Zavamisy folo navoakan'ny Reporters Sans Frontières momba ny famoretana ny fampitam-baovao ao Hong Kong

Sary avy amin'ny Tom Grundy / HKFP. Nahazoana alalana.

Namoaka zava-misy 10 momba ny tontolom-pamoretana fampitam-baovao ao Hong Kong ny Reporters Sans Frontières (RSF) kiadin'ny fahalalahan-gazety iraisampirenena tamin'ny volana lasa teo ho setrin'ny filazan'ny mpitondratenin'ny governemanta Shinoa fa “voaaro tanteraka” ny fahalalahan-gazety ao an-tanàna. Tonga ny fanambaràn'ny Shinoa taorian'ny fandàvana ny solontenan'ny RSF tsy hahazo hiditra ao Hong Kong.

Ho fahatsiarovanay ny Andron'ny Fahalalahan-gazety Maneran-tany ny 3 mey no ambosahanay ireo zava-misy 10 misy fanampiny.

Mpanao gazety gadraina ao Hong Kong

Mpanao gazety sy mpiaro ny fahalalahan-gazety folo no migadra any Hong Kong amin'izao fotoana izao. Tao amin'ny Apple Daily, gazety mpomba ny demaokrasia efa levona, ny fito amin'izy ireo, anisan'izany ny mpanorina ny gazety, Jimmy Lai Chi-ying, izay miatrika fitsarana ankehitriny ampangaina ho “mifandray tendro amin'ny hery vahiny hanohintohinana ny filaminam-pirenena”, araka ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena (NSL) an'i Beijing nivoaka tamin'ny 30 Jona 2020. Miatrika sazy mandra-pahafaty fara-tampony ilay mpanefoefo, 76 taona, raha meloka.

Fanakatonana ny seha-baovao manohana ny demaokrasia

Herinandro taorian'ny nandaniana ny lalànan'ny filaminam-pirenena ao an-tanàna, antsoina hoe Andininy faha-23, nanambara ny fanakatonana ny biraony ao Hong Kong tamin'ny 29 martsa 2024 ny Radio Free Asia vatsian'ny governemantan'i Etazonia.

Tamin'ny taona 2021, voatery nakatona ny Apple Daily sy Stand News, fampahalalam-baovao roa goavana indrindra manohana ny demaokrasia ao an-tanàna rehefa avy nosamborina tsirairay avy ireo mpiasa ambony tao aminy, fa hoe mifandray tendro amin'ny vahiny araka ny NSL sy fampisaraham-bazana voalazan'ny didim-panjakana famaizana fony fanjanahantany tao an-tanàna. Nitarika faharavan'ireo fampahalalam-baovao anjotra am-polony mahery ny famoretana ny fampahalalam-baovao tsy miankina.

Lalàna mamoritra

Araka ny filazan'ny RSF, mpanao gazety 28 farafahakeliny no niharan'ny fanenjehana taorian'ny fampiharana ny Lalànan'ny Fiarovam-pirenena (NSL). Ankoatra ny fiampangana teo ambanin'ny NSL, nisy ireo sasany voampanga tamin'ny fandikan-dalàna hafa, anisan'izany ny fikomiana, ny firotahana, ny fidirana tsy ara-dalàna ao amin'ny Filankevitry ny Mpanao lalàna, ny fanambarana hosoka momba ny fahazoana angon-drakitra, sy ny maro hafa.

Ahitana ireo mpanao gazety teo aloha Claudia Mo Man-Ching sy  Gwyneth Ho Kwai-Lam, izay voampanga tamin'ny fanonganam-panjakana noho ny fandraisany anjara tamin'ny fifidianana mpomba ny demokrasia voalohany tamin'ny taona 2020 kosa ireo mpanao gazety hafa voafonja.

Nampiditra fandikan-dalàna vaovao ny Andininy faha-23 vao navoaka, anisan'izany ny “mpangalatra ny tsiambaratelom-panjakana” sy ny “fitsikilovana”, izay manohintohina ny asa fanaovan-gazety satria ny lalàna dia mamaritra lalindalina kokoa momba  ny “tsiambaratelon'ny fanjakana” mifanaraka amin'ny rafitra Shinoa an-tanibe, izay mandrakotra ireo sehatra ahitana fanapahan-kevitra politika lehibe, fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy, siansa sy teknolojia, fiarovam-pirenena sy diplaomasia, sns.

Toy izany koa, ny famaritana ny “asa mifandraika amin'ny fitsikilovana” dia mirakitra ny fandraisana anjara sy fanohanana manomboka amin'ny maha-mpikambana ka hatramin'ny fanomezana fanohanana ara-bola na torohay, fitadiavana  mpikambana ho an'ny fikambanana, ary ny fahazoana tombontsoa lehibe atolotry ny fikambanana. Mety hampihemotra ny mpanao gazety tsy miankina hiasa amin'ny fampahalalam-baovao vahiny ny famaritana toy izany.

Naitatra ihany koa ny sehatry ny fampisaraham-bazaha hahatafiditra ny fandrisihana fankahalàna na fifandrafiana eo amin'ny samy mponina HKSAR na ireo mponina any amin'ny faritra samihafa ao Shina, ary nampitomboina 2 taona an-tranomaizina amin'ny heloka bevava ka hatramin'ny 10 taona araka ny Andininy faha-23 vaovao ny sazy faratampony.

