Tantara tamin'ny 22 Jona 2018
Port Harcourt: ny ‘setroka mainty matevina’ ao an-tanàndehiben'i Nizeria
Mahatonga homamiadana sy areti-tratra ny setroka mainty, ary mampitombo ny tahan'ny aretim-po ny miaina maharitra ao anaty setroka mainty .
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 11 -17 Jona 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 11 Jona ka hatramin'ny 17 Jona 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 205 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha 17 ao amin'ny lisitra ve ? Filipina. Ary ny faha 78 ? Senegal.
Tanzania: Fisamborana bilaogera noho ny hosoka tamin'ny sarin'ny filoham-pirenena
Hatramin'ny omaly [18 Jona], mandeha ny fifanakalozan-dresaka ao amin'ny tambajotran-tserasera Tanzaniana Jamii Forum. Nandefa vaovao sy ny sarin'ilay bilaogera nosamborina ny Swahili Time androany. Malecela Peter Lusinde, 39 taona, mpanolo-tsaina momba ny solosaina avy any amin'ny faritra Essex, Fanjakana Mitambatra izany.
Ejipta: Tafiditra anelanelan'ny gripan-kisa sy ny fanatonan'ny pesta
Tahotra sy fisavorovoroana no namely ny Ejipsiana maro taorian'ny tranga H1N1 voaloahany, na gripan-kisoa hita tao amin'ny firenena. Efa nanomboka tokoa ny tahotra talohan'ny nifindran'ny viriosy, izay nanosika ny governemanta Ejiptiana hanavao ny kisoa.
Malezia: Noenjehin'ilay politisiana ilay bilaogera fa nanala baraka azy
Notorian'ilay mpanao politika, fantatra amin'ny fanohanany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Malezia, ilay bilaogera sady mpanao gazety zokiolona noho ny fanalam-baraka.
Qatar: Adihevitra momba ny fametraham-pialan'ny filohan'ny foiben'ny fahalalahan'ny media
Noho ny fifandonana tamin'ny governemantan'i Qatar, niala tao amin'ny Foiben'ny Fahalalahan'ny Media ao Doha i Robert Ménard sy ny ekipany.