
Ny renirano Irtysh Mainty ao amin'ny prefektioran'i Altay, China / Sary: Fanghong, CC BY-SA 3.0
Ny 2 Oktobra, nibitsika sary vitsivitsy mahafinaritra momba an'i Altay ny “China Daily”, gazetim-panjakàna shinoa amin’ ny teny anglisy. Altay dia faritra iray mihataka lavitra any avaratra andrefan'ny firenena.
Check out some of the autumn scenery in Altay, a remote and sparsely populated part in NW China's Xinjiang Uygur autonomous region. pic.twitter.com/d3frx7h8cx
— China Daily (@ChinaDailyUSA) 2 октября 2017 г.
Jereo ny tontolo taza-maso rehefa fararano ao Altay, faritra iray lavitra sy vitsy mponina ao Xinjiang Uygur, faritra iray mizaka tena ao avaratra andrefan'i Shina
