Ireo Tantara Tianay Hotantaraina Ao Amin'ny Global Voices: Andrana Iray.

Jessica Anderson, Belen Febres-Cordero, sy Arash Aziz manavao ny pejy fandraisan'ny Global Voices tamin'ny fihaonan'ny mpanoratra ao amin'ny efitrano famoahambaovao tao amin'ny Hotely Mount Lavinia, Colombo, Sri Lanka. Sary nalain'i Sahar Habib Ghazi. CC-BY-NC.

This post is part of series of reports on newsroom activities at the Global Voices Community Meeting in Colombo, Sri Lanka on Nov 28-Dec 1, 2017…. Ampahany amin'ireo andiana fanadihadiana momba ireo hetsikin'ny efitrano famoahambaovao amin'ny Fihaonan'ny Vondrompiarahamonina Global Voices tany Colombo, Sri Lanka ity lahatsoratra ity.

Iray andro tsy anombohan'ireo fihaonana tao Colombo niarahana tamin'ireo mpikambana 130 ao amin'ny vondrompiarahamonina, nifamory iray andro handinika sy hisaina momba ny hoavintsika ireo toniandahatsoratra ao amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices sy ireo mpikambana ao amin'ny fitantanana.

Tao amin'ny lahatsoratra mialoha ity, nomaney ny topimaso momba ny fomba nanamboaranay ny fandaharam-potoana ho an'ny fihaonan'ny efitra famoahambaovao, ny resakay momba ny iraka efaina, momba ny vondrom-piarahamonina ary ireo tantara tianay ho tantaraina. Fanarahana maso ireo lahatsoratra farany tamin'ny tantara ity lahatsoratra ity.

Tamin'ny ampaham-potoana faharoan'ilay fihaonan'ny mpitantana, nizara ho vondrona misy olona dimy ireo toniandahatsoratra ao amin'ny efitrano famoahambaovao sy ireo mpitarika tetikasa mba hieritreritra ny pejy fandraisana heverina ho mendrika amin'izy ireo, izay ahitana ohatra dimy amin'ireo tantara tian'izy ireo ho tantaraina ary mifanaraka amin'ny iraka efain'ny GV. Afaka foronina tanteraka na miainga amin'ny zavatra tena misy amin'ny fiainana ireo tantara ary heverina fa maneho ny fahasamihafan'ny faritra sy lohahevitra.

Manavao ny pejy fandraisana amin'ny Global Voices.

Niafara taminà tantara momba ny fahalalahana miteny sy hafa momba ny zon'olombelona ilay fikaonandoha, hatramin'ireo tantaram-pifandraisana miampita sisintany sy ireo ezaka hanova ny toejavatra efa tsy niova hatrizay.

Ireto ireo pejy fandraisana navaozina noeritreretinay:

Pejy fandraisana 1:

  • Feo miatrika fitsarana: Blaogera Marôkanina efatra miatrika famonjàna noho ny hafatra tao amin'ny Facebook.
  • Ady ho an'ny herisetra atao amin'ny vehivavy: fijery latinô-amerikanina (rakotra manokana)
  • Ao amin'ny tsenam-boky ao Baghdad: Marquez eny amin'ny arabe Arabo.
  • Inona no nitranga tamin'ny fitsarana ireo mpitsoaponenana ao Balkàna?
  • Lahatsary: Nampiakatra feo nanohitra ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany midadasika be ao Filipinina ireo vahoaka Luman indizeny.

Pejy fandraisana 2:

  • Topimaso (Tetezana novaina): Toa izao rehefa polisy vavy mainty ao Espaina.
  • Fandalinana: Ahoana ny fomba ampihorohoroan'ny hery ankavia manerantany ny mpanohitra.
  • Ny fanoherana: Ahoana ihany koa ny naneken'i Tonizia ireo “graffiti” mba hanoherana ny kolikoly.
  • Mivoaka Faritra: Maninona i Brezila no mandika “manga” bebe kokoa miohatra amin'ny any an-toerana hafa?
  • Tombotsoan'ny olona: Tsy misy mahalala hoe nahoana no lasa sary mahatsikaiky ao Brezila io mpihira Rosianina io

Niantso ny tenan'izy ireo ho “Tsy Afa-po” ny vondrona faharoa ary te-hahita bebe kokoa : tafatafa (manana loharanon-kevitra hitantarana tantaran'olona, mitantara tantara amin'ny fomba fiteniny)
– tantara momba ny fanoherana.
– famakafakàna/adihevitra ( Tetezana misimisy kokoa; tokony hahavita hanitsy ireo tantara fanelanelanana – toy ny Tetezana mampifandray – ireo toniandahatsoratra any amin'ny faritra fa tsy hoe mivangogo eto fotsiny)
– mivoaka faritra / tantara ifandrimbonana
– tombotsoan'ny olona / tantara ara-kolontsaina / tantaran-tsaka / tantara mampiomehy.

Pejy fandraisana 3:

  • Mihoatra ireo lohateny lehibe: Mbola eo amin'ny fahefana foana ry Mugabes.
  • Any Goatemalà, mety hidika ho fiainana na fahafatesana ny fidirana amin'ny WhatsApp.
  • Taorian'ny fanafihana tao Charlottesville, nalain'ny vondrom-piarahamonina ao Etazonia ny fomba fanao Afrikana Tatsimo, ny marina sy ny fampihavanana.
  • Ny antony ibahanan'i Bangladesh tranonkalam-baovao Indianina iray monja.
  • Mampiasa fiteny mihoatra ny 1.500 ireo mpampiasa ny Facebook — nefa 40 monja no teny fampiasan'ny Facebook.


Pejy fandraisana 4:

  • Ady sy fandriampahalemana: Saodianina sy Iranianina manohitra ireo mpampiady.
  • Fifandraisana tsy mahazatra: Mbola miresaka momba ny fitsidihan'I Mohamed Ali foana ireo olona ao Ozbekistana.
  • Tantaran'ny sakafo: Namorona ny fomba fanamboarana divay ve ity monastera Libaney ity?
  • Ireo feo an-jorom-bàla: Ahoana ny fomba fampiasan'ireo olona nanova fananahana ao Pakistana ny media sosialy mba hanetsehana.
  • Fifantohana amin'ny fanoherana: Manararoatra ny olan'ny fahasalamam-bahoaka ao Venezoelà ireo (dokotera) mpimasy.

Pejy fandraisana 5:

  • Nahita marimaritra iraisana tany amin'ny famoriambahoaka Trump ny mpikatroka iray mpiandany amin'ny fiainana sy mpanohitra ny fanalàna zaza.
  • Mety ho lasa fetran'ny sivana ao Jordania ny fahitsiana ara-politika.
  • Mety ve raha sady pelaka ianao no Jamaikanina?
  • Avelao ho any ireo nononao: Ny politikan'ny fampinonoana eny imasom-bahoaka any Madagasikara
  • Iza no manome feo ho an'ireo zon'ny nanova fananahana ao Ogandà?

Ireto ireo lahatsoratra tany aloha tao amin'ity andiany ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.