Rakipeo: Vovonana Global Voices Fivoriana Fahatelo Fizarana Voalohany

(Marihina fa tamin'ny 16 Desambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Misy amin'ny endrika rakipeo ny Vovonana Global Voices 2005 !! Navoaka tamin'ny endriny samihafa avokoa ny rakipeo tsirairay mba ahafahan'ny rindrambaikon'ny rakipeo rehetra mamaky izany.

Kitiho eto raha hihaino ny Fizarana Voalohany tamin'ny Fivoriana Fahatelo: Inona no mahatonga ny tontolon'ny bilaogy hahomby? (25MB, 52 min)

Nahoana ny firenena sasany no manana ny tontolon'ny bilaogy miraondraona ao an-toerana (Iran, Jordania, Kambodza sns) kanefa tsy manana izany ny hafa? Inona ny fepetra takiana ary inona no mety ho fanentanana avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices mba hanampiana amin'ny fampiroboroboana sy ny fandrisihana ny famahanana bilaogy any amin'ireo vondrom-piarahamonina izay mety handray soa betsaka avy amin'ity fampitam-baovaon'ny olom-pirenena vaovao ity?

Notarihan'i Ethan Zuckerman, niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'i Roba Al Assi (Jordania), Ory Okolloh (Kenya), Neha Viswanathan (Toniandahatsoratra Global Voices Azia Atsimo), Sokari Ekine (Toniandahatsoratra Afrika Atsimon'i Sahara), Iria Puyosa (Venezoela), Bun ThaRum Kambodza), Enda Nasution (Indonezia), Andy Young (SiberianLight), Hossein Derakhshan (Iran)

FANAMARIHANA: Nisy olana madinidinika sasany nahatonga ny fandraketam-peo tapaka tamin'ny fotoana vitsivitsy. Efa nofafana ireo fizarana nisy izany. (Rakipeo natolotr'i Benjamen Walker.)

Araho eto ny bilaogy mivantana misy ny Fivoriana Fahatelo. (Natolotr'i Angelo Embuldeniya sy SJ Klein.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.