Ny 24 Febroary 2023 no manamarika ny faha-365 andro nanaovan'i Rosia fananiham-bohitra tanteraka tao Okraina, taorian'ilay nitranga tamin'ny 2014. Ary ho fankalazàna io tsingerintaona voalohany io, nisy vondrona avy amin'ireo Rosiàna am-pielezana nifamory mba haneho imasom-bahoaka ny fanohanany an'i Okraina ary ny fandàvan-dry zareo ny ideôlôjia imperialista sy tsy refesi-mandidy ampiharin'i filoha rosiàna, Vladimir Poutine.
Tamin'ny 2014, tsy dia nanao hetsi-panoherana firy loatra ireo Rosiana monina ao an-tanindrazany sy any ivelany rehefa nalain'i Rosia ny faritra vitsivitsy tao atsinanan'i Okraina sy Krimea. Fa niova kosa ny zavatra rehetra taorian'ilay fananiham-bohitra tamin'ny 2022. Tao Rosia, tian'ny governemanta haseho ny sarina firaisankina miaraka amin'ireo olona mivondrona manohana ny adin'i Poutine. Eny tokoa, ny 23 Febroary, nisy fiara be fitateram-bahoaka nitatitra olona efa ho 100.000 hankao amin'ny StadeLuzhki ao Moscou mba handray anjara tamina hetsika iray goavana sy kaonseritra pôlitika iray ho fanohanana ilay mbola antsoina amin'ny fomba ôfisialy foana ao Rosia ho « hetsiky ny tafika ». Kanefa, nandritra ny taona 2022, noho ny fanoherana ilay ady dia tsy nisy afa-tsy 18 andro no tsy nahitàna fisamborana olona tao amin'ilay firenena.
Fa hafa ny zavamisy any ivelany. Fikambanana marobe avy amin'ny mpanohitra avy amin'ireo Rosiàna monina am-pielezana, sy vondron'olontsotra maro hafa, no nandefa antso hanaovana hetsiky ny daholobe ho firaisankina sy fiarahana amin'ireo Okrainiàna ary ireo mpiara-dia aminy mba hanamarika ny fitsingeranan’ny 24 Febroary.
Tanatin'ireo marobe, nisy ny Free Russia Foundation, ONG iray miorina ao Etazonia mitolona hisian'ny demaokrasia ao Rosia:
We, Russians, demand the complete withdrawal of Russian troops from Ukraine’s internationally recognized territory! Let us show the world that Russians publicly condemn the actions of the Russian government. Wherever you may be, join the anti-war protest in your city on Feb 24! pic.twitter.com/bjVTE4y7Yc
— Free Russia Foundation 4freerussia.org (@4freerussia_org) February 22, 2023
Takiantsika, teratany rosiàna, ny fialàna manontolon'ireo andian-tafika rosiàna ao amin'ny tany okrainiàna izay nahazo fankatoavana erantany ! Ndeha haseho amin'izao tontolo izao fa helohin'ireo Rosiàna imasom-bahoaka ny hetsiky ny governemanta rosiàna. Na aiza na aiza misy anao, tongava hanatevina laharana ny hetsipanoherana ny ady ao amin'ny tanàna misy anao amin'ny 24 Febroary pic.twitter.com/bjVTE4y7Yc
— Free Russia Foundation 4freerussia.org (@4freerussia_org) 22 Febroary 2023
Marobe ireo olona nandefa antso mitovitovy amin'izany. Toa an'i Zhanna Nemtsova, zanaka vavin'i Boris Nemtsov, ilay mpitarika ny fanoherana nisy namono. Nolazainy tao amin'ny kaontiny Twitter fa hanatevina laharana ny hetsipanoherana iray hatao ao Lisbonne izy, no sady manasa ihany ireo Rosiàna rehetra hiray hina amin-dry zareo Okrainiàna.
Завтра и в выходные по всему миру пройдут акции против российского вторжения в Украину. Я считаю, что надо выходить. Все формы солидарности с украинцами кроме массового уличного протеста невидимы 1/4 pic.twitter.com/23MzgCcV4Z
— Zhanna Nemtsova (@ZhannaNemtsova) February 23, 2023
Rahampitso sy mandritra ny faran'ny herinandro, hisy manerana izao tontolo izao ny fikarakaràna hetsipanoherana ny fananiham-bohitra rosiàna ao Okraina. Izaho mihevitra fa tsy maintsy mihetsika isika. Izay rehetra endrika hafa ho fanehoana firaisankina ankoatra ny fanaovana hetsipanoherana iarahan'ny daholobe eny an'arabe dia tsy misy dikany sy tsy misy vokany. 1/4 pic.twitter.com/23MzgCcV4Z
— Zhanna Nemtsova (@ZhannaNemtsova) 23 Febroary 2023
Ny Anti-corruption Foundation, fikambanana iray miorina ihany koa ao
Etazonia ary mifandray amin'i Alexey Navalny, ilay mpanohitra ara-pôlitika lehibe indrindra ny pôlitikan'i Poutine, migadra amin'izao fotoana izao ao Rosia, dia nandefa ihany koa antso hanaovana hetsika:
Russians all over the world organize anti-war rallies!
