Fanontaniana Ho An'ireo Blaogera Sinoa

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2006)

Manana fanontaniana vitsivitsy ho an'ny blaogera Shinoa sy izay monina ao Shina ato aho. (Miala tsiny aho noho ny teny Shinoa-ko efa harafesina … Mahay mamaky kokoa noho ny manoratra, matahotra aho.)

Matetika tsy ekena any amin'ny Tandrefana ny fivelaran'ny fanivanana ao amin'ny aterineto Shinoa satria tsy zava-dehibe loatra rehefa afaka mampiasa ‘proxy’ ny olona mba hialana amin'ny fanakanana. Toa samy manana ny heviny ny olona mikasika ny fiparitahan'ny fahaizana ‘proxy’ ao Shina amin'izao fotoana izao. Raha toa ka any Shina ianao amin'izao fotoana izao ary efa nandany fotoana betsaka tany vao haingana, dia te-hahafantatra ny eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto aho:
在国外经常有人说,因为有代理,中国有很多网站上不了没有太大关:真想看这些网站的人总有办法。不同的人对这个问题有不同的看法, 所以我想问中国的 blogger 几个问题:

  • Amin'ireo olona mampiasa aterineto matetika ao Shina, eo amin'ny firy isan-jatony eo hoy ianao no mahafantatra ny fomba fampiasana ‘proxy'?Amin'ireo olona fantatrao, firy isanjatony no mahay mampiasa ‘proxy’ ? 在中国经常上网的人当中,你估计百分之多少知道怎么用代理?亲自身边的人当中,你估计百分之多少会用代理?
  • Anatin'izany vondron'olona izany, firy isan-jatony eo no heverinao ho fampiasana matetika ny  ‘proxy’ mba hidirana amin'ireo tranonkala voasakana? 会用代理的人当中, 你估计有百分之多少经常用代理上被封的网站?
  • Raha lazaina amin'ny teny hafa, amin'ireo Shinoa mpampiasa aterineto tena ‘mahafehy proxy’, hatraiza no maha-zava-dehibe ny maha-voasakana ny zavatra, na tsia? Hatraiza ny fiantraikan'ny fanivanana zavatra amin'ny zavatra iainan'ireo olona ireo amin'ny aterineto?  换句话问:在会用代理的中国网民当中,一些网站被封不封有多大的关系?中国政 府封一堆网站对中国 网民的“网上经验” 有多大的影响?
  • Amin'ny ankapobeny, anivon'ireo mpampiasa aterineto ao Shina, ahoana no ieritreretanao ny fanakànana sy fanivànana ny aterineto hoe misy fiantraikany amin'ny zavatra atao sy tsy fantatr'ireo Shinoa mpampiasa aterineto momba ny fireneny sy momba izao tontolo izao raha itarina ny resaka?  总的来说,在中国国内访问不了很多网站的情况之下,你觉得这个情况怎么影响 到中国网民对自己的国家和国外的理解?

Ho tsaratsara kokoa ny mahafantatra ny fomba fijerinao. Raha mba maniry ny hamaly ity ao amin'ny blaoginao manokana ianao, mba zarao ao amn'ny sokajy fanehoankevitra ilay rohy azafady raha toa ka tsy mivoaka ho azy ny ‘trackback’. Tena te-hahafantatra manokana ny eritreritr'ireo Shinoa mpitoraka blaogy mikasika ity fanontaniana ity aho. 麻烦blogger们在自己的 blog 上,或者在下面的“comments” 里面发表自己的意见!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.