Tsy lahatry ny fiainana izany, fa setrasetran-dehilahy: Fahatezerana ao Però noho ny famonoana ilay vehivavy 22 taona

Eyvi Ágreda. Sary niparitaka tao amin'ny media sosialy.

Tao anatin'ny fotoana fohy, nibahana tamin'ny pejy voalohan'ny fampitam-baovao Peroviana i Eyvi Liset Ágreda Marchena, 22 taona. Tamin'ny 24 Aprily no nivoaka voalohany ny tatitra fa notondrahan'ny lehilahy iray solika izy ary nodorany avy eo rehefa nody avy niasa nandeha fiara fitateram-bahoaka, namoy ny ainy izy noho ny fahamaizana goavana izay nikasika ny 60% ny vatany.

Nanafintohina an'i Però ity tranga farany momba ny famonoana vehivavy ity ary manasongadina olana goavana izay mbola miantraika ao amin'ny firenena.

Mpiara-miasa amin'i Ágreda taloha antsoina hoe, Carlos Javier Hualpa Vacas no nahavanon-doza, ary voalaza fa nanorisory azy nandritra ny herinandro maro. Rehefa nandà ny heloka vitany i Hualpa tany am-boalohany, dia niaiky ihany nony farany fa izy no nahavanon-doza izay nitarika ny fahafatesan'i Ágreda.

Tamin'ny fanambaràny, nilaza i Hualpa fa nanondraka solika an'i Agreda ary nandoro azy avy eo “satria nahatsiaro fa nohararaotin'i Ágreda izy”. Nilaza i Hualpa fa tsy maintsy nomena lesona i Ágreda satria nananany trosa:

Como no me pagaba, entonces sentí que me había utilizado. […] no dormía, me ponía a llorar. Ella era muy feliz, haciendo su vida normal y yo fregado, discutía con mi mamá. […] alguien tenía que ponerle un alto […].

Realmente, yo no tenía las intenciones de dañar a nadie. Yo solamente quería dañarle su cara, porque ella siempre decía que su cara era bonita.

Satria tsy nandoa ny volako izy, dia tsapako fa nanararaotra ahy izy. […] Tsy natory aho, nitomany be aho. Faly be izy, niaina ny fiainany ara-dalàna izy ary vita ny tamiko, niresaka tamin'ny reniko aho. […] Tsy maintsy misy olona hanakana azy […].

 

Tena tsy nikasa ny hanisy ratsy olona aho. Te hanimba ny tarehiny fotsiny aho, satria nilaza foana izy fa tsara tarehy.

Nilaza i Hualpa fa  te-hanondraka solika eo amin'ny tarehiny fotsiny, saingy nanomboka nandeha ny fiara fitateram-bahoaka dia nararany teo amin'ny vatany manontolo. Nisy mpandeha hafa tratran'ny fanafihana ihany koa.

Ny 27 aprily, namoahana didy fanagadrana vonjimaika 9 volana i Hualpa noho ny fiampangana azy tamin'ny famonoana vehivavy tamin'ny fomba mahery vaika, ratra goavana nihatra tamin'ireo mpandeha fito hafa tamin'ilay fiara iombonana, ary mampidi-doza ny filaminam-bahoaka. Nandritra ny fotoam-pitsarana, nampiseho fanenenana i Hualpa:

If I'm issued 20, 30 years, I'll accept it […] I deserve it.

Raha hogadraina 20, 30 taona aho, ho ekeko izany […] Mendrika ahy izany.

Nandritra izany, tsy maintsy natao fandidiana maromaro i Agreda mba hanesorana ny tamba-tsela nekrôtika sy hanaovana grefy amin'ny vatany. Nasiana fampatoniana i Ágreda mba tsy hahenoany fanaintainana amin'ny ratrany, ary notazonina tamin'ny fifohana rivotra tamin'ny fomba artifisialy izy. Tamin'ny 17 May, voalaza fa nahatsiaro tena izy ary niresaka tamin'ny havany, nanontany azy ireo raha afaka mody any an-trano izy. Amin'ny ankapobeny, nandalo fandidiana 12 i Ágreda tao anatin'ny iray volana mahery monja.

