Antoko Alemàna Manohitra Ny Fifindràmonina, Mikendry Ireo Rosiana-Alemàna Mpifidy Aminà Dokambarotra Mankajala Vahiny

Antoko Alemàna Manohitra ny fifindràmonina AfD, mikendry ireo Rosiàna-Alemàna mpifidy aminà dokambarotra momba ny fifidianana. Sary nomen'ny AfD Hambourg maimaimpoana.
Ny Alternative für Deutschland (Safidy Hafa ho an'i Alemaina, na AfD ho fanafohezana azy), antoko mpanohitra fifindràmonina, mitàna ny nentin-drazana, Euroskeptic, mifaninana amin'ireo fifidianana federaly ho ao amin'ny Bundestag any Alemaina, dia sahirana mafy maka ny fon'ny ampahan'ny mpifidy tena tiany: Alemàna miteny Rosiana.
Mpomba an'i Kremlin hatrany am-boalohany ihany koa ny AfD, izay loharanonà ahiahy lalandava momba ny mety fitsabahan'ny governemanta Rosiana amin'ireo fifidianana ao Alemaina. Miezaka mafy tokoa ny antoko amin'ny fikendrena ireo Alemàna-Rosiana, hany ka maro ireo fikambanana zanaka ampielezana no naneho am-pahibemaso ny fialàny lavitra ny kabariny tsara lahatra.
Fa vao haingana, nanao zavatra mahoraka na tsy vazavazaina aza, sy manafintohina, na amin'ireo mpanara-dia azy aza, ny antoko eo an-toerana AfD any Hambourg — fonenan'ireo vondrom-piarahamonina maro miteny Rosiana. Ao amin'ny pejy Facebook-ny, AfD Hambourg dia nandefa fampielezan-kevitra tamin'ny teny Rosiana, feno hadisoana tsipelina sy amin'ny fitsipipitenenana, fa tsy izany no tena ratsy indrindra mikasika io. Nampiasa fiteny mankahala vahiny io, izay efa tamin'ny andron'ny fanafihan'ny Mongola an’ireo fanjakana tamin'ny taonjato Faha-13 nialoha làlana an'ilay Rosia ankehitriny.
Ito ambany ito ny fandikàna ilay fampielezan-kevitra avy tamin'ny teny Rosiana:
Смело за Германию и наших детей
Не званый гость хуже татарина
Защищать границы, высылать исламистов!
Miaraka amin'ny hasin'i Alemaina sy ireo zanatsika
Ratsy noho ny Tatar ny vahiny tsy niriana
hiarovana ny sisintanintsika, handroahana ny islamista!
Milaza izao ny lahatsoratra miaraka aminy:
Личное обращение к немцам из России в Гамбурге
Уважаемые Гамбуржцы, родившиеся в бывшем СССР! 24. сентября 2017 будут выборы. В связи с этим у немецкого народа будет возможность остановить вредную политику, последствия которой описаны высше. Я глубоко убеждён в том, что наступила пора совершить жёсткий поворот в политике; поэтому я обращаюсь к Вам за помощью. Будучи народом, история которого прежде всего связана с жестокими политическими переворотами, Вы очень точно замечаете, когда политика и общество подвергаются фундаментальным изменениям. Гамбургская Фракция АфД убеждена в том, что делам и нуждам немцев из России по сей день не уделяют должного внимания в политическом дискурсе. Поэтому нам хотелось бы наладить с Вами общение и узнать о Вашем опыте. Отныне Вы можете звонить нам по горячей линии 040 / 428 31 25 18. Давайте бороться за нашу страну плечом к плечу, поддерживая AfD на выборах 24. Сентрября 2017. Помогите мне, стать депутатом в Бундестаге, где я буду отстаивать интересы нашего города.
Dr. Bernd Baumann
первый кандидат Гамбурга
Дальнейшая информация:
http://bit.ly/2xhuS7s
#AfD#Russland#Deutschland#Hamburg
Antso manokana ho an'ireo Alemàna manam-piaviana Rosiana any Hambourg
Ry avy ao Hambourg teraka tany URSS taloha! Ny 24 Septambra 2017, hotontosaina ny fifidianana. Araka izany, homena ny firenena Alemàna ny fahafahana hanova fiantraikany ratsy amin'ny politika voalaza etsy ambony. Tena resy lahatra tanteraka aho fa fotoanan'ny tokony hanaovana fiverenana ara-politika izao. Izany no itadiavako ny fanampianareo. Amin'ny maha-firenena tafavoaka velona tamin'ireo korontana ara-politika maro anareo, fantatrareo tsara rehefa misy fiovàna fototra ny politikan'ny firenenareo sy ny fiarahamoninareo. Resy lahatra ny biraon'ny AfD any Hambourg fa tsy raharahian'ny lahateny ara-politika ankehitriny mihitsy ireo raharaham-barotra sy zavatra ilain'ireo Alemàna Rosiana. Noho izany, liana ny hifampiresaka aminareo sy hahafantatra izay zavatra niainanareo izahay. Manomboka izao, afaka mifandray aminay amin'ny fiantsoana ny nomerao 040 / 428 31 25 18 ianareo. Andao soroka miaraka milanja mba hiady ho an'ny tanindrazantsika amin'ny fanohanana ny AfD amin'ireo fifidianana ny 24 Septambra. Ampio aho ho lasa mpikambana voafidy ao amin'ny Bundestag izay hiadiako ho an'ireo tombontsoan'ny tanànantsika.
