
Ilay kodia Ferris famantarana, ampahany tamin'ny fialamboly tao amin'ny kianja Pripyat izay voalahatra hosokafana tamin'ny 1 May 1986. Saripika an'i Keith Adams tao amin'ny Wikimedia Commons. Sehatra ho an'ny daholobe.
Ny 26 Aprily 1986, nitrangàna loza iray nahatsiraivina tao amin'ny toby nokleary famokarana herinaratra tao Chernobyl. Toy ny zava-nahazatra iray efa fanao amin'ny fitaovana elektrika ny famonoana nomanina hatao an'ilay “réacteur”. Na izany aza, segondra vitsy taty aoriana, nisy fipoahan-javatra simika iray namoaka karazan-javatra niisa 520 tany ho any mitondra taratra mahafaty ho eny amin'ny atmôsfera. Valo amby telopolo taona aty aoriana, lazain'ireo manampahefana belarosiàna fa 12 isanjaton'ilay firenena no mbola misy poizina.
Ny Toby Nokleary Famokarana Herinaratra ao Chernobyl dia any akaikin'ny tanànan'i Pripyat ao avaratr'i Okraina, tao anatin'ny faritra RSS Okrainiàna, manakaiky ny sisintany iraisany amin'ny RSS Bielôrosiàna. Lasa haolo ny tanànan'i Pripyat hatramin'ny taona nisehoan'ilay loza, ary nisy famoronana faritra iray manana tàna (rayon) mirefy 30 km natao tsy azo ivezivezena manodidina ilay toby. Olona mihoatra ny 100.000 no nesorina tao amin'ilay faritra.

Kianjan'ny Toby Nokleary ao Pripyat. Saripika an'ny tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 4.0
Any avaratr'ilay ampahany okrainiàna amin'io faritra tsy azo ivezivezena io no misy ny Fanjakàn'i Polesie ahitàna ny Radiation-Ecological Reserve, izay tafiditra amin'ny zaratanin'ny Repoblikan'i Belarosia. Toeram-ponenana 96 no lasa haolo ao amin'ilay faritra, izay nisy 22.000 ireo mponina nonina tao talohan'ilay loza ary nafindra tamin'ny 1986.

Toeram-pisavàna tao Bragin, eo amin'ny toeram-pidirana ny Radiation-Ecological Reserve, ao amin'ny Fanjakan'i Polesie. Saripika an'i Showmeheaven tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY 3.0 DEED.
Araka ny mediam-panjakàna belarosiàna, tany amin'ny fiafaràn'ny Aprily 2024, nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety, tao Belarosia, nilaza i Leonid Dedul, lefitra voalohan'ny filohan'ny Fanarahamaso Atômika ao amin'ny fanjakana fa:
Vokatry ny fipoahana sy ny firehetana, 200 eo ho eo ireo karazan-javatra mitondra taratra mamono, izay ny antsasa-paharetany dia mety ho ora vitsivitsy ka hatramina an'arivo taona, no niparitaka teny amin'ny atmôsfera, Belarosia no tena voa mafy amin'izany. Ohatra, raha raisintsika ny “radionuclide cesium-137″, dia 35 % amin'ny fatra rehetra nilatsaka no teto amin'ny firenentsika. Io “radionuclide” io no manome ny 90% amin'ireo fatran-taratra mahazo ny vahoaka. Nandritra ny vanim-potoana taorian'ilay loza, nihena hatramin'ny antsasany ny haben'ny faritra voapoizin'ny cesium-137 ao Belarosia, ary ankehitriny dia 25.500 km² any ho any, izany hoe 12% amin'ny velarana manontolon'ny firenena.
Amin'izao fotoana izao, maherin'ny 2.000 ireo faritra misy mponina no tafiditra any anatin'ireo faritra tratry ny taratra mahafaty, misy vahoaka manodidina ny 930.000 (ankizy ny 185.000 amin'ireo) miaina any anatiny any.
Na nitatitra momba ny fahombiazan'ilay fandaharanasa Chernobyl hiatrehana ireo vokadratsy ara-toekarena, sôsialy sy ara-tontolo iainana naterak'ilay loza nahatsiravina aza ireo media tohanan'ny fanjakàna belarosiàna, dia misalasala momba izany ireo izay monina any ivelan'ny firenena.
Alyaksandr Lukashenka, izay mpitondra ao Belarosia efa ho 30 taona izao, dia nilaza fa nandeha tsara ilay fandaharanasa ka “nandresy niatrika an'i Chernobyl.”
Kanefa, ilay Belarosiàna mpahay tantara, Alexander Fridman, mihevitra fa milalao ny fahatsiarovana sy ny fijerin'ny daholobe ny fitondràn'i Lukashenka, amin'ny alàlan'ny fampielezankevitra ataony momba ilay loza nahatsiraivina. Ireo tanjona ara-toekarena, hoy izy, ary ny fahafahana mampiasa ireo faritra voapoizina ho an'ny tombontsoan'ny tenany, no milina manodina ny fandaharanasa Chernobyl ankalazain'i Lukashenka. Ao anatin'ny lahatsorany fanehoankevitra ho an'ny DW, milaza izy fa natao tsinontsinona ireo olona ary nampiharana faneriterena ireo fikarohana izay nampiseho fiantraika ratsy be tamin'ny fampiasàna ireo tany, eny fa na taona marobe taty aoriana aza.
