Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Clark Boyd Mitafa Amin'i Sokari Ekine

(Fanamariahana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2005)

Noraketin'ny namanay Clark Boyd – mpandefa rakipeo no sady mpanangona vaovao ho an'ny fandaharana The World ao amin'ny BBC/WGBH  – ny mombamomba ilay namanay iray Sokari Ekine, nanorona ilay bilaogy Black Looks . Niainga avy any ambanivohitr'i Espaina i Clark ary tonga nitsiika an'i Sokari tany an-tranony tany amin'ny toeram-piompiany ao Velez-Blanco, dia nitafa taminy momba ny fanoratana bilaogy, ny fiainana ambanivohitra ary ny fambolena “cerise”. Resahan'i Sokari ny momba ireo lahatsorany miteraka resabe momba ireo olan'ny pelaka lahy sy vavy, ny olana matetika amin'ny politika Nizeriana sy Amerikàna  ary ireo fanamby amin'ny fampifandanjàna ireo endrika isankarazany amin'ny fiainana mba hanànana fotoana hanoratana bilaogy. ampaham-peo fohy fa lafatra (5 minitra, 4.2MB, mp3) mahakasika ny iray amin'ireo bilaogera afrikàna tena mahaliana . Isaorana ny The World tamin'ny namelàny anay hanolotra ho toy ny rakipeo ho anareo ity dika amin'ny endriny mp3 tamin'ilay tafa ity.

Tany aloha tany teto amin'ny Global Voices: Sokari Ekine blogger profile (Ang), podcast interview with Sokari Ekine (Ang).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.