Matahotra ho voasazy dia mangina ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana ao Bangladesh

Mpianatra manao fihetsiketsehana ao an-dalamben'i Dhaka. Pikantsary avy amin'ilay mpisera YouTube, TheLifeOfJord. 

Ny 29 Jolay, nanao hetsi-panoherana tampoka mitaky làlana azo antoka sy fampiharana ny lalànan'ny fifamoivoizana any amin'ny firenena ireo mpianatra Bangla taorian'ny nahafatesan'ny mpianatra roa voadonan'ny fiara fitateram-bahoaka monisipaly.

Nandritra ny herinandro, nameno ny arabe ireo mpianatra an'aliny avy amin'ny kilasy faha-6 ka hatramin'ny oniversite, nihiaka fiarovana eny amin'ny arabe ary namily ny fifamoivoizana mihitsy aza mba hanaporofoana ny hevitr'izy ireo. Narahan'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena ny hetsi-panoherana, tamin'ny nampiasan'ireo mpianatra Bangla ny tenirohy toy ny #CNN #ALJAZEERA #REUTERS ary koa ny tenirohin'ireo fampitam-baovao manerantany mba isarihana ny fifantohana amin'ny hetsik'izy ireo.

Nanomboka tamim-pilaminana ny hetsi-panoherana saingy nivadika ho herisetra tamin'ny 3 Aogositra rehefa nitarika fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana ny tsaho naelin'ny mpianatra avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ny fihoaram-pefy sy ny fakàna an-keriny mpianatra nataon'ny polisy, nampiasa etona mandatsa-dranomaso sy bala fingotra ireo polisy nandritra izany.

Tao anatin'ny andro vitsivitsy, olona teo amin'ny 1.000 no naratra, anisan'izany ny polisy 45.

Nahazo tsiny noho ny tsaho ny media sosialy

Mitombo hatrany hatrany ny fampiasana media sosialy ao Bangladesh mba hanapariahana tsaho sy vaovao diso, indrindra amin'ny Facebook, izay sehatra media sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena – raha ny marina ao an-drenivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka no faharoa ahitana mpisera Facebook be indrindra eo amin'ny tanàna goavana manerantany.

Nitarika fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny elatry ny mpianatra avy amin'ny antokon'ny fitondrana ihany koa ny tsaho fihoaram-pefin'ny polisy. Fotoana fohy taorian'izay, nisy vondrona avy amin'ny hetsi-panoheran'ny mpianatra nitsidika ny foiben'ny antokon'ny fitondrana ary tsy nahita porofo fisian'ny mpianatra notazonina tao.

Nanome tsiny ireo mpisera media sosialy sy mpikatroka ho miezaka mamboly korontana amin'ny fizarana lahatsoratra sy votoaty mihantsy ady ao amin'ny Facebook ny governemanta. Ny 5 aogositra, tao anatin'ny hafanan'ny hetsi-panoherana, nisambotra mpianatra 22 noho ny fiampangana fanimban-javatra ny polisy.

Nosamborin'ny governemanta ihany koa i Shahidul Alam, mpakasary fanta-daza sady mpikatroka sivika, izay nanadihady ny fanafihana ireo mpianatra sy mpanao gazety. Nomelohin'ny fikambanana eo an-toerana sy iraisampirenena ny fisamborana azy.

Ity fitopza-maso rakitra ity no mampafantatra ny firongatry ny #freeshahidulalam, mitety ireo mpikatroka zon'olombelona, ​​vondrona mpiaro ny zon'olombelona, ​​sampam-baovao iraisampirenena, sampam-baovao sy mpanao gazety an-tsary malaza, mitety firenena maro. Nahitana endrika mitovy amin'izany tamin'ny #FreeShahidul koa tao amin'ny Twitter.

Tamin'ny iray tamin'ireo lahatsorany, nizara tao amin'ny Facebook i Dinesh Khanna.

Shahidul Alam matters because he is our Voice. His life as a photographer, educationist, and thinker has been informed by his activism, his belief in what is just. It is this commitment that has made him one of the most admired international figures in the world of photography and media. Delhi Photo Festival was inspired by Chobi Mela and Pathshala, both founded by him, and we were privileged to have him as the keynote speaker at our first edition in 2011. Shahidul cannot and should not be silenced.

