Noteren'ny fihetsiketsehana, nampitomboin'ny governemanta Boligara ny famatsiam-bola amin'ny fitsaboana ankizy

Ankizy mandihy ao an-tanànan'i Zimitsa, Bolgaria tamin'ny taona 2011. sarin'ny Tafik'i Etazonia avy amin'i Maj. M. B. Gorospe, Azon'ny rehetra ampiasaina.
Miharihary ny fepetra fadiranovana eo amin'ny fitsaboana ny ankizy ao Bolgaria taorian'ny fampitandremana nataon'ny filohan'ny departemantan'ny fandidiana ao amin'ny hopitalin-jazakely fitsaboana aretim-po ao Sofia fa mety ho voatery hikatona ity hopitaly ity.
Namoaka ny fampitandremany tamin'ny fiandohan'ny taona 2018 ny Dr. Stoyan Lazarov, noho ny tsy fahampian'ny mpiasan'ny fitsaboana. Nanaitra ireo ray aman-dreny manan-janaka tsaboina ao amin'ny hopitaly izany, ka nanangana pejy Facebook antsoina hoe “Andeha ampiana ny hopitaly tsara indrindra fitsaboana aretim-po ho an'ny ankizy eto amin'ny Balkana” izy ireo ary nanomboka nanao fihetsiketsehana.
Namoaka taratasy misokatra ho an'ny filoha Boligara tao amin'ilay pejy Facebook izy ireo:
Ние, родителите, възрастните пациенти с ВСМ и близките на деца със сърдечни малформации се обръщаме към Вас за съдействие, да не се допусне Детската кардиологична клиника към Национална кардиологична болница да спре да функционира. Тя е единственото място в България, където се дава шанс за живот на стотиците деца, които се раждат със сложни сърдечни малформации. Клиниката приема пациенти от цялата страна, 24 часа в денонощието.
Годишно се извършват над 400 сърдечни операции и инвазивни процедури на деца от 0 до 18 г. Те биват оперирани и спасявани в клиниката, а впоследствие и проследявани през годините.
Izahay, ray aman-dreny, olon-dehibe manana olana ara-pahasalamana manaranaka momba ny fò sy olona akaiky ireo ankizy manana olana momba ny fò dia miantso anao handray fepetra, mba tsy hamela ny hopitaly fitsaboana fo ho an'ny ankizy, sampan'ny hopitalim-panjakana fitsaboana fo, tsy hiasa intsony. Ity no hany toerana hitsaboana ireo ankizy teraka manana tsy fetezana eo amin'ny fo eto Bolgaria. Mandray marary manerana ny firenena, 24 ora isan'andro ny hopitaly. Raha ny tahiry isan-taona, fitsaboana sy fandidiana fo 400 no tontosaina amin'ny ankizy vao teraka hatramin'ny 18 taona. Didiana izy ireo ary velona soa aman-tsara ao amin'ny toeram-pitsaboana ary araha-maso hatrany.

Pikantsarin'ny pejy Facebook “Andao avotana ny hopitaly tsara indrindra fitsaboana fo ho an'ny ankizy eto Balkan”.
Niezaka nampiasa fitaovana antserasera hafa ny olom-pirenena voakasika mba hanao fanentanana, saingy voafetra ny fahombiazana. Ohatra, olona 1.443 ihany no nanasonia ity fanangonan-tsonia navezivezy tao amin'ny Facebook ity, na dia teo aza ny antso tahaka ity avy amin'ilay mpisera antsoina hoe Julia Raicheva:
Да не допуснем това да се случи! Децата и младежите са богатството на цялата държава ! Нека подкрепим прекрасните лекари и сестри, които спасяват живота на децата ни !
Aza avela hitranga izany! Harenan'ny firenena manontolo ny zanatsika sy ny tanorantsika! Andeha hanohana ireo dokotera sy mpanampy mpitsabo, izay manavotra ny ain-janatsika.
Ho setrin'ny fanambaran'i Lazarov, mitady hanifika ny tsiny ho any amin'ny fitantanana ny hôpitaly ny minisitra lefitry ny fahasalamana, Zheni Nacheva. Namaly ny talen'ny hôpitaly, Anna Kaneva, tamin'ny filazana fa “somary tafahoatra” ny fanambaran'i Lazarov ary “mampalahelo” ny fiampangana ataon'ny minisitra lefitra.
Tsy fahampian'ny dokotera, fitsaboana tsy ampy ho an'ny ankizy, ary hôpitaly bokan-trosa
Na dia izany aza, tsy irery ny hôpitaly amin'ny tolona ataony.
Tamin'ny taona 2015, eo amin'ny 6,6 amin'ny zazakely 1.000 no maty am-piterahana tany Bolgaria, araka ny filazan'ny Fikambanana ho an'ny Fiarahamiasa sy Fampandrosoana Ara-toekarena (OECD) fanta-daza amin'ny tontolon'ny fahasalamana ao Bolgaria. 80 isanjato mihoatra noho ny tahan'ny ao amin'ny Vondrona Eoropeana 3,6 amin'ireo zazakely 1.000 izany.
Nampiseho ihany koa ny fanadihadian'ny OECD fa ao amin'ny faritra provinsialy, in'efatra hatramin'ny in'enina avo heny noho ny any an-drenivohitra ny taham-pahafatesan'ny zazakely, ary mitranga amin'ny fotoana alohan'ny hiterahana ny 72 isanjaton'ny fahafatesan'ny zazakely amin'ny ankapobeny (izany hoe fotoana fohy alohan'ny ahaterahana, mandritra ny fahaterahana na hatramin'ny herinandro aorian'ny fahaterahana) na noho ny tsy fetezan'ny zazakely tany am-bohoka, ary iray amin'ireo tranga tsaboina ao amin'ny hopitalin-jaza fitsaboana fo izany.