Teny fandrahonana amin'ny seha-baovao

Nandefa taratasy fito farafahakeliny ny manampahefana ao Hong Kong, manameloka ny fampahalalam-baovao vahiny, ka anisan'izany ny The BBC, The Times, The Guardian, The Washington Post, The New York Times ary ny Bloomberg, noho ny famoahana tatitra “mandiso lalana”, “mampatahotra”, ary “diso” sy fanehoan-kevitra momba ny Andininy 23. Araka ny filazan'ny Bloomberg, nandefa taratasy maherin'ny 500 ho an'ny famoaham-baovao vahiny 174 avy amin'ny firenena 30 ny governemantan'ny tanàna, nanapoaka ny fitantarany ratsy momba an'i Hong Kong mba hiarovana ny lazany nanomboka tamin'ny taona 2020.

Noterena hanivana ireo feo mitsikera ireo fampahalalam-baovao ao an-toerana. Ny ohatra malaza indrindra dia ny fanesorana ny tsanganan'i Zunzi ao amin'ny Mingpao tamin'ny volana Mey lasa teo taorian'ny niampangan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta Hong Kong azy imbetsaka ho “mandrisika ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny governemanta”.

Namoy ny fahaleovantenany ny fampielezam-peom-panjakana RTHK

Taorian'ny fanovan'ny governemantan'i Hong Kong ny fitarihana tao amin'ny Radio Television Hong Kong (RTHK) tamin'ny volana Mey 2021 nanendry an'i Patrick Li, mpiasam-panjakana tsy manana traikefa amin'ny asa fanaovan-gazety, ho lehiben'ny fampielezam-peo, dia nofoanan'ny fampielezam-peo ny fandaharana, nofafany ny tahiriny an-tserasera, nodioviny ny kaontiny Twitter, namoaka toromarika hampiasa teny ankatoavin'i Beijing ary niara-niasa tamin'ny China Media Group mba handefa fandaharana maro kokoa novokarin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana ao Shina mba “hikolokoloana ny fahatsapana fitiavan-tanindrazana matanjaka kokoa” eo amin'ny mpijery.

Famoretana vondrona mpanao gazety tsy miankina

Niharan'ny tsindry politika goavana ny Foreign Correspondent's Club (FCC) sy ny Hong Kong Journalist Association (HKJA) satria namerimberina nanakiana ireo vondrona mpanao gazety tsy miankina ireo fampahalalam-baovao vatsian'ny fanjakana ao Shina vola fa hoe miray tendro amin'ny vahiny sy mandrisika fahaleovantenan'i Hong Kong

Farany, voatery nanafoana ny Loka fanaony isan-taona Human Rights Press ny FCC tamin'ny volana Aprily 2022 mba hisorohana ny mety olana ara-pitsarana. Ho an'ny HKJA, nitaky tamin'ny sendikàn'ny matihanina handoa hetra 400.000 HKD (eo ho eo amin'ny 51.000 dolara Etazonia) taona 2017-2018 ny Departemanta Hong Kong Inland Revenue (minisiteran'ny Tetibola).

Vao haingana, voatery nafindra anjotra ny hetsika fanangonam-bola nataon'ny HKJA satria nanafoana ny fifanarahana fampiantranoana noho ny “hery tsy azo toherina” (ny tompon'ny toerana), voambolana vaovao manondro tsindry politika.

Fanenjehana mpanao gazety

Maro amin'ireo mpanao gazety monina ao Hong Kong no niaina fanenjehana sy ny fanaraha-maso ataon'ny olona tsy fantatra. Hatramin'ny nananganana ny NSL tamin'ny taona 2020, mpanao gazety matihanina sy olom-pirenena an-jatony no voatery niala ny tanàna, ary teo amin'ny iray ampahatelon'ny mpanao gazety matihanina ihany no afaka manohy ny asany any ampitan-dranomasina. Tombanan'ny RSF fa farafahakeliny 900 ny mpanao gazety very asa noho ny fanakatonana ny fampitam-baovao tsy miankina.

Heloka bevava amin'ny fitenenana sy famotopotorana literatiora

Heloka mifandraika amin'ny fitenenana ny heloka bevava momba ny fiarovam-pirenena araka ny NSL sy ny andininy faha-23, ny fampisaraham-bazana, ny firaisana tendro ary ny fikomiana. Noho izany, matetika ampiasaina ho porofo eny amin'ny fitsarana ny lahatsora-baovao sy ny fanehoan-kevitra. Ohatra, tao amin'ny fitsarana Stand News, nahita lahatsoratra 587 tao amin'ny antontan-taratasiny ny manampahefana polisy. Farany, lahatsoratra 17 no natolotry ny mpampanoa lalàna teny amin'ny fitsarana ho porofon'ny fiampangana fampisaraham-bazana an'ireo lehiben'ny tonian-dahatsoratra roa teo aloha tao amin'ny Stand News.

Tamin'ny volana Jolay 2023, 155 ireo fiampangana mifandraika amin'ny fiarovam-pirenena. Ny ankamaroan'ny fiampangana dia mifototra amin'ny porofo mifandray amin'ny lahateny, toy ny fanehoan-kevitra, teny filamatra, kabary ampahibemaso, lahatsoratra amin'ny media sosialy, sns.

Nosakanana tsy hiditra ny tanàna ny mpanao gazety

Vahiny mpanao gazety maromaro miasa ao amin'ny New York Times, ny Economist, ary ny Hong Kong Free Press no tsy nahazo alalana hiasa tao Hong Kong taorian'ny nandaniana ny NSL tamin'ny taona 2020. Tamin'ny herintaona, mpanao gazety mahaleotena telo farafahakeliny, anisan'izany i Michiko Kiseki sy Yoshiaki Ogawa, sy ny mpanao gazety amerikana Matthew Connors no nolavina tsy hiditra ao Hong Kong.

Laharan'ny fahalalahan-gazety

Laharana faha-140 amin'ny 180 i Hong Kong ao amin'ny Fanondroana Fahalalahan-gazetyy Manerantany 2023 an'ny RSF, nidina avy amin'ny toerana faha-18 tamin'ny taona 2002.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.