baovao antserasera Mauritanie-Web.com kosa nitatitra ny “fikasana fanonganam-panjakana” tamin'ny 7:16, “toe-javatra mampiahiahy ao Noukchott” tamin'ny 11:24 ary tatitra azo antoka amin'ny fisian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 11:38, nanatsonga ny Agence France Press. Nitatitra ny hariva ny Mauritanie-Web fa nandray ny fifehezana ny radio sy ny fahitalavitra, ny minisitera, ny toby miaramila ny mpiambina ny filoham-pirenena, ary nanakana ny fidirana ao an-tanàna. Niteny fohifohy tamin'ny filohan'ny mpiambina ny filoham-pirenena ny mpanao gazetin’ izy ireo:

Interrogé sur ce qui se passe, Mohammed Ould Abdelaziz, chef de la garde présidentielle, s'est contenté de répondre: “A vous de voir ce qu'il y a”.

(Asked what had happened, Mohammed Ould Abdelaziz, chief of the Presidential Guard, was content to respond, “You can see what's going on.”)

(Nanontaniana mikasika ny zava-nitranga, faly i Mohammed Ould Abdelaziz, lehiben'ny fiambenana ny filoham-pirenena namaly hoe, “Afa-mijery izay mitranga ianareo.”)

Mamintina ny zava-nitranga tamin'io andro io, manolotra fanamarihana ny Mauritanie-web hoe “Fikasana fanonganam-panjakana in-telo nanomboka tamin'ny jiona 2003, nahomby ny faha-4“.

OULD, bilaogy vaovao mifantoka amin'ny zava-mitranga any Maoritania (tsy fantatra raha ao anatiny na ivelan'ny firenena ny mpanoratra) nanome tombatombana androany maraina fa ny kolonely Ould Abdel Aziz no mpitarika ny fanonganam-panjakana. Tamin'ny hafatra an-tabilao, namerina ako ny tombatomban'i OULD, manonona ny anaran'ireo “les putschistes” [mpanongam-panjakana]:

Je vous livre les noms des principaux putschistes:
Colonnel Mohamed ould Abdel Aziz (Basep) garde présidentielle Wilaya inchiri tribu awlad Besbai
Colonnel Ely ould Mohamed Vall (Directeur de la police) et cousin de ould Abdel Aziz Wilaya inchiri tribu awlad Besbai
Colonnel Ould Mohamed Znagui 6ème région militaire Wilaya inchiri tribu awlad Lab
Colonnel Ould Gazwani Blindé (tagant assaba) tribu Ideiboussat
Colonnel Chef d'état major nationale Adjoint.
un communique sera li à la radio peut être qu'ils attendent de convaincre les autres chefs qu'ils ont mis au arrêts (Ould Riha,El Arbi,ould Eyih)

Omeko anareo ny anaran'ireo mpanongam-panjakana lohandohany:
Kolonely Mohamed ould Abdel Aziz (Basep) mpiambina ny filoham-pirenena Wilaya inchiri foko awlad Besbai
Kolonely Ely ould Mohamed Vall (talen'ny polisy) sy zana-drahalahin'i ould Abdel Aziz Wilaya inchiri foko awlad Besbai
Kolonely Ould Mohamed Znagui, miaramilam-paritra faha-6ème Wilaya inchiri foko awlad Lab
Kolonely Ould Gazwani Blindé (tagant assaba) foko Ideiboussat
Kolonely Lehibe Lefitry ny Etamaozoro nasionaly.
hisy ny fanambarana hovakiana amin'ny radio, angamba mbola miandry handresy lahatra ireo lehibe hafa nosamboriny izy ireo (Ould Riha,El Arbi,ould Eyih)

Misy resaka lehibe mikasika ny fanonganam-panjakana ao amin'ny ForumDiaspora Yahoo! Group. Lahatsoratra iray no toa hita fa fanambarana avy amin'ireo mpikarakara ny fanonganam-panjakana. Nosoniavin'ny “Les Justiciers du Désert”, hoy ny voalaza amin'ny ampahany hoe:

