Tsy hoe miafina fatratra mandrakitra ny zavatra ataon'ireo mpiserasera izany ny fakàntsary amin'ny finday Shinoa

Zavakanto Graffiti kamerà fanarahamaso. Navoaka ary nasiana marika ho azo ampiasaina indray ao amin'ny Pixabay.

Malaza fa ny rindrambaiko sy fampiharana web vita tany Shina dia matetika natsangana miaraka amin'ny “backdoor”, izay mamela ny mpanamboatra na ny governemanta hanara-maso sy hanangona tahiry avy amin'ny fitaovan'ny mpampiasa azy.

Saingy ahoana marina ny fomba fiasan'ny “backdoor”? Nanazava ny fanontaniana ny resadresaka vao haingana teo amin'ireo mpampiasa finday ao Shina tanibe.

Tamin'ny volana lasa teo, nahatsikaritra ireo mpampiasa ny Vivo NEX, finday Android Shinoa fa rehefa nanokatra fampiharana sasantsasany tamin'ny finday izy ireo, anisan'izany ny QQ mpitety goavan'ny aterineto Shinoa sy ny fampiharana famandrihana dia lavitra Ctrip, dia mandeha ho azy ny fakantsarin'ny finday.

Tsy mitovy amin'ny ankamaroan'ny finday, izay mety azo alefa tsy ahitan'ny mpampiasa azy hoe mandeha ny fakantsary, ahitana fakantsary kely mipongatra eny tampon'ny fitaovana ny Vivo NEX rehefa velomina.

Fakan-tsary mipoitra amin'ny Vivo NEX. Sary avy amin'ny Vivo NEX, tao amin'ny We Chaat.

Na dia tsy nahy aza angamba, ity endrika ity no manome fahatsapana mivaingana ho an'ny mpampiasa finday Shinoa hahafantatra ny fotoana sy ny fomba itsikilovana azy ireo.

Mpisera Weibo iray nahatsikaritra fa mandeha ho azy ny fakantsary azo asitrika isaky ny manokatra karajia vaovao ao amin'ny Telegram, fampiharana fandefasan-kafatra natao ho an'ny fifandraisana azo antoka sy voaaro izy.

Raha namaly avy haingana ny tatitra momba ilay olana ny Telegram ary nanamboatra ny tsy mety amin'ny kamerà, niaro ny fitaovana kosa ny goavan'ny aterineto Shinoa Tencent, nilaza fa mila ny fandehanan'ny fakan-tsary ny mpitety QQ mba hiomanana hi-scan ny kaody QR ary nanizingizina fa tsy haka sary na handrakitra feo ny fakantsary raha tsy hoe ny mpampiasa mihitsy no mibaiko hanao izany.

Tsy ahazoan'ireo mpampiasa azy toky ity fanazavana ity, satria nilaza fotsiny ny fomba ahafahan'ny mpitety QQ mandrakitra ny zavatra ataon'ireo mpiserasera izany.

Taorian'ny niparitahan'ny vaovaon'ny fakantsary mandeha ho azy, nanomboka nizaha ny olana tamin'ny fampiharana hafa ny mpiserasera ary nahita fa ny fampiharana fampidirana feo an'ny Baidu dia afaka miditra amin'ny fakantsary sy ny fandraketam-peo, izay azo alefa tsy mila alalana avy amin'ny mpiserasera.

Mpisera Vivo NEX nahita fa raha vao nametraka ny rafitra fampidirana feo ao amin'ny Baidu izy, dia nandefa ny fakantsarin'ny finday sy ny fandraketam-peo izany rehefa nanokatra ny fampiharana ny mpiserasera – anisan'izany ny mpitety, ny fampiharana karajia – izay ahafahan'ny mpiserasera mampiditra lahatsoratra.