Iray tamin'ireo mpikaroka i Yury Bandazhevsky, tale fahiny tao amin'ny Ivontoeram-Pitsaboana tao Gomel, mpahay siansa nikaroka momba ny fiantraikan'ny loza nahatsiravina tao Chernobyl. Nohelohina valo taona an-tranomaizina tao Belarosia izy tamin'ny 2001. Araka ny voalazan'ireo vondrona marobe mpiaro zon'olombelona, Dr. Bandazhevsky dia gadra noho ny fanehoam-pijery. Vetivety foana ny nisamborana azy, taorian'ny namoahany ireo tatitra manakiana ny fikarohana ôfisialy natao momba ny zava-nitranga tao Chernobyl.
Navotsotra narahana fepetra izy tamin'ny 2005, ary ankehitriny dia any Okraina no miasa. 30 taona aty aorian'ilay loza nahatsiravina, i Bandazhevsky dia nilaza nandritra ny iray tamin'ireo antsafa nataony ho an'ny DW hoe:
Izaho mino fa na telopolo taona taorian'ny loza nahatsiravina tao Chernobyl aza, tsy nisy zavatra niova firy hahafahana miaina tsy amin'ahiahy sy manao asa fambolena any amin'ireny faritany ireny. Eny, ny haavon'ny taratra cesium-137 sy strontium-90, izay manana ny antsasa-paharetana eo amin'ny 30 taona eo, dia tena nihena tokoa. Na izany aza, ny antsasa-paharetan'ny cesium dia an'ny barium, izay sarotra vao tafavoaka avy ao anaty sela.
Niditra any anaty tany ireo “radionuclides”, lasa any anatin'ny rojo biôlôjikan'ny zavamaniry, ny biby ary ny olombelona, mahavoa ireo sela tena saropady any anatin'ny taova. Nataon'ireny [manampahefana ireny] ho tsinontsinona io, izay miteny fiainana tsy amin'ahiahy any amin'ireo faritra voakasika tamin'ilay loza avy amin'ny toby nokleary famokarana herinaratra.
Nanomboka nanaovanay fandalinana ireo fiovàna nitranga tamin'ny vatan'olombelona tratry ny taratra radioactif nandritra ny dimy taona farany taorian'ilay fipoahana. Tamin'izany fotoana izany, voarakitray ny fisian'ny aretina henjana nahazo ny taova anaty — atidoha, fo, ary ny rafitra “endocriniens” — izay azo tombanana ho vokatry ny fifampikasohana nivantana tamin'ny taratra radioactif. Nefa ireo manampahefana [belarosiàna] dia tsy te-hampifandray ny antony sy ny vokatra. Mandritra izany fotoana izany, tao amin'ny distrikan'ny Vetka ao Belarosia, marobe ireo ankizy nanaovanay fanarahamaso tamin'ny 1993-1995 no maty.
Tsy maintsy jerena ihany koa hoe ireo tra-doza dia nisy koa ireo olona nipetraka lavitra ny faritr'i Chernobyl, saingy nanjifa ny vokatra avy any. Tao Belarosia, taorian'ny loza tao Chernobyl, ny sasany tamin'ireo olontsotra “fetsifetsy” dia nanita-kevitra nanafangaro ny vokatra “madio” tamin'ireo “voaloto”. Tao amin'ny faritra Gomel, nafenina tany am-boalohany ireo tany voapoizina, dia nampiasaina tamin'ny fomba niafina, avy eo nibaribary, hamokarana vokatra avy amin'ny fambolena, novokisana voa avy any ireo biby fiompy tany. Nitohy naparitaka nanerana ny repoblika ireo vokatra avy tao. Amin'izao fotoana izao, ny toedraharaha dia tonga amin'ny teboka iray izay anasokajiana indray ireny faritany ireny ho “madio”, mampihena araka izany ny vesatra sôsialy.
Tamin'ny Oktôbra 2023, araka ny nitateran'ny media azy, tafiditra ao anatin'ny pôlitikam-pamoretana misy amin'izao fotoana izao mahazo ny firaisamonim-pirenena, dia nakaton'ny fitsaràna iray tao Belarosia ny ONG iray, Ankizin'i Chernobyl, izay nanampy ankizy an'arivony maro avy amin'ireo faritra voapoizina mba hitsidika ireo firenena eorôpeàna handraisan-dry zareo ny fitsaboana sy tohana ara-tsaina. Fanampin'izany, efa nandritra ny ho roa taona mahery hatramin'ny nanombohan'ny fananihambohitra midadasika ataon'ny Rosiàna ao Okraina (tohanan'i Lukashenka), tsy mampita mihitsy izay fikarohana na olana hafa momba an'i Chernobyl ho an'ireo firenena hafa i Belarosia, ankoatra ireo fihaonana zara fa misy ifanaovany amin'ny IAEA, hoy ny tatitry ny mediam-panjakana baelarosiàna. Araka izany, tsy ho vita mihitsy ny hampanao tombana iandraiketan'ny tsy miankina momba izay zava-misy any amin'ireo faritra voapoizina ao Belarosia. Ny azo antoka dia ny mieritreritra hoe mandra-pirodan'ny fitondran'i Lukashenka, tsy ho fantatry ny olona rehetra, na ny ao anatiny, na ny any ivalen'ilay firenena velively, izay sandan'ny tena izy naloan'i Belarosia tamin'ilay loza nahatsiravina nitranga tamin'ny 1986 tao Chernobyl.