Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ireo Fomba Fanahazan-damba Isankarazany Ao Japana

Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0)

“Gosei-nish 20L.” (Ny “gosei” dia tady lava misy taratasy miketrona ampiasaina ho an'ny lanonana Shinto). Sary avy amin'ny mpisera Flickr m-louis .®. Lisansa: Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0)

Ao amin'ny lahatsoratra iray izay notsidihina in-330.000, nahangona sioka maro i ppp_com mpikambana iray ao amin'ny vohikala famahanana bilaogy Japoney Matomer Naver izay natokana ho an'ilay antsoin'ny Lifehacker Japana tamin'ny taona 2012 ho “ilay raharaha mahakamo indrindra manerantany ” dia ny fanasan-damba izany .

Araka ny voalazan'ireo sioka hitan'i ppp_com, tsy ilay fanasan-damba akory no zavatra ratsy indrindra ho an'ny mponina Japoney maro fa ny fanahazana izany. Nanoritsoritra ny fisasarana tamin'ny fanasan-damba ireo sioka nangonin'ilay bilaogera tao amin'ny Matome Naver sy ny fomba mahatsikaiky ataon'ny mponina Japoney ihany koa mba hahatonga ity raharaha ity ho mahafinaritra kokoa.

Tena tsy tiako ny manaha lamba. Tsy mampaninona ahy ny manadio, mahandro na mampirina – fa ny fanasan-damba no tena halako. Tena marina moa izany.

Vita ny raharaha fanasan-damba . 🌀👕 Nahoana no tsy tiako ny manao izany? Ny manaha lamba . (> _ <)

Tsy mivaky loha ny olona sasany rehefa manaha akanjo …

Ahoana ny fomba hanahazako akanjo …

Ahoana ny fomba hanahazako kilaoty fanaovana fanatanjahatena amin'ny bisikileta .

… fa ny hafa kosa toa tsy miraharaha ilay raharaha.

Tena tsy mivaky loha ny fomba fanahazan'ny Tatsuya ny fitafiana. Tsy misy fomba ahafahako manaha ilay  T-shirt fotsy izay saika hanaovako rahampitso.

Ny fianakaviana sasany kosa toa manana fomba manokana amin'ny fanahazan-damba :

Toy izao ny fomba hanahazanay fitafiana ao an-tranonay, lol.

Inona no mitranga rehefa mangataka ny zaza ianao mba hanampy anao amin'ny fanasana ny kirarony … Saika manakaiky ny asakanto ny fomba hanahazany ireo kiraro, ary nampihomehy ahy ny maraina tontolo. Fanomezana vao maraina ho an'ny vorona? […]

Ny olona sasany indray mikajy tsara ny zavatra sasantsasany amin'ny fanasan-damba, fa saingy manao tsirambina ny zavatra hafa.

Eo amin'ny ankavia: Tahaka izao ny fomba hanahazako lamba famaohana izay tsy dia raharahiako loatra.
Eo ankavanana: Tahaka izao ny fomba hanahazako lamba famaohana izay tena ankafiziko.

[Fanamarihana: Toa mpankafy an'i Ozeki Rika ‘malaza’ ao amin'ny AK48  ilay mpisera Twitter, ary tsy mpankafy loatra ny ekipan'ny baseball Orix Buffaloes , avy ao Osaka any andrefan'i Japana izy.]

Niseho ny iray amin'ireo olana lehibe indrindra amin'ny fomba fanahazana kilalao lamba rehefa avy nosasana:

Rehefa manasa [kilalao lamba] dia tsy hitako izay fomba hanahazana izany, ka toy izao no nataoko. Moa tsy toa tahaka ny mampifaly tena izany ilay izy, lol?

Ahoana ny fomba hanahazako ny ‘orsa antendrotaniko’ ?

Azo jerena ato ny sioka maro kokoa momba ny fanasan-damba .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.