Nikaragoa: Ampihimamba Atao Amin'ireo Fifandraisandavitra

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2008)

Ny 26 may 2008, ny gazety nikaragoaiana La Prensa [amin'ny fiteny espaniola] nanambara fa i Carlos Slim, lehilahy manankarena indrindra eto ambonin'ny tany, dia eo ampividianana ny fandaharana iray manan-danja indrindra andoavam-bola ao amin'ny fahitalavitra ao Nikaragoa. Ilay ESTESA dia efa ampihimamba mipetraka ho azy eo amin'ny tsenany, ary ankehitriny ampahany ao amin'ny ENITEL, goavamben'ny fifandraisandavitra an'ny Slim ao Nikaragoa.

Amin'izao fotoana izao, i Slim no tompon'ireo marika CLARO (Finday), Turbonett (Wi-Fi), AMNET (koriana malaky sy famindrana angondrakitra), ENITEL (tolotra fahiny ho an'ny daholobe izay tompon'ireo fantsona rehetra fifandraisandavitra mifandray amin'ny tariby ao amin'ny firenena)., ary ESTESA.

Saingy arakaraka ny maha lehibe azy ireo no vao mainka hampitalakotrokotroka ny fianjeràn'izy ireo. Nandritra ny folo andro teo ho eo (tamin'ny faran'ny Jona hatramin'ny fiandohan'ny Jolay 2008), nahita olana ara-teknika ireo mpampiasa tamin'ny fidirana tamin'ny blaogin'izy ireo mandalo Turbonett. Ho an'ireo sasantsasany, olana ara-teknika tsotra fotsiny io, tahaka izay nosoratan'i Raül Isaac Suárez teo amin'ny blaoginy El Econoscopio [amin'ny fiteny espaniola], izay mino fa avy amin'ny mpamatsy fidirana iraisam-pirenena iray ny olana. Ireo hafa kosa, toa an'i nimrod, izay manoratra eo amin'nyY ahora ¿de qué vamos a hablar? [amin'ny fiteny espaniola], no nanandrana niditra avy aminà proxys.

Ao anatina trangan-javatra fanaovana ampihimamba virtoaly, ny tsy fananana fahafahana misafidy amin'ireo mpamatsy fidirana amin'ny tambajotra isankarazany dia mety ho tena olana goavana be rehefa injay ilay orinasa tokana misy eo amin'ny tsena ka tsy manolotra ny asa nandrasana taminy. Ireo mpampiasa sasantsasany tezitra no nampahafantatra an'io, tsy nasiana esoeso, teo amin'ny Informática Nicaragua [amin'ny fiteny espaniola], tamin'ny alalan'ny fanolorana fomba “mivantana” hampitàna amin'ireo orinasan'ny Slim ny zavatra ao tadiavin'izy ireo.

Mametra-panontaniana sy tsy mahavita manazavana ny antony ny blaogy  Blog de Ramón [amin'ny fiteny espaniola]:

…cuando esta empresa comienza a brindar el servicio de Internet, en uno que otro lugar del país, hacen un mercadeo masivo que después no saben que hacer con la demanda por que no dan abasto, no actualizan las “centralitas” a tiempo, por supuesto que las personas optan por el servicio DSL por ser menos costoso que el inalámbrico, cuando pasa esto las personas quedan con su contrato en la mano y en espera a que algún día llegue el servicio, ahh y otra de las excusas es que nunca tienen modems además que tienes que esperar como tres meses si es que todo esta bien si no… 

….raha vao manomboka manolotra fidirana amin'ny aterineto ao amin'ny faritra na any an-kafa io orinasa io ary manao dokambarotra marobe, avye eo tsy afaka manome fahafaham-po amin'ny tolotra, satria tsy nataony mifanaraka amin'izany ireo foibe misy ireo fifandraisandavitra ; rehefa, mazava ho azy, misoratra fanjifàna amin'ny ADSL ireo mpanjifa, satria mora kokoa noho ny finday, dia mahazo fanekena eny an-tanany ireo mpanjifa avy eo, manantena fa indray andro any ho azo ny tolotra nampanantenaina ; tsy manana modems ampy akory izy, antony iray hafa koa, ary dia tsy maintsy miandry telo volana, raha toa mizotra tsara, raha tsy izany…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.