Ce jour 3/08/05 doit rester à jamais immortalisé dans notre mémoire.En effet des membres de nos vaillantes Forces Armées ont décidé de mettre fin au calvaire de notre Valeureux Peuple,qui souffre depuis plus de vingt ans sous le joug d'un régime raciste,ségrégationniste,esclavagiste et corrompu

(The date of August 8th must be forever immortalized in out memory. In effect, the members of our valiant armed forces decided to put an end to the martyrdom of our valorous people who have suffered for more than twenty years under the yoke of a racist, segregationist, enslaving and corrupt regime.)

(Ny datin'ny 8 Aogositra no tsy maintsy tsarovana mandrakizay. Raha ny marina, dia nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny fanaovana maritiora ny vahoakantsika izay nijaly mihoatra ny roa taona teo ambany ziogan'ny fitondrana mpanavakavaka, mpampisaraka, mpanandevo sy mpanao kolikoly ireo mpikambana ao amin'ny tafika antsika mahery fo.)

Mohamed Ali Ould Veten, manoratra ao amin'io forum io ihany, nahita fa raha nanameloka ny fanonganam-panjakana ny Vondrona Afrikana, dia nisy ny fahanginana teo amin'i Maghreb. Manombatombana izy fa mpinamana be amin'i Etazonia ny governemantan'i Taya – ary tsy mivantana, amin'i Isiraely – ary vitsy ao amin'ny faritra no ho latsa-dranomaso amin'ny fionganany.

Alioune Ly aussi, manoratra ao amin'ny vondrona ForumDiaspora ihany koa, manameloka ny fanonganam-panjakana ary maneho ny fanohanany hatrany an'i Taya:

Dans ces instants où tous les opportunistes se rassemblent et pretent allegence, je tiens à asummer pleinement devant Dieu et les hommes mon soutien à Maao uya Ould Sid'Ahmed Taya aujourd'hui encore plus qu'hier. Cet homme patriote, republicain et visionnaire restera à jamais comme celui qui a tenté contre vents et marées de sortir la Mauritanie des tenebres et cela malgré l'opposition des extremistes islamo-esclavagistes qui viennent de prendre le pouvoir.

(At the moment when all the opportunists assemble and pretend alliegance, I pledge before God and man my support for Maao uya Ould Sid’ Ahmed Taya today even more than yesterday. This patriotic man, republican and visionary will stand forever against the winds and the tides of those who want to lead Mauritania into darkness, in spite of the opposition of the islamo-slave extremists who have just seized power.)

(Amin'izao fotoana izao, raha mivory sy mody manao teny fiderana ireo mpanararaotra, mianiana eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona aho fa manohana an'i Maao uya Ould Sid'Ahmed Taya androany tsy toy ny omaly. Ity lehilahy tia tanindrazana, ​​Repoblikana sy manana vina ity dia hitsangana mandrakizay faran'izay vitany mba hanavotra an'i Maoritania ao anaty maizina, na dia eo aza ny fanoheran'ireo mahery fihetsika islamo-mpanandevo vao avy nandrombaka fahefana.

Miandrandra fatratra ny fitantarana voalohany mikasika ny zava-nitranga ao Nouakchott izahay, ary afaka mampiasa ny fanampian'ireo mahafehy tsara ny teny frantsay izahay amin'ny fandikana lahatsoratra avy amin'ny bilaogy Maoritaniana sy ny vondrona adihevitra – raha liana hanampy anay hahatakatra ny zava-mitranga ao Maoritania ianao, dia manorata ao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra ao amin'ity lahatsoratra ity. (Miala tsiny amin'ny fandikan-teny tsy dia tsara amin'ny teny Frantsay. Faly raha manana fandikan-teny tsara kokoa amin'ireo voalaza ao amin'ny takelaka  fanehoan-kevitra.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.