15 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 15 Septambra 2018

Ejypta: Kapoka karavasy in-80 = Firenena ambany

Inona no mitranga rehefa manambatra mpanao didy jadona kivy, mpitarika ara-pivavahana mpanao kolikoly, feon'ny mpanohitra ary firenena iray marefo ianao? Firaisankina tsy mandeha araka ny tokony ho izy eo amin'i Hosni Mubarak, Oniversite Al Azhar University ary ny fanamelohana manohitra ny fahalalahana eo amin'izy ireo, hoy ireo bilaogera Ejiptiana.

Armenia: Eurovision be fanantenana

  15 Septambra 2018

Na dia heverin'ny ankamaroan'ny mpijery any Eorôpa fa vazivazy aza, dia tsy misy isalasalana fa ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena Eurovision dia raisina am-pahamatorana tanteraka ao atsimon'i Kaokazy izany. Raisina ho ny fotoana tsara indrindra hanehoana ny kolotsain'ny firenena sy ny maha-izy azy,

Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden

  15 Septambra 2018

Rehefa nandre ny fahafatesan’i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia naneho hevitra mifangaro ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’andraikitra tamin’ny fahasarotana ara-toekarena ao amin’ny fireneny, sy ny sazy ary ihany koa ny ‘’imperialisma’’ fanaony.

Azerbaijan: Bilaogy ara-tsakafo

  15 Septambra 2018

 Manadihady an'i Farida Sadikhova Buyuran, bilaogera ao ambadiky ny AZ Cookbook i Leyla's Room. Manoratra momba ny nahandro, ny tontolo sy sarin'ny sakafo nentim-paharazana Azeri ary nahandro hafa koa izy, mampiseho ny antsipirihan'ny fitiavan'i Farida ny sakafo sy ny fikarakarana sakafo ary koa ny famoaham-boky atsy ho atsy ny fanadihadiana.