Shina: Mpanao Bilaogin-dahatsary Nanampy Ankizy Miasa Hiverina An-Tsekoly

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Xu Alun, mpanao horonantsary bilaogy efa zokinjokiny mamerimberina fa “Ny marina no fahefana”, namoaka andiana horonantsary manafintohina nataony irery ao Ku6.com, tranonkala fizarana horonantsary malaza ao Shina. Tao anatin'ny fandrakofana mitohin'ny tantara telo, nampiseho tantara mampihetsimpo an'ny ankizy telo mpitatitra arintany ao Biji, tanàna kely ao Atsimo, miaraka amin'ny fisoloana vava mahomby eo amin'ny aterineto an'ny vondrona QQ nalamin'i Guo Jun, mitady hivezivezy eo anivon'ny mponina ny tantara, namoha ny fanahian'ny vahoaka. (Eto tsindrina mba hijerena ny horonantsary miaraka amin'ny dikanteny Anglisy)


(Ny horonantsary voalohany “Ankizy Mpitatitra Arintany” navoakan'i Alun tamin'ny 10 Febroary)

Eo amin'ny olona antsasan'ny tapitrisa no nanindry ny horonantsarin'i Alun nanomboka ny namoahany ny asany voalohany an'ny ankizy mpitatitra arintany tamin'ny Febroary. Niaraniasa tamin'ny Ku6.com, nanomboka nanao fanomezambola ho an'ireo ankizy telo ny mpampiasa ny aterineto mba hanampiana azy ireo andeha any an-tsekoly, ary farany, teo ambanin'ny tsindry mitombo avy amin'ny fisoloana vavan'ny Aterineto, nanapa-kevitra ny hirona ao amin'ny fandaharana fanampiana ny governemanta an-toerana, izay nampisondrotra ny antony. Mpanao bilaogy horonantsary Alun, ny mpamorona ny hetsika manontolo, nanatrimaso an'ny fandehan'ny fanampian'ny governemanta ary namoaka horonantsary roa manan-danja tao amin'ny bilaoginy.

“Mihoatra ny eritreritro ilay izy, tsy nihevitra aho fa hisy mpampiasa aterineto mafana fo betsaka hanohana ahy ,” hoy i Alun, “Tamin'ny voalohany, hanaparitaka ny tantara amin'ny alalan'ny Aterineto no tiako atao.” “Mihevitra aho fa amin'ny maha-olompirenenan'ny Repoblikan'ny Shina, anjarantsika sy adidintsika ny mampiseho ny tranganjavatra ratsy ao amin'ny fiarahamonina.” Araka ny mpandray anjara mavitrika hafa amin'ny hevitra, mpandraharaha 40 taona izay zatra niasa tao amin'ny haino aman-jery nandritra ny 10 taona mahery i Xu Alun ary manana efitra fiasana azy irery izay ao no atao ny horonantsariny fanadihadiana. Manana fanantenana momba ny toetsain'ny mponina mpampita vaovao izay miasa arakarakin'ny bilaoginy, BBS sy fandaharana mpanome hafatra eo no eo ao Shina, miaraka amin'ny fisoloana vavan'ny horonantsary bilaoginy izy.

Ireo vondrona roa QQ izay nilalao toerana tena ilaina ho an'ny hevitra vao maika nampahery ireo mpikambana vaovao mba hanaparitaka ny fandaharana fanampiana ho an'ny fampiasana ny ankizy ary nanampy azy ireo ho tonga foiben'ny vaovao izay afahan'ny olona mahazo ny vaovao farany momba ny ankizy mpitatitra ny fifandraisana akaiky amin'ny horonantsarin'ny mpanoratra. Kanefa, tsy fandehanantsambo tsotra ny hetsika eo amin'ny aterineto eo anivon'ny tsy fahatokisan'ny Sinoa an'ny Aterineto. “Raha ny tena izy, ambany tsindry be izahay rehetra. Olona be dia be no nijery anay ary nanana ny heviny manokana momba ny zavatra nataonay,” hoy i Guo Jun, ilay namorona ny vondrona QQ voalohany ho an'ny fisoloana vavan'ny horonantsary bilaogin'ni Alun, “ny olona sasany miteny fa adala izahay ary miresaka tsy misy hetsika fotsiny ary nisy izay nino fa hosoka izy ity.” “Kanefa, rehefa mahatsiaro reraka aho, mijery ny horonantsary aho. nahatonga ahy hanohy ny fijalian'ireo ankizy.”

.Fanehoankevitra eo amin'ny horonantsary bilaogin'i Alun:

作者:zaoB
童工~哎~这世道~真实的~~~残酷的~

 Mpanoratra: zaoB
Zaza miasa~indrisy~tena~loza be~ity tany ity~

作者:wtz128
不管怎么样,这样的舆论是很好的,支持~!!

 Mpanoratra: wtz128
Na dia izany aza, tsara ny feon'ny vahoaka tahaka izay. Manohana~!!

作者: 游客
贫困儿童无数.都等到媒体关注????才得救那不是杯水车薪!!!!

 Mpanoratra: vahiny:
Maro ny ankizy mila fanampiana. Afaka mahazo ny fijerin'ny haino aman-jery daholo ve izy ireo???Mihoatra kelin'ny rano mitete mianjera ao an-dranomasina ilay ankizy voavonjy teo.

作者: 游客
真的应该办点实事才对得起这个所谓的和谐社会.

 Mpanoratra: Vahiny
Tena ilaina ny manao asa mahomby mba hifanentana amin'ity fiarahamonina lazaina fa mirindra ity.

作者:游客
希望政府多关心关心弱势群体。

 Mpanoratra: Vahiny….
Manantena fa afaka manome fijery bebe kokoa an'ireo olona sahirana ny governemanta.

作者:游客
之前干什么了,天知道还有多少这样的孩子徘徊在学校之外

 Mpanoratra: Vahiny
Inona no nataon'ny governemanta teo aloha? Andriamanitra no mahafantatra hoe ankizy firy no mbola mirenireny tsy any an-tsekoly.

作者:whq12345
只有等待故事的发生了,才想到要伸出援助之手

Mpanoratra: whq12345
Raha tsy nisy ny loza nitranga, tsy nanampy ny olona.

作者:游客
伤心啊,想不到现在的世界上还有这么坚强的小孩子,我佩服你们

Mpanoratra: Vahiny
Malahelo be aho manoloana an'io. Tsy afaka hinoana fa mbola misy ankizy mifikitra mafy amin'izao fotoana izao. Midera azy ireo aho.

作者:游客
但愿天下再多一点好心人。

Mpanoratra: Vahiny
Manantena fa mbola misy olona tsara fanahy eto ambonin'ny tany.

作者:游客
这些孩子太不容易了,他们很善良、有良心,知道用劳动换取他们所需的一切。

Mpanoratra: Vahiny
Mafy loatra ny fiainana ho an'ireo ankizy ireo. Tsara fanahy sy marina izy ireo satria fantar'izy ireo ny miaina amin'ny asa.

Araky ny horonantsary faran'i Alun, niverina tany an-tsekoly daholo ilay ankizy telo ary nanorim-ponenana indray. Miaraka amin'ny fiantraikany be an'ilay hevitra, ankizy miasa betsaka ao amin'ny tanànan'ny Bijie no hita ary voavonjy.
yangguo.jpg
Yang Guo, iray amin'ireo ankizy telo mpitatitra arintany notaterin'i Alun, mianatra ao an-dakilasy.

yangguo2.jpg
Yang Guo sy ny mpiara-mianatra aminy any an-tsekoly.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.