Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

29 Mey 2018

Tantara tamin'ny 29 Mey 2018

Martinika : Ireo Andriana Farany Tao Amin'ireo Nosy

...hetsika nateraky ny fisaintsainana manodidina ny ampihimamba ara-toekarena ataon'ny fianakaviana vitsivitsy...Tsy maintsy iomanantsika koa ny fikisahan'io ho amin'ny resaka fanavakavahana volonkoditra sy fankahalàna vahiny izay mazava ho azy fa ho lavina ny filazàna azy amin'izany fomba fiantso izany, samy mahafantatra isika rehetra fa mandeha zotra tokana ny fanavakavahana volonkoditra sy...

Noho ny faneren'ny mpitandro ny filaminana, “miantona amin'izao fotoana izao” ny Beirut Pride 2018

"Fantatra hatrany amin'ny fanajana ny fahasamihafana i Libanona sy ny filazana fa firenena tsimialonjafy ho an'ny olom-pirenena REHETRA, na dia eo aza ny fahasamihafana. "

Kosta Rika : Miaro Ny Tontolo Iainana Ve Ny Toeram-Pitrandrahana Mitafo Lanitra? Tsia, Hoy Ireo Blaogera

Nampiaka-peo ireo blaogera ao Kosta Rika nampaneno ny lakolosim-panairana hanoherana ilay fanapahankevitry ny governemanta hamela tetikasa iray hanapaka ala aminà hektara maro ho an'ny toeram-pitrandrahana volamena mitafo lanitra ao akaikin'ny sisintany iarahany amin'i Nikaragoa.

Manorina Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Aterineto

Nanangana tetikasa iray vaovao amin'ny tambajotra, natokana ho an'ireo tanora (DOTCOM) ny birao misahana ny Fanabeazana sy ireo Raharaha Ara-kolontsaina ao Etazonia an'i Amerika mba hialàna ami'ireo fitsaràna an-tendrony a sy ireo fahatsapàna nifanipaka.

Arzantina: Fandraisan'ny Fanjakana An-tanana Ny Tahirim-bola Fisotroan-drononon'ny Tsy Miankina

Nanambara ny governemanta arzantina fa hametraka volavolan-dalàna eo amin'ny Kaongresy izy mikasika ny fandraisan'ny fanjakana ny rafitra fandraisana fisotroan-drononon'ny tsy miankina, ireo AFJP.

Valopolo taona taty aoriana, mbola mifampitsara an-tendrony ny Jordaniana sy ny Palestiniana

Raha niteraka fahatsapana fandriampahalemana eo amin'ny vahoaka roa tonta ny fiaraha-miaina nandritra ny fotoana, dia tsy mbola misy ny firindrana tanteraka. Ny fanambadiana sy ny fanatanjahan-tena no roa amin'ireo sehatra izay mbola ahafahantsika mahita mazava kokoa ireo fihenjanana.

Japana : ‘Yoshiharu Habu sy ny Shogi maoderina’, tetikasam-pandikanteny ifarimbonana

Nahita masoandro tampoka teo ny tetikasa fandikan-teny fanaovan-tsoa iray mba handikana ho amin'ny teny anglisy ny sanganasan'i Mochio Umeda, mitondra ny lohateny hoe “Mijery ny Shogi-n'i Silicon Valley - Habu Yoshiharu sy ny Vanim-potoana maoderina” (シリコンバレーから将棋を観る-羽生善治と現代). Tsy ampy herinandro ny namitana azy iray manontolo.

Antilles : Eo an-dalam-pitadiavana ny vahoaka Karaiba

Nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2009, nanontany tamin'ny fomba samihafa ny momba ny mari-panondroana azy ireo, ny lovam-pireneny sy ny zavatra iainany amin'izao fotoana izao ny Indiana Tandrefana .

Japana : Iza no inoana mikasika ny balafomanga Koreana Tavaratra?

Ny Alahady 5 Aprily 2009, nandefa balafomanga mahataka-davitra Taepodong-2 izay niampita an'i Japana talohan'ny nianjerany tany amin'ny Ranomasimbe Pasifika i Korea Avaratra.

Japana : Ahoana ny fahitana ny Tranonkala Japoney (2)

Manasongadina ny sasany amin'ireo adihevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter ny Fizarana faharoa sy ny fizarana fahatelo amin'ity lahatsoratra ity taorian'ny antsafa nampiadihevitra "Mandiso fanantenana ny habaka Japoney": Antsafa niarahana tamin' Atoa Mochio Umeda".