Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Dolara Amerikana, Zon'Olombelona & Ady

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miresaka lohahevitra mafana i Mehrangize Kar, mpikatroka ny zon'olombelona, ​​mpisolovava & bilaogera monina any Etazonia: 75 tapitrisa dolara Amerikana manampy amin'ny fampiroboroboana ny demaokrasia ao Iran. Tsy mino izy fa afaka manampy ireo mpikatroka ny zon'olombelona Iraniana ny dolara Amerikana. Hoy izy:

Not only the present government but also the judgment of the Iranian public opinion will prevent the activity of those human rights organizations that receive financial support from abroad. They would become suspect in the eyes of Iranians. The increasing number of destitute, the poor and victims of violence and other social ills in Iran will storm the offices of organizations that receive foreign funds to demand their share of these monies. It is even possible that conspiratorial elements within the government itself would instigate a group of such people to shut down and destroy foreign-funded human rights organizations. Given the Iranian Government’s past record of fabricating such scenarios, such an outcome appears quite possible.
In sum, it can be said that any political approach aimed at ameliorating the present conditions, if it does not correspond to the reality of the internal situation of Iran, is bound to backfire and destroy the limited advancements that have already been achieved in the area of human rights in Iran
.”

“Tsy ny governemanta ankehitriny ihany fa ny fitsaratsaràn'ny hevi-bahoaka Iraniana no hanakana ny asan'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izay mahazo fanohanana ara-bola avy any ivelany.” Mety ho lasa ahiahiana eo imason'ireo Iraniana izy ireo. Ny fitomboan'isan'ireo sahirana, mahantra sy ny lasibatry ny herisetra sy ny olana ara-tsosialy hafa ao Iran no hanakorontana ny biraon'ny fikambanana izay mahazo famatsiam-bola vahiny mba hitakiana ny anjaran'izy ireo amin'ireny vola ireny. Azo atao mihitsy aza hoe olona mpiray tsikombakomba ao anatin'ny governemanta no handrisika vondron'olona toy izany mba hanakatona sy hamotika ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mahazo famatsiam-bola vahiny. Raha jerena ny zavatra nataon'ny governemanta Iraniana taloha momba ny famolavolana tranga tahaka izao, toa tsy ho tahaka izao ny vokatra hiseho.
Raha hafohezina, azo lazaina fa mikendry hanatsara ny fepetra ankehitriny ny fomba ara-politika rehetra, raha tsy mifanaraka amin'ny zava-misy ao anatin'ny toe-javatra ao iainan'i Iran izany, dia lasa mifamatotra aminy ary hanimba ny fandrosoana voafetra izay efa tratra eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona ao Iran. “

Tao amin'ny blaogy Webgardian, noresahan'ireo Eoropeana sy ny Amerikana bilaogera na tsy bilaogera ny lohahevitra mitovy amin'izany.

Spirit of Man, bilaogera monina ao Kanada, miresaka momba ny fifampihenjanana eo amin'i Etazonia sy i Iran. Hoy izy:

An Iranian hardliner party which controls both the Islamic parliament and the government, named Abadgaran, has suggested that Iran should conduct a military exercise with Cuba, Venezuela and other anti-America countries in that region of the world to send a message to the United States of America.”

“Nanolo-kevitra ny antoko Iraniana mahery fihetsika manara-maso ny parlemanta Islamika sy ny governemanta, antsoina hoe Abadgaran, fa tokony hitarika hetsika miaramila miaraka amin'i Kiobà, Venezoela sy ireo firenena hafa manohitra ny Amerikana ao amin'izany faritra manerana izao tontolo izao izany i Iran mba handefa hafatra ho an'i Etazonian'i Amerika. “

Hanif Mazroi (Persiana), mpanao gazety sady bilaogera reformista ao Iran, nilaza fa mampatsiahy ny ady Iran-Iraka ny fampielezan-kevitra ao amin'ny fahitalavitra Iraniana. Momba ny angovo nokleary sy ny vahoaka nampahoriana ao Iraka ny fampielezan-kevitra! Milaza izy fa toa nifoha ny fahitalavitra Iraniana ary nahatsapa tampoka fa misy ady any Iràka! Nampiany koa fa tsy fantany ny tanjon'izany fampielezan-kevitra rehetra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.