Bolgaria, izay manana mponina 7 tapitrisa, dia manana mpitsabo mpandidy ankizy 10 monja, ary mpitsabo ankizy 400 no ilaina amin'izao fotoana izao mba hamenoana ny tsy ampy. Mitaraina noho ny tsy fisian'ny mpanampy mpitsabo ao amin'ny sampana mila fitsaboana haingana ireo mpitsabo fo ao amin'ny sampana fitsaboana ankizy. Olana hafa ny fitomboan'ny taonan'ireo dokotera: maro no efa 55 taona mahery ary mbola miasa na dia tokony efa misotro ronono aza izy ireo.
Raha ny momba ireo neonatolojista, na dokotera manokana mitsabo zaza vao teraka, indrindra ireo marary na teraka tsy tonga volana, mihoatra ny 50 taona ny ankamaroan'ireo miasa any amin'ny hopitaly lehibe ao amin'ny firenena, araka ny fijoroana vavolombelona nandritra ny dinika parlemantera ambany tafontrano momba ny fitsaboana zaza tamin'ny taona 2017. Tsy manana neonatologista mihitsy ireo hôpitaly madinika ao Bolgaria. Tsy mahasarika tanora hiasa ivelan'ny tanàna lehibe ny hôpitaly, ary tanora maro no maniry hiasa any amin'ny hôpitaly tsy miankina fa tsy any amin'ny toeram-pitsaboana ara-panjakana.
Olana ny tsy fisian'ny famatsiam-bola. Tobim-pahasalamana monisipaly Boligara miisa 150, sy hopitaly 20 no nakatona nandritra ny folo taona farany noho ny tsy fahampian'ny vola, araka ny lahatahirin'ny Sendikan'ny Hôpitaly Monisipaly. Hôpitaly 31 no manana olana ara-bola goavana, anisan'izany ny 10 izay tsy afaka mandoa karaman'ny mpiasa noho ny trosa.
Ao an-tanànan'i Dimitrovgrad, ohatra, tsy nahazo ny karamany feno nandritra ny roa taona misesy ny mpiasa. Na dia any Sofia aza, miatrika fanakatonana ny sampana fitsaboana manokana ho an'ny vehivavy (gynekôlôgy) ao amin'ny Hopitaly Maroendrika Faharoa. Gynekôlôgy 8 monja sy manam-pahaizana momba ny neônatôlôjia iray ihany no ao amin'ny hopitaly.
Tamin'ny janoary 2018, nikarakara fihetsiketsehana ny sendikan'ny Hopitaly Monisipaly ao Bolgaria mba hanohitra ny “fanimbàna ny toeram-pitsaboana monisipaly tao anatin'ny taona vitsivitsy sy ny tsy fahampian'ny fepetra fanavotana sahaza.”
Fandresena kely, saingy ilaina ny fanovàn-drafitra
Ho an'ny taona 2018, na dia izany aza, nanome famatsiam-bola teo amin'ny 285 tapitrisa lev boligara (146 tapitrisa euros) hitsaboana ankizy ny fanjakana, na eo amin'ny 12% amin'ny tetibolan'ny Tahirim-bola Fiantohana ny Fahasalamana ao amin'ny Firenena mitentina 2,4 miliara lev boligara izany, tarehimarika (vola) izay voatsikera fa ambany loatra.
Ho setrin'ny fihetsiketsehana sy ny olana ara-bola goavana eny amin'ny hopitaly, nampian'ny minisiteran'ny fahasalamana 150 tapitrisa (77 tapitrisa euros) tamin'ny volana Febroary 2018 ny famatsiam-bola ho an'ny clinical pathways [toeram-pitsaboana eny ifotony?]—fitaovana lehibe indrindra nampiasaina hitantanana ny kalitaon'ny fitsaboana sy hanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana. Nampiana 400 tapitrisa (200 tapitrisa euros) ny tetibolam-panjakana ankapobeny ho an'ny fahasalamana. Nampitombo atsasany ny isan'ny [toeram-pitsaboana eny ifotony?] izany, indrindra ho an'ny fitsaboana ankizy sy ny fitsaboana havokavoka, ary ny fitsaboana ho an'ny vehivavy, ny hozatra ary ny tsy fetezana hatrany am-bohoka.
Amin'izao fotoana izao farafaharatsiny, heverina fa fandresena ho an'ny fitsaboana ankizy ireo fepetra ireo. Saingy mbola hifantarina raha ampy hahatonga ny hopitaly hiasa araka ny tokony izy ny fanomezana famatsiam-bola vaovao. Nisy ireo olona nitsikera ny fepetra vaovao ho tsy ampy sy miteraka fandrahonana ho an'ny hopitaly sasany ao amin'ny faritany.
Nilaza ny minisitry ny fahasalamana ao Bolgaria, Kiril Ananiev, na dia izany aza, fa na dia eo aza ny fampitomboana ny famatsiam-bola, raha tsy misy ny fanovan-drafitra, tsy ho tratra ny fanatsarana ilaina. Nilaza i Ananiev fa vonona hiandraikitra amin'ny fanolorana maodely vaovao ho entina hodinihin'ny ankolafy rehetra izy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...