Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

28 Jona 2018

Tantara tamin'ny 28 Jona 2018

La Barbade : Inona No Nanjo an'i Akobi Tacuma Maloney?

Vokatry ny fahafatesana nampiahiahy nanjo ny Rastafariana iray mahira-tsaina , nanokatra blaogy AfriKa CRY BLOOD ny Conseil lchirouganaim ho an'ny Fandrosoan'ny Rastafari (ICAR) mba "hampahafantarana, hiarovana ny fahatsiarovna ary hiarovana ny Ras Tacuma.

Fanavakavaham-pahafahana : Hanangana faritra aterineto misokatra ao amin'ny nosiny fizaha tany i Shina

"Raha tsy maninona ny mitsidika Twitter, Facebook, nahoana no vahiny ihany no avela hiditra fa tsy ny Shinoa?"

Ekoatora : Matavilela, Literatiora Iray Hafa Ho “Famonoana Andro”

Manasongadina manokana ny andran-dahatsoratra ilay gazetiboky nomerika, saingy misy ihany koa ny sehatra "tafatafa" miaraka amin'ny endrika manokana antsoina hoe #MataPreguntas (KillerQuestions) na fanontaniana mahafaty. Nandray anjara tamin'ilay Conectándonos tao Ekoatora i Daniel Lucas, mpandrindra ny tranonkala Matavilela.

Voampanga noho ny fanohintohinana ny fiarovam-pirenena tamin'ny fisoloantena ny hetsi-panoherana manohitra ny hijab i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava Iraniana

"Raha manontany ahy ianareo hoe inona no tena eritreritr'ireo manampahefana dia hamaly aho hoe tian'izy ireo hijanona ao an-tranony fotsiny i Nasrin ary ... ary mitsahatra tsy hiaro intsony ireo mpikatroka sivily sy politika..."

Hanakana ny fahalalahan'ny media ve ny volavolan-dalàna momba ny heloka antserasera ao Trinidad sy Tobago?

Samy naneho ny ahiahiny manoloana ireo ampahany manokana momba ny volavolan-dalàna nahitsy vao haingana izay mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana miteny ireo mpanao gazety sy mpampiasa tambajotra sosialy.

Ela niandrasana, nahazo fankatoavana ho ara-dalàna ny fikambanana LGBT tokana ao Angola

"Ara-dalàna isika ankehitriny ary afa-miresaka amin'ny tompon-trano tsy misy tahotra, afa-manao sy manohy ny asantsika ara-dalàna isika, satria handoa ny anjaran'ny fanjakana isika."