Ny Ho Avin'ny Resadresaka Nomerika Ao Sri Lanka

Nanomboka ny iray tamin'ireo adihevitra lehibe momba ny aterineto, ny sivana, ny vaovao faikany ary ny fanentanana fandisoam-baovao any Sri Lanka ny Fihaonamben'ny Global Voices ary narindran'ny GroundViews, vondron'olon-tsotra mpampahalala vaovao avy ao amin'ny firenena sady nosy, sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices ao an-toerana koa.

Nifantoka tamin'ny fanampenam-bava ny vehivavy ao amin'ny sehatra nomerika, ny fanorisorenana, sy ny fitsabahana ara-politika ary ny fanentanana izay misy fiantraikany amin'ny demaokrasia sy ny andrim-panjakana ao Sri Lanka sy ny any an-kafa manerantany ny resadresaka.

“Araraotin'ireo mpanaparitaka vaovao diso sy kabarim-pankahalana amin'ny alalan'ny anarana tsy tena izy ny fisokafan'ny media sosialy sy ny aterineto ao Sri Lanka,” hoy i Nalaka Gunawardene, mpikaroka momba ny fampahalalam-baovao, ary nanipika fa nanokatra sehatra sarobidy saingy koa mampidi-doza ho an'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ity firenena Aziatika Atsimo ity ny fifidianana vao haingana.

“Tsy nanana lova ara-tantara momba ny fisokafana na ny zo hahazo vaovao (RTI) i Sri Lanka saingy miezaka ny hiova izahay”, hoy i Gunawardene nanampy tamin'ny fanasongadinana ireo dingana goavana mba ahafahana mifampiresaka sy manome hery ny olom-pirenena tsotra.

“Legacy media in Sri Lanka is not used to their audience talking back to them and there is real cacophony,”  Nalaka Gunawardene.

“Tsy zatra mpihaino miresaka amin'izy ireo ny fampahalalam-baovao mahazatra any Sri Lanka ka misy ny fitabatabana,” Nalaka Gunawardene.

Nandritra ny fifidianana teo an-toerana, nilaza koa i Gunawardene fa nandany dolara an-tapitrisany tamin'ny fampielezan-kevitra ireo mpanao politika mba hampironana ny hevitry ny vahoaka saingy mbola miraikitra lalina tsy misy fifantohana amin'ny fanentanana ny ankizy ho mailo amin'ny fitondrantenany eo amin'ny sehatra antserasera ny rafi-panabeazana.

“Most female journalists I've conversed with say threats of sexual violence are an everyday problem and usually female journalists and activists step back from reporting difficult issues. We are shutting down necessary conversations and crucial voices online,” Sharanya Sekaram, a feminism activist said at the debate explaining how Sri Lanka's recent ‘freedom of speech and expression’ excludes female voices.

“Ny ankamaroan'ireo vehivavy mpanao gazety noresahiko dia milaza fa olana iainana andavanandro ny fandrahonana herisetra ara-nofo ary matetika tsy mety mitatitra momba ireo olana sarotra ny vehivavy mpanao gazety sy ny vehivavy mpikatroka. Manakatona ny resadresaka mahasoa sy ireo feo manan-danja amin'ny aterineto isika,” hoy i Sharanaa Sekaram, mpikatroka amin'ny fiarovana ny vehivavy nandritra ny adihevitra manazava ny fanilihana ny feon'ny vehiavy amin'ny ‘fahalalaham-pitenenana sy fanehoan-kevitra’ ao Sri Lanka vao haingana.

“Tsy ny olon-drehetra no afaka miteny malalaka ao Sri Lanka. Ara-politika, afaka manao izany ianao, saingy amin'ny maha-vehivavy, tsy afaka ianao,” hoy i Sekaram nanampy.

Namely ny firenena nosy ao Atsimon'i Azia ny ady an-trano mihoso-drà naharitra telopolo taona teo amin'ny fiarahamonina Sinhaley sy ny Tamolona teo an-toerana – ary nifarana tamin'ny taona 2009 ny ady, ka miezaka miarina indray ara-toekarena sy ara-politika ny firenena saingy mbola anjakan'ny kolikoly, ny famokarana vaovao faikany sy ireo vondrona elatra havanana hiringiriny manakantsakana ny dingana iray manontolo.

“Tsy ampianarina amin'ny rafi-pampianarana any Sri Lanka ny antony sy ny fiantraikan'ny rafitra na ny tontolo politika iainantsika. Ary ny ilàna ny ora dia ny hampianatra ny ankizy ny fomba fitondran-tena fototra amin'ny fifandraisana ara-tsosialy,” hoy ny mpanoratra Yudhanjaya Wijeratne manazava momba ny fiantraikan'ny fanentanana vaovao faikany amin'ny olona saingy mora tanterahan'ny tanora loatra.

“Ankehitriny, afaka manangana pejy Facebook sy manaparitaka vaovao diso mandritra ny fifidianana ny rehetra ary hita nandritra ny fifidianana Amerikana izany maodely izany,” hoy i Wijeratne nanampy.

Raha nanadihady i Deepanjalie Abeywardana avy amin'ny Verite Research fa tsy nampianarina ny fototry ny fankatoavana, ny fitsipi-pitondrantena sy ny rariny momba ny lahy sy vavy ny tanora ao Sri Lanka na dia eo aza ny fisian'ny teknolojia, dia nanazava ny fomba hanamafisana ny resadresaka sy ny handrisihana ny vondrom-piarahamonina amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto i Gunawardene.

Afaka manaraka ny resaka ao amin'ny Twitter ianao amin'ny alalan'ny tenirohy #GV2017 sy # GVSummit2017.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.