Kolombia: Ny horohorontany no namantarana ny fisian'i Necoclí

(Marihina fa tamin'ny 5 Martsa 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 2 Martsa 2011, nisy horohorontany nahatratra  5,5 amin'ny mari-pandrefesana Ritcher ary re tany amin'ny faritr'i Antioquia, any avaratr'i Kolombia. Ny kaominin'i Necoclí (ao Antioquia) no fantatra fa nisy ny ivony ary na dia tsy nisy aza ny niharam-boina dia ny tsy fahafantaran'ny olona maro ny fisian'i Necoclí, – niaraka tamin'ny horohorontany – no tranga nisongadina tao amin'ny Twitter.

Kolombiana maro no nilaza fa tsy mahafantatra ny toerana misy io kaominina io na nandre momba izany talohan'izay:  teratany Afrikana ny 59%-n'ny mponina ato amin'ity kaominina ity ary misongadina amin'ny fahantrana sy ny tsy firarahian'ny fanjakana izy ara-tantara .

Morontsirak'i Necoclí, Antioquia, Kolombia. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i DDirac, nampiasana lisansa CC BY 2.0

Nanoratra i Juan Lozano (@Juan_ LT) hoe:

Je leur jure que je ne savais pas que Necoclí existait.

Nilaza tamin'izy ireo aho fa tsy fantatro fa misy i Necoclí.

Raha i Alejandro F. A (@D_VAGO) kosa dia nanamarika ny zava-misy ara-tsosialy ao amin'ilay faritra, ary nanao ny fandalinany manokana ka nilaza hoe:

Pour sortir de l'anonymat et que l'on parle d'eux, il a fallu un tremblement de terre à  #Necoclí A présent, toute la Colombie #Colombia sait où elle se trouve et qu'elle y a SURVÉCU.

Ny horohorontany tao Necoclí no namantarana ny anarany sy nivoahany resaka momba azy. Mahafantatra izay misy azy i Kolombia ankehitriny ary hoe mbola misy izy.

Nanamafy ireo sioka tamin'ny ankapobeny fa tsy nisy ny naratra taorian'ny horohorontany. Nandefa rohy tamin'ny aterineto ho an'ny gazety ao an-toerana La Opinión i Johan Estevez (@Troguan) sy Alexander Reyes (@alexanderreyes1) ; raha nanamarika kosa ny kaonty Twitter-n'ny Radio Nationale du Venezuela (RNV) fa re hatrany amin'ny fanjakan'i Táchira ihany koa ny horohorontany izay tao Kolombia no nisy ny ivony:

Le séisme enregistré en Colombie a été ressenti à Táchira : son épicentre a été localisé dans la commune de Necoclí,… http://bit.ly/i72mmK

Re hatrany Táchira ny horohorontany tao Kolombia: tao amin'ny kaominin'i Necoclí no nisy ny foibeny

Tsy nisy ihany koa ny naratra tany amindry zareo Venezoeliana, araka ny tatitry ny RNV.

Rohy mahaliana

- Ny vohikala ofisialin'i Necoclí 
– Momba ny anarany, Necoclí, misy ny tantara izay milaza fa nisy ny mpandalo iray reraka sy nangetaheta tonga tao amin'ity toerana ity mba hanala hetaheta , saingy nilazana izy fa ” Tsy nisy ‘coclí’ tao “, ny” coclí “no zava-pisotro mahazatra ao amin'ny faritra”.
Namoaka lahatsary antserasera ny  @TTTube_Co mitondra ny lohateny hoe : Necoclí .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.