Dr. Bernd Baumann
Kandidà voalohan'i Hambourg
Fanampim-panazavana: http://bit.ly/2xhuS7s
#AfD#Russland#Deutschland#Hamburg
Ireo Tatars voalaza ao amin'ny fampielezan-kevitra dia ny foko lehibe indrindra sy ny vitsy an'isa ara-pinoana ( Silamo Sunni) any Rosia. Monina ao amin'ny repoblika federalin'i Tatarstan ny ankamaroan'izy ireo, ampahan'i Rosia hatramin'ny taonjato Faha-16.
Maro amin'izy ireo no monina ihany koa any Alemaina, lasa ampahan'ny zanaka am-pielezana miteny Rosiana — noho izany, raha lazaina tsotsotra, niteraka olana sy niteraka valiny teo noho eo avy amin'ireo mpihaino nokendreny ilay fampielezankevitry ny AfD.
Amin'ireo fanehoankevitra 100 mahery amin'ilay lahatsoratra tao amin'ny Facebook, ny ankamaroany dia tena faran'izay mitsikera mafy ny fanandraman'ny AfD hiresaka amin'ireo mety ho mpifidiny amin'ny teny Rosiana , ary mazava ho azy, ny tsy fitiavana vahiny mivandravandra anatin'ilay hafany.
Ireo hafa, teraka Alemàna, dia fanina amin'ny hafatra iray aminàteny vahiny tsy azon'izy ireo. Nisy mpampiasa Facebook nanoratra izao:
Экономические беженцы, бежавшие от совковой нищеты, ненавидят беженцев из горячих точек, бегущих от российских бомбардировок. А путлерские СМИ об этом рассказывают в киселёвских часах промывания мозгов.
Ankehitriny mpitsoaponenana ara-toekarena, nandositra avy tamin'ny fahantran'ny Sovietika, no lasa mankahala ireo mpitsoa-ponenana avy amin'ireo toerana voadaroka baomban'ny hery an-habakabaka Rosiana. Ary ireo media an'i Putler [“Putler” izay fikambanan'ny anarana Poutine sy Hitler] dia nidera ilay fandarohana baomba nandritra ny fotoanan'ny fanasana atidohan'i [Dmitry] Kiselyov [mpanentana faran'izay tsy mivadi-belirano avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ao amin'ny fahitalavi-panjakana Rosiana].
Nisy iray hafa nandrahona ny hitory ny AfD:
от немки, родившейся в бывшем СССР, лично херу Бауманну: поскольку я только за то, чтобы бороться за нашу страну, думаю подать на Вас и Вашу “партию” в суд за разжигание межнациональной розни (знаете, статья такая есть в немецком законе, §130 “Volksverhetzung”, неплохо бы знать законы нашей страны, а ещё лучше соблюдать)
Ito ny hafatro manokana ho an'i Herr Baumann, avy amin'ny vehivavy Alemàna iray teraka tany amin'ny URSS taloha : satria aho manaiky ny hiady ho an'ny firenentsika, mieritreritra ny hitory anao sy ny “antokonao” aho noho ny fihantsiana fifankahalana foko (fantatrao moa, heloka bevava izany araka ny lalàna Alemàna, [article] §130, izay tokony ho fantatrao na hajaina mihitsy aza)
Mety tsara raha hoe hanimba ny fanantenany amin'ny fifidianana ireo solontenany ho ao amin'ny Bundestag ny AfD tamin'ny fanintonana ny vondrom-piarahamonina miteny Rosiana amin'ny fomba maloto toy izany. Mpaneho hevitra iray ao amin'ny Facebook nametraka mazava hoe:
Теперь я точно за CDU голосую
Izao no izy, amin'izao, tapaka tanteraka ny hevitro fa hifidy ny CDU aho [Fikambanana Kristiana-Demokraty, antokon'i Angela Merkel izay nokianin'ny AfD mafy ny politikany momba ny fifindramoniny]
Voaresaka be tato ho ato ny vondrom-piarahamonina Rosiana-Alemàna ary matetika voasoratra ao amin'ny media — tsy an-tahotra, milaza ny mpikambana ao aminy — ho toy ny “andry fahadimin'i Poutine” na “soavaly Trojan” any Alemaina. Famoahana vao haingana tao amin'ny gazetiboky New York Times Magazine no maneho antsipirihany ilay “raharaha Liza” mahamenatra, izay nandefasan'ny sampana fahitalavitra Rosiana mikasika ny lazaina ho fanolanana tavovavy Rosiana-Alemàna nataon'ireo “mpifindra monina Arabo”, nahatonga fihetsiketsehana nasionaly nanohitra ny fifindràmonina. Nolazaina ho tsy nitombona moa taty aoriana ilay fiampangana, fa nanomboka hatramin'izay ny “raharaha Liza” dia lasa nampiasaina ho ohatra amin'ny fitsabahana mitratrevatreva ataon'i Rosia amin'ny raharahan'ireo firenena hafa, amin'ny alàlan'ny fampielezankevitra sy fambolena tahotra ao amin'ny media sosialy.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...