Manana ny lanjany i Shahidul Alam satria izy no feontsika. Nampahafantarin'ny fikatrohana ataony, ny fitokisany amin'ny marina, ny fiainany amin'ny maha-mpaka sary, mpanabe sy mpandinika azy. Izany fanoloran-tena izany no nahatonga azy ho iray amin'ireo olo-malaza iraisampirenena mahatalanjona indrindra eo amin'ny tontolon'ny sary sy ny media. Aingam-panahin'i Chobi Mela sy Pathshala, izay samy noforoniny, ny Fetiben-tsaripika tao Delhi ary manana tombondahiny isika manana azy ho mpandray fitenenana tamin'ny fizarana voalohany tamin'ny taona 2011. Tsy afaka ary tsy tokony hampanginina i Shahidul

Famoretana mpikatroka

Andro vitsy taorian'ireo hetsi-panoherana, nisambotra mpikatroka media sosialy 12 farafahakeliny ny polisy Bangla, voampanga ho nanely tsaho tao amin'ny Facebook nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpianatra izy ireo. Anisan'izany ireo olo-malaza amin'ny haino aman-jery toy ilay mpilalao sarimihetsika Kazi Noushaba Ahmed. Nanamafy ny tatitry ny media manatsonga ireo manamboninahitry ny polisy fa nanadihady horirantavan'olona mihoatra ny arivo tao amin'ny Facebook izay nolazaina fa nitarika herisetra nandritra ny rotaka ny manampahefana. Nilaza ny kaomisera lefitra misahana ny Fiarovana an-tserasera sy ny Heloka bevava ao amin'ny DMP Md Alimuzzaman fa: “Tamin'ny fanadihadiana ny horirantava 1.500 mahery tao amin'ny tambajotra sosialy samihafa, nahita kaonty mavitrika maherin'ny 150 mahery izahay ka 80 ka hatramin'ny 90 teo ho eo no hita tena mavitrika.”

Olona 100 teo ho eo no nosamborina hatramin'izao ary raharaha 51 avy amin'ny polisy no napetraka. Hoy ny fanambaran'ny Human Rights Watch:

The recent wave of arrests, targeting student protesters and journalists, has created an atmosphere of fear, putting a serious chill on free speech.

Namorona tontolo anaty tahotra, mametraka voka-dratsy lehibe amin'ny fahalalahana miteny ny onjan'ny fisamborana vao haingana, izay mikendry ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana sy mpanao gazety.

Lasa ny mpianatra, miverina ny korontana ara-pifamoivoizana

Nitarika mpianatra maro hangina ao amin'ny media sosialy ny tahotra fisamborana sy fanadihadiana hetsika an-tserasera – namafa ny lahatsorany mihitsy aza ny sasany. Mandritra izany fotoana izany, miverina amin'ny endriny feno korontana ny araben'i Dhaka. Matetika atao ambanin-javatra ny fahasarotan'ny olana araka ny nosoratan'ilay mpisera Facebook (nesorina ny rohy ho fiarovana azy):

I found one benefit of this recent road safety movement and that's also from my own perspective. Now common people realized that traffic police is not the sole agency to streamline the traffic issue of this city. It is a huge relief. Even the highly educated citizens used to believe that the inefficiency of traffic police was the only cause of traffic jam or if police wanted, they could solve this issue just like this! Now they know there are many issues and agencies [Road transport authorities, Bangladesh bus truck owners association, Dhaka Transport Coordination Authority, Bangladesh Rickshaw Owners Association] are involved, Police is just one of them.

Nahita tombontsoa iray tamin'ity hetsika vao haingana momba ny fiarovana eny amin'ny arabe ity aho ary avy amin'ny fomba fijeriko manokana koa izany. Ankehitriny dia fantatry ny olon-tsotra fa tsy ny polisy misahana ny fifamoivoizana ihany no sampan-draharaha tokana manamafy ny olana momba ny fifamoivoizan'ity tanàna ity. Tena mampisento izany. Na dia ireo olom-pirenena nahita fianarana ambony aza nino fa ny tsy fahombiazan'ny polisy misahana ny fifamoivoizana no hany anton'ny fitohanan'ny fiara na raha tian'ny polisy, afaka mamaha io olana io tahaka izany izy ireo! Ankehitriny, fantatr'izy ireo fa misy olana maro sy sampan-draharaha maro tafiditra ihany koa [manampahefan'ny fitaterana an-tanety, ny fikambanan'ny tompon'ny kamiao fitaterana ao Bangladesh, ny Fahefana mpandrindra ny Fitaterana ao Dhaka, ny Fikambanan'ny tompon'ny posiposy ao Bangladesh]. Iray amin'ireo ihany ny polisy.

Ny Zoma 10 Aogositra, nandòna fiaran'ny minisiteran'ny atitany ny fiara fitateram-bahoaka iray ao an-tanàna herinandro taorian'ny fihetsiketsehana. Ny mpanampy ny saofera no nitazona ny familiana tamin'ny fotoanan'ny loza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.