Nilaza ny Baidu fa tsy backdoor ny fandraketana mandeha ho azy fa fampiharana  “frontdoor” izay ahafahan'ny orinasa manangona sy mampitony ny tabataba ao ambadika mba hanomanana sy hanatsarana ny fiasan'ny fampidirana feo. Tsy manome toky ny mpiserasera anefa izany – ny mikrô rehetra manangona tabataba dia mety haka ny feo sy ny resadresaky ny mpampiasa azy sy izay miresaka mivantana aminy.

How does camera snooping affect people outside China?

These snooping features have not just affected people from mainland China, but all of those from outside the country who want to communicate with friends in China.

As the Chinese government has blocked most leading foreign social media technologies, anyone who wants to communicate with people in China has little choice but to install applications made in China, such as WeChat.

One strategy for increasing one's mobile privacy when using Chinese-made applications is to keep all insecure applications on one device and assume that these communications will be recorded or spied upon, and to keep a second device for more secure or “clean” applications. When using an encrypted communication application like Telegram to communicate with friends in China, one also has to make sure that their friends’ mobile devices are clean.

Ahoana ny fiantraikan'ny fakantsary mpitsikilo eo amin'ny olona ivelan'i Shina?

Tsy miantraika amin'ireo olona avy ao amin'ny tanibe Shina ihany ireo endrika fitsikilovana ireo, fa koa eo amin'ireo rehetra ivelan'ny firenena ka te-hifandray amin'ny namany ao Shina.

Satria nakaton'ny governemanta Shinoa ny ankamaroan'ny teknolojian'ny media sosialy vahiny malaza, vitsy ny safidin'ireo olona izay te-hifandray amin'ny vahoaka ao Shina, tsy misy azo atao afa-tsy ny fametrahana fampiharana vita tany Shina, toy ny WeChat.

Paikady iray amin'ny fampitomboana ny tsiambaratelon'ny findainao rehefa mampiasa fampiharana vita Shinoa ny mitazona ny fampiharana rehetra tsy azo antoka amin'ny fitaovana iray ary mihevitra fa ho voarakitra na voatsikilo ireo fifandraisana ireo, sy mitazona amin'ny fitaovana faharoa ny fampiharana azo antoka kokoa na “madio”. Rehefa mampiasa fampiharana fifandraisana voaaro amin'ny fanefanan-tsoratra toy ny Telegram mba hifandray amin'ireo namana any Shina, dia mila maka antoka ihany koa fa madio ny fitaovana findain'ny namana ifandraisana.

Malaza amin'ny fitsikilovana ny tahiry sy ny zavatra ataon'ireo mpiserasera ny Baidu. Tamin'ny janoary 2018, nametraka fitoriana ho an'ny fampiharana fikarohan'ny Baidu sy ny mpitety finday ny fikambanan'ny mpanjifa mifandray amin'ny governemanta ao amin'ny faritanin'i Jiangsu  noho ny fitsikilovana ny resaka an-telefaon'ireo mpiserasera sy noho ny fidirana amin'ny tahiry ara-jeografia tsy misy fankatoavan'ny mpiserasera. Saingy nesorina ny raharaha tamin'ny volana Martsa rehefa nanavao ny fampiharany tamin'ny alalan'ny fahazoana ny fankatoavan'ny mpiserasera ny Baidu amin'ny fanarahamason'ny fakàntsary finday, ny fandraketam-peo, ny tahiry ara-jeografia, na dia tsy ilaina loatra amin'ny asan'ny fampiharana aza ireo fanaraha-maso ireo.

Ho setrin'ny ahiahin'ny vahoaka momba ny backdoor, mety hiaro ny tenany ny Baidu sy ireo goavan'ny aterineto Shinoa amin'ny filazàna fotsiny fa efa nanaiky ny hampandehanana ny fakàntsarin'izy ireo ny mpiserasera. Saingy manoloana ny endrika ampihimamba ataon'ny goavan'ny aterineto Shinoa ao amin'ny firenena, manana fahefana – na safidy – hilaza hoe tsia ve ireo mpiserasera olon-tsotra?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.