“Ho an'i Eyvi, ho antsika rehetra”

Ny 1 Jona, nanohina ny firenena ny vaovao fahafatesan'i Ágreda. Nikarakara diabe ho an'izany tamin'io tolakandro io ihany ny vondrona “Ni una menos” (Tsy misy iray tavela):

Lasa ny iray amintsika.
Ho an'i Eyvi, ho antsika rehetra 

————
?Miantso ny tenantsika ho an'i Eivy, ho antsika rehetra. Hidina an-dalambe isika mba hanohitra ny rafitra fiheveran'ny lehilahy ny vehivavy ho ambany izay tsy manaja ny maha-olona antsika vehivavy, MAMONO ANTSIKA IZANY. Satria lasa ny iray amintsika, hidina an-dalambe isika rehetra. FIARENTORY ANDROANY AO AMIN'NY FITSARANA – AMIN'NY 7 HARIVA.

Tao amin'ny Twitter, lohahevitra nalaza ny tenirohy #EyviAgreda, #PorEyviPorTodas (Ho an'i Eyvi, ho antsika rehetra) sy ny hatezerana goavana amin'ny ankapobeny ary koa ny #NiUnaMenos (Tsy misy vehivavy iray tavela) izay efa naparitaka teo aloha:

Tsy lahatry ny fiainana izany. Fa herisetran-dehilahy.
————

Tsy lahatry ny fiainana izany, fa setrasetran-dehilahy. Graffiti natao androany tao Lima ho valinteny ho an'ny filoha Martin Vizcarra, izay nanameloka ny fahafatesan'i Eyvi Ágreda, 23 taona, noho ny fandoroana goavana nataon'ny lehilahy iray nanorisory azy nandritra ny roa taona, ho avy amin'ny lahatra fa tsy fanavakavahana [ny vehivavy].

Ity graffiti ity dia manondro ny fanehoan-kevitry ny filoha Martin Vizcarra mikasika ny fahalasanan'i Ágreda, izay nanambara fa “indraindray, lahatry ny fiainana ireo“. Taty aoriana, nanazava i Vizcarra, izay voatsikera mafy tamin'ny fanambarany fa tsy miresaka momba ny herisetra izy fa kosa manao fanehoan-kevitra fa tsy ahafahan'ny dokotera manavotra ny ainy ny lahatry ny fiainana.

22 taona aho. Tamin'ny 24 Aprily, nandraraka solika tamiko sy nandoro fiara iombonana i Carlos Hualpa —izay tsy nandray ny TSIA ho valinteny. Satria 50% ny vatako no may, miady mafy aho. Milaza izao aho satria tsy afaka manao izany intsony i Eyvi Ágreda. Mamono ny setrasetran-dehilahy.

Na dia ny mpisolovavan'i Hualpa aza nanana teny henjana ho an'ny arovany:

Nilaza i Mario Arribas fa hiaro an'i Carlos Hualpa, fa “hiaro ny zon'ny [arovany] ho velona fotsiny”. Ahoana ny hevitrao?
———–
Mpisolovavan'i Carlos Hualpa, mpamono an'i Eyvi Agreda: “Aoka izy higadra any am-ponja!” Ahoana ny hevitrao?

Ankehitriny, olana goavana eo amin'ny fiarahamonina Peroviana ny famonoana vehivavy sy ny herisetra mihatra aminy. Namintina ny Fanadihadiana momba ny Fampandrosoana sy ny Fahasalaman'ny Fianakaviana (ENDES 2017) fa enina amin'ireo vehivavy Peroviana folo no miaiky fa niharan'ny herisetra nataon'ireo sakaizany na vadiny. Na dia nahitana fihenana ho 65,4% aza ny isanjaton'ny vehivavy niharan'ny herisetra tamin'ny dimy taona farany raha 71,5% izany teo aloha, hita fa mbola atahorana ny tarehimarika. Efa-bolana monja tamin'ny taona 2018, tranga 40 mahery famonoana vehivavy no notaterina tany Però, niakatra 26% raha oharina tamin'ny taona 2017 tamin'ny fotoana toy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.