Jereo Mivantana Ny Fifaninanana ‘Bilaogy Tsara Indrindra’ 2008

(Marihina fa tamin'ny 26 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nambara tao Berlin tamin'ny 27 Novambra 2008 ireo mpandresy tamin'ity fifaninanana Best of the Blogs (Bilaogy Tsara Indrindra-BoBs) tamin'ny taona 2008. Nisokatra ho an'ny daholobe ny hetsika. Raha tsy any Berlin ianao dia azonao jerena antserasera ny hetsika iray manontolo amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity. Na azonao atao ny mampiditra ny mpijery ao amin'ny bilaoginao ary mijery izany avy ao avy eo.

Voatendry tamin'ny sokajy Bilaogy Tsara Indrindra ny Rising Voices, tranokalan'ny Global Voices. Nifarana ny 26 Novambra ny fifidianana antserasera Mifidiana ho anay!

Ny Deutsche Welle no nanolotra ny loka, ary heverina ho anisan'ny loka lehibe indrindra ho an'ireo bilaogera izany. Bilaogy miisa 8.500 mahery, bilaogin-dahatsary sy rakipeo no voafidy hifaninana tao anatin'ny sokajy miisa 16 ho an'ny BOBs tamin'io taona io, ary 176 no tafakatra tamin'ny fifaninanana farany .

Bilaogy mivantana

Tsidiho ny The BoBs ho fampahafantarana momba ny fomba hampidirana ireo lahatsary mivantana ao amin'ny bilaoginao manokana .

Mifidiana anay!

Arahabaina ny bilaogeran'ny Rising Voices noho ny fanendrena hosafidianina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.