Find your city on the list and join: https://t.co/jLrBREv51m 1/2 pic.twitter.com/Jf7JixPksn
— The Anti-Corruption Foundation (@ACF_int) February 23, 2023
Mikarakara hetsika fanoherana ny ady ireo Rosiàna rehetra manerana izao tontolo izao!
Jereo ao anaty lisitra ny tanàna misy anao dia tongava manatevina laharana : https://t.co/jLrBREv51m 1/2 pic.twitter.com/Jf7JixPksn
— L’Anti-Corruption Foundation (@ACF_int) 23 Febroary 2023
Nahazo akony miabo ireny antso ireny, niteraka hetsi-bahoaka amin'ny habeny samihafa tany amina tanàna mihoatra ny 100 manerana izao tontolo izao, isan'izany ny tao Berlin sy Prague, toerana nalehan'ny Global Voices mba hanarahana ireo hetsika.
Tao Berlin, nahavory olona mihoatra ny iray alina ny diabe ho an'ny fanafahana an'i Okraina ary nofaranana teo anoloan'ilay vavahady mari-pamantarana ao Brandebourg. Nandalo teo anoloan'ny masoivohon'i Rosia, ao amin'ny lalambe Unter den Linden ilay diabe.
Okrainiàna, Alemàna, Rosiàna ary olona avy amina firenena maro hafa no nanatevina laharana sy niara-nitanjozotra.
Prague, dingana iray amin'ny fisamahana
Toerana iray manandanja ho an'ireo vondrom-piarahamonina telo niaritra ady tamin'ny endriny samihafa i Prague: okrainiàna, rosiàna ary bielôrosiàna.
Ry zareo Okrainiàna dia niaina tao anatin'ny Tsekôslôvakia fahiny, tamin'ny nanekena ny maha-vitsy an'isa azy ireo hatramin'ny niforonany tamin'ny 1918, ary tsy nisy afa-tsy 5 % tamin'ny vahoaka tany atsinanan'ilay firenena. Taorian'ny nananganana ny Repoblika Tseky tamin'ny 1993, no nifindra nipetraka tany ireo Okrainiàna, resaka ara-toekarena no tena antony. Tamin'ny 2021, io vondrom-piarahamonina io, izay tsy hoe mpiasa amin'ny sehatry ny fanaovan-draharaha sy ny fanorenana fotsiny no mandrafitra azy, fa koa misy mpianatra, mpiasan'ny sehatry ny fahasalamàna ary ireo mpanefoefo mpampiasa vola, dia notombanana ho olona niisa 200.000. Hatrany ampiandohan'ny ady, ny 24 Febroary 2022, marobe ireo Okrainiàna nialokaloka tao amin'nyRepoblika Tseky: manodidina ny iray tapitrisa sy sasany izy ireo no mipetraka any amin'izao fotoana izao.
Tamin'ny 1917 no nanomboka ny fifindramonina, rehefa nitady fialokalofana tany Eorôpa manontolo ireo tandapan'ny Ampira rosiàna nanohitra ny revôlisiôna bôlsevika. Tamin'izany vanimpotoana izany, nametraka fandaharanasa manokana nantsoiny hoe Ruská pomocná akce (Hetsika fanampian'ny Rosiàna) ny governemanta tsekôslôvaky, izay nanome sata maha-mpialokaloka sy nanohana ireo sekoly ary anjerimanontolo rosiàna, okrainiàna ary bielôrosiàna. Taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, ary indrindra rehefa voatombana ho mihoatra ny 110.000 ny isan'ireo miaramila sôvietika sy ny fianakaviany nipetraka tany Tsekôslôvakia – avy amin'ny foko samihafa, Rosiàna, Okrainiàna ary Bielôrosiàna.
Tany afovoan'ny andian-taona 1990, nisy andiana Rosiàna vaovao nanomboka tonga, indrindra fa ireo mpanao afera, mpianatra ary, rehefa nifandimby ny taona, ireo mpanohitra ny governemantan'i Poutine. Ankehitriny, tombanana ho 100.000 ny Rosiàna — izay ny ankamaroany mizaka zom-pirenen Tseky na hafa — monina ao amin'ny Repoblika Tseky.
