23 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 23 Oktobra 2018

Manodidina an'i Kambodza miaraka amin'ny Olom-pirenena nomerika

  23 Oktobra 2018

Niteraka tantara sy lohatenim-baovao ny fahatapahan'ny herinaratra tany Etazonia tamin'ny taona 2003, fa tsy izany tany Kambodza. Tao Stung Treng, raha nanoratra mailaka tao amin'ny foibem-pifandraisana aterineto iray, dia tsy afaka namita izany ny mpiasa iray mpandrindra solosaina satria lany lasantsy ny milina manome herinaratra sy mampandeha ny solosaina.

Goatemala : Nitokona ireo mpampianatra rehefa noravàna ny sekoly tranainy iray

  23 Oktobra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niverina nitokona indray ny 8 Mey 2007 ireo mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana tany Goatemala, nangataka ny ‘’famotsoran-keloka’’ tamin’ity indray mitoraka ity. Nangataka ny hanafoanana ireo sazy niampangan’ny governemanta azy izy ireo satria noho ny fandikan-dalàna tamin’ny fanaovana fitokonana tsy ara-dalana....

WSIS: Miaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra any Tonizia

  23 Oktobra 2018

Na dia teo aza ny fahasarotana natrehana, voakarakaranay ihany ny semineranay ''Fanehoankevitra Ambany Famoretana'' taty amin'ny Fivoriana An-tampony ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Tena noho ny hazondamosina matanjaka ananan'ireo mpanohana anay izany, ny ONG Nerlandey Hivos, izay nanilika ilay vondron'ny polisy nanao fitafin'olontsotra izay niezaka ny nanakana anay

Ry Bilaogin'izao Tontolo izao, Mitambàra!

  23 Oktobra 2018

Raha toa ka lasa mahazatra manerana izao tontolo izao ny fanoratana bilaogy ary satria mitodika amin'ireo olon-tsotra amin'ny fitantanana ny bilaoginy ireo mpanao gazety, orinasa, mpanao pôlitika sy ireo fikambanana tsy miankina, mandeha lavitra kokoa nòho izany ireo ankizy milay ary milalao fitaovana mampivondrona ny vontoatin'ny weblog maro ho ao aminà bilaogy iray vaovao.

Hitondra Soa Ho An'ny Vehivavy Frantsay Tokoa Ve Ny Lalàna Momba Ny Fanadalàna An-dàlambe ?

GV Mpisolovava  23 Oktobra 2018

Sarotra ampiharina ilay lalàna : tsy tratra ambodiomby, ny fotoana ahitan'ilay niharam-boina ireo andiany manao fisafoana, dia na lasa ireo nahavita ny heloka na mandà Sarotra ny fampiharana ilay lalàna, hoy ireo mpitandro filaminana belza niresahanay : tsy misy mihitsy ny tratra ambodiomby... ary mandrapaha-hitan'ilay niharam-boina mpitandro filaminana manao fisafoana, sy rehefa tonga ny mpanao fisafoana : na lasa ireo mpanao heloka na mandà

Kenya Sy Ny Fitsapankevibahoaka Mikasika ny Lalàm-panorenana

  23 Oktobra 2018

...ny valim-pifidianana " no tokony ho mariky ny fahefana faratampon' [ny vahoaka] hanoritana ny làlana hizoran'ny firenena’ ary na ho Eny na ho Tsia , "tokony hajain'ny roa tonta mpifanandrina" izay ho valiny eo. [...] Voafitakao indray mandeha aho, henatra ho anao . Voafitakao fanindroany aho, henatra ho ahy |...] fa zava-dehibe eo amin'ny fizorana any amin'ny demokrasia ny fifidianana,

Japana: Nitsena fanoherana henjana ny fihetsiketsehan'ny ankavanana hiringiriny manerana ny firenena

  23 Oktobra 2018

Nikarakara fihetsiketsehana tao an-tanàn-dehibe manerana an'i Japana tamin'ny Alahady 14 Oktobra ireo  vondrona manohitra ny fanavakavahana mba hanakana ireo andiana diabe ataon'ny vondrona mpanavakavaka ankavanana hiringiriny ampahibemaso amin'ny fifindra-monina ao Japana, na dia nampanantena aza ny governemanta Japoney fa handray mpiasa vahiny 500.000 hanampy hiatrika ny tsy fahampian'ny mpiasa.