Niova Ny Mpitantana Ny Lingua Esperanto!

Taorian'ny taona maromaro nitantanana ny Global Voices Lingua Esperanto, nanapa-kevitra ny hitsahatra ary hijanona ho mpandika teny miaraka amin'ny ekipa i Vastalto Toniandahatsoratra Lingua. Misaotra betsaka anao Vastalto! Voninahitra ho anay hatrany ny miaraka aminao!

Vastalto, na i Hirotaka Masaaki

Fantaro i Steven Brewer , ilay Toniandahatsoratra vaovao Lingua Esperanto !

Mpampianatra mpikambana ao amin'ny UMass Amherst any Massachusetts sady talen'ny Foibe Fanovozana ny Biolojia Informatika i Steven . Mampianatra ny taona fahatelo amin'ny fanoratana lahatsoratra momba ny Biolojia izy ary mpanolotsaina amin'ny fampianarana momba ny fampiasana teknolojia ho fanohanana ny fanabeazana. Mpanoratra fanta-daza ihany koa i Steven. Ary fantaro fa tamin'ny taona 2006 i Steven no nanatevin-daharana ny GV !

Araho ao amin'ny Twitter izy @limako !

Tongasoa Steven! 🙂

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.