20 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 20 Jolay 2018

Maoritania: Mpanao Gazety Iray Voasambotra, Tranonkala Mpampita Vaovao Iray Nosakanana Ary Fihetsiketsehana Iray Nofaizina

GV Mpisolovava

Nosamborina tamin'ny Alatsinainy 16 martsa 2009 i Abbass Ould Braham, maoritaniana iray mpanao gazety ety amin'ny Aterineto, noho ny lahatsoratra iray izay navoakany teo amin'ny vohikala Taqadoumy. Ny Taqadoumy.com no nitatitra ny vaovao mikasika ny fisamborana azy ary naverin'ireo vohikala maoritaniana marobe izy io.

20 Jolay 2018

Però : Fifandirana Manodidina Ny Didim-panjakana Laharana 1097

Ny 1 Septambra 2010, navoaka tany Però ny votoatin'ny didim-panjakana laharana 1097. Mandrindra ny fampiharana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izy io. Kianin'ireo mpikatroka mafana fo sy mpiaro ny zon'olombelona ilay didim-panjakana izay mety manafina endrika vaovaon'ny famotsorankeloka ho an'ireo vondrona misarintsarina miaramila.

20 Jolay 2018

Nahafaty olona 170 ireo fanapoahana baomba mialoha ny fifidianana ao Pakistan, mampihemotra ny fanantenana isian'ny fandrotsaham-bato milamina

Fanafihana iray monja, tamin'ny 13 jolay nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ny Antoko Awami Balochistan, dia efa nahafatesana olona 129 sy naharatrana olona am-polony. Iny no fanafihana nahafatesana olona indrindra tao Pakistan taorian'ny fitifirana tsy mitsahatra nahafatesana olona 141 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, tamin'ny desambra 2014.

20 Jolay 2018

EWAMT: Nahazo fampiofanana momba ny fampitam-baovaon'olontsotra ny vehivavy Yemenita miisa 112

Rising Voices

Vita ny dingana voalohany tamin'ny tetikasa 'Fanohanana ny vehivavy mpikatroka amin'ny teknikan'ny media' (EWAMT). Na dia teo aza ny olana ara-teknika toy ny fahatapahan'ny herinaratra matetika sy ny aterineto milona dia nahavita nampiofana bilaogera vehivavy miisa 112 ny tetikasa, nihoatra ireo mpandray anjara nokendrena miisa 100 tamin'ireo atrikasa miisa folo.

20 Jolay 2018