Tantara tamin'ny 29 Oktobra 2017
Kambodza: Nosaloran'ny Gazetiboky Glamour Ho Vehivavin'ny Taona (2006) I Somaly Mam
Miasa mafy i Somaly Mam. Miasa mafy izy mba hiatrehana ny lasany. Nandritra ny fahazazany, niaina fanolanana, fampijaliana ary herisetra izy. Nanangana ny ONG AFESIP (Atany Kambodza niaraka tamin'ny vadiny Pierre Legros izy tamin'ny taona 1997, firenena iray ahitana izay anisan'ny olana goavana indrindra ny fanondranana olona an-tsokosoko.
Arabia Saodita: Fantsom-pahitalavitra Amin'ny Teny Persiana Ho An'ny Iraniana
Orinasam-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana Saodiana ny MBC , fantatra eo amin'ny tontolo Arabo noho ireo fantsona fialamboly sy noho ny fantsom-baovao Al-Arabiya . Nanomboka nanokatra fantsona vaovao tamin'ny 9 Jolay 2008 ity orinasa ity, MBC Persia, izay ahitana sarimihetsika amin'ny dikanteny Persiana [farsi].
Bilaogera Shiliana: Inona no Nitranga Tamin'ny Bilaogy Ara-politika?
Ny ankamaroan'ny kabary ara-politika dia momba ny demokrasia ifarimbonana, saingy nahoana izy ireo no tsy mampiasa bilaogy ho sehatry ny politika ifarimbonana?
Bilaogy Vaovao Ifarimbonana, Feo Shiliana Vaovao
Teraka tamin'ny herinandro lasa teo tany an-tanànan'i Arica ny bilaogy vaovao ifarimbonana voalohany ao Shily, “El Morrocotudo”. Efa nahasarika fisoratana anarana 200 avy amin'ny faritra rehetra any Shily ny bilaogy natsangana vao haingana.
‘Rivo-doza Mahery’ Mandrahona An'i Japana, sy ny Fifidianana Japoney
"Rivo-doza mahery"--mitovy amin'ny tafiodrivotra (hurricane) sokajy 5- no mandrahona an'i Japana sy ny fifidianana ankapobeny ao amin'ny firenena.
Tongà : Nampangaina Ho Nifehy Ny Haino Aman-jerin'ny Fanjakàna Mialoha Ny Fifidianana Ny Governemanta
"Mila atsahatry ny governemanta ny fampiasana ireo antsoina hoe fatiantoka ho toy ny fialantsiny hampiharana ny fanovàna manasazy mikendry ny hanafoanana ny trano famoaham-baovao sy ny fitantanana any amin'ny iray amin'ireo fampielezam-peom-panjakana fototra any amin'ny faritra."
India: Fankalazàna ny Taombaovao
Raha liana ny hijery ianao hoe mitovy amin'inona ny fety fankalazàna ny puja any Bangalore , dia afaka mahita lahatsary maro ao amin'ny Youtube.
Bangladesh : Ambaran'Ilay Oliravina Teo Aloha Voatsipaka Fa Sisampatin'ny Fampanambadiana Ankizy Izy
"Odianareo tsy hita ny marina fa sisampatin'ny fampanambadiana ankizy izy ary tonga mpilatro sy mpitaingina môtô ikoizana tsy nisy fanohanana avy amin'ny fianakaviana. "
Bilaogy Lahatsary : Fiatoan'ny Fiara Fitateram-bahoaka ao Baramati
Ilay lahatsary, antsoina hoe Fijanonan'ny Fiarafitateram-bahoaka ao Baramati ,dia eo amin'ny enina sy tapany minitra eo ny halavany. Mandalina ny laboratoara fanamboarana finday, izay manasongadina solosaina roapolo eo noho eo napetraka tao anatina fiara fitateram-bahoaka. [...] ny fitsidihako efitrano fianarana tamina fianarana ho an'ny ambaratonga ambany, ary fihaonana tamin'ny ankizy sasany tao an-tanàna izay tsy mandeha an-tsekoly-- ary noho izany dia tsy manana fahafahana hiditra amin'ny teknolojia.
Sodàna: Ireo Heloka Bevavan'ny Ady ao Darfour, Ny USS Cole, Taovolo Iray Lamaody Ary Mbola Betsaka Koa
"Ankehitriny, azoko antoka 100% fa nataon'i Etazonia lasibatra ny fireneko. Hatramin'ny nilazàna fa tsy nahomby ny tetikadin'i Darfour, mampiasa hevitra hafa izy ireo mba hangejana ny governemanta. Nahoana i Etazonia no tsy mandoa ireo onitra sy ireo tombontsoa mikasika ny daroka baomba tamin'ny orinasa Al Shifa, tamin'ny taona 1998? Hitan'ireo masoko tsara ny balafomanga namakivaky ny habakabaka!"