Ry zareo Bielôrosiàna, izay efa teo koa hatramin'ny 1917, dia nanomboka tonga tany ampovoan'ny andian-taona 1990 tany, ary ankehitriny dia mandrafitra vondrom-piarahamonina mifangaro ahitàna manampahaizana manokana amin'ny teknôlôjian'ny fampahalalàm-baovao, mpianatra, mpanohitra ny filoha Lukashenka, ary koa ireo mpanefoefo mpampiasa vola. Amin'izao fotoana izao, tombanana ho 4 000 ny isan'ireo Bielôrosiàna, na dia mety ho marobe kokoa noho izany aza raha ny tena zavamisy momba ilay vondrom-piarahamonina.
Ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina telo ireo tao amin'ny Repoblika Tseky, izay mazàna no mifanitsaka, saingy mifanipaka amin'ny lafiny maro, no angamba manazava ny antony tsy niarahan'ireo Okrainiàna sy Rosiàna nanao ny fihetsiketsehany tany amin'ny misy azy tamin'ny 23 Febroary 2023.
Avy amin'ny lafy Rosiàna, ny Russian Anti-War Committee, mijoro ao Prague, dia nikarakara fampirantiana iray teo amin'ny Kianjan'ny Repoblika, tao afovoan-tanàna, mba hampisehoana ireo asa vitan'ireo Rosiàna mpirotsaka an-tsitrapo manohana an'i Okraina sy ny Okrainiàna. Ankoatra ireo santatr'andraikitra hafa natolotra, dia hita tsara toerana ny fanangonam-bola, fanampiana noho ny maha-olombelona, fampianarana maimaimpoana ny fiteny tseky ho an'ireo Okrainiàna mpialokaloka, ny fanampiana amin'ny fitadiavana asa ao amin'ny Repoblika Tseky sy ireo fandaharanasa ho an'ny ankizy.
Anton Litvin, endrika fantadaza amin'ny hetsika fanoherana an'i Poutine eny anivon'ny diaspôra rosiàna monina ao Prague, no nanao ny kabary fanokafana teo ambanin'ny saina miloko fotsy-manga-fotsy, izay mariky ny fanoherana an'i Poutine manomboka eto. Niantso ireo rehetra mpitarika avy ao amin'ilay vondrom-piarahamonina izy mba hilaza ny asan-dry zareo sy ny antony manosika azy.
Raha te-hahafantatra mismisy kokoa momba ny saina fotsy-manga-fotsy, vakio ny lahatsoratra : Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina
Ny sasany amin'ireo lohahevitra matetika miverimberina tany anaty kabary tamin'ny 24 Febroary dia nanambara ny ahiahin'ny diaspôra rosiàna manohitra an'i Poutine sy manohana an'i Okraina. Ahiahy mitondra ho amin'ny fahatsapàna lalina ho meloka sy menatra noho ny maha-Rosiàna na ny miteny rosiàna, mitondra koa adidy ara-môraly tsy hangina, ny fankasitrahana ny fiarahamonina sy ireo manampahefana tseky, ny fiantraika ara-pitsaboana naterak'ireo fanampiana natao, indrindra indrindra, ny filàna amin'ny fanjanahana sy fahaizana manaja ireo fihetsehampon'ny Okrainiàna. Marobe ireo Rosiàna any am-pielezana no niaiky ihany koa ny tombony ananan-dry zareo, tsy mba toy ireo mpiray tanindrazana aminy manohitra ny governemantan-dry zareo ao Rosia, izay toerana amoretana avy hatrany sy amin'ny fomba henjana ny hetsi-bahoaka rehetra manohitra an'i Poutine, na koa ny fanehoana fihetsehampo manohitra ny ady.
Taorian'io fihaonambe io, namporisihan'i Litvin ny olona hanatevina laharana ny hetsipanoherana nokarakarain'ireo Okrainiàna tao amin'ny Kianja Wenceslas tsy lavitra teo. Fa koa, niantso azy ireo izy tsy handrangaranga, na kely aza, marika fanoherana amin'ny fiteny rosiàna, anisan'izany ny saina fotsy-manga-fotsy, mba ho fanajàna ny fihetsehampon'ireo Okrainiàna.
Marobe ireo Okrainiàna miampanga ny Rosiàna sy ireo mpanohitra an'i Poutine amin'izao fotoana izao ho mangina tanteraka taorian'ilay fananiham-bohitra tamin'ny 2014, ka noho izany dia notefotefohan-dry zareo ny fahitana azy ireny nandritra ireo hetsika fanohanana an'i Okraina.
Nandritra ilay hetsika goavana nokarakarain'ireo Okrainiàna teo amin'ny Kianja Venceslas, nisy saina maro hafa nakarina ihany koa, toy ny saina fotsy-mena-fotsy manohitra an'i Lukashenka an'ny mpanohitra ao Bielôrosia, ary koa ny saina okrainiàna sy tseky.
Ny sorabaventy aseho eto ambany no mamintina ny fihetsik'ireo Tseky marobe manohana an'i Okraina : « Rehefa lavo ny miaramila okrainiàna farany, ho avy hàka anareo i Poutine. »