Manomeza Ho An'ny Global Voices—Ampio Izahay Hampifandray Izao Tontolo Izao

Dikan'ny voasoratra etsy ambony: Inona no mahatonga ny Global Voices ho miavaka? Ny tena zavamisy dia virtoaly isika ary tsy misy sisintany; mampisehatra ireo feo tsy tena fandre; manasa ireo mpamaky mba hanao fifanakalozan-dresaka feno fifanajàna tanteraka; manampy manorina tetezana mba hahafahan'ny olona mahatakatra ireo fomba fijery hafa; hoe ny asantsika dia mety hitondra ny olona hisaintsaina hoe hatraiza no fahazoany antoka amin'ny toerana noraisin'izy ireo ka noheveriny fa tsy ho azo hozongozonina.

Ny 28 Novambra no #GivingTuesday, (TalataFanomezana) andro iray natokana ho an'ny fahalalahan-tànana isankarazany manerana izao tontolo izao, ary amin'ity taona ity dia  antenainay ato amin'ny Global Voices fa mba ho iray amin'ireo fikambanana hahazo ny fanohanana avy aminareo ny asa ataonay, amin'ny alàlan'ny fanolorana fanomezana.

Ny fikambananay no iray amin'ireo ohatra voalohany indrindra sy matajaka indrindra amin'ny fisian'ny fiantrakany miabo, entin'ireo media mpirotsaka an-tsehatra amin'ny fanamafisana ny vondrom-piarahamonina sy fiarovana ny zon'olombelona, amin'ny fiainan'ny olona ireo tranga miseho any ivelan'ny fiarahamonina sy ivelan'ny faritry ny firenena misy azy.

Ato amin'ny Global Voices, nanorina izahay vondrom-piarahamonina iray matanjaka sy mahay mahatsapa ny toepon'ny hafa, amin'ny fitaterana ireo tantara sy fitrandrahana fampifandraisana lalim-pàka eo amin'ireo kolontsaina, fiteny sy fomba fijery samihafa. Ny asanay nandritra ny 12 taona lasa dia porofo fa afaka manova ny fahafantaran'ny olona ny tontolo ny fifandraisan'ny samy olona avy amin'ny ankolafy samihafa.

Satria ny olona mikatsaka izay fomba hiainana anaty firaisantsaina ao anaty tontolo sarotra manerantany, lasa ampahany iray vao mainka manandanja kokoa amin'ny iraka tontosainay ny fizaràna sy fanamafisana ny traikefanay ary ny fahaizamanaonay.

Araka izany, miangavy anao hanao fanomezana mba hanampy anay hanohy ny asa fanorenana tetezana, hiadiana amin'ireo hery mivoy fankahalàna sy tsy fandeferana izay mananontanona mitady hanao ny tontolontsika ho toerana iray tsy mahafinaritra loatra.

Manomeza anio »

(Fanamarihana ho an'ireo monina ao Madagasikara: tsy dia mbola miasa loatra any ny fomba elektronika fanaovana fanomezana ety anaty serasera – toy ny Paypal, sns… Noho izany, dia afaka atao ny mifandray amin'ireo toniandahatsoratra solontenan'ny Global Voices eo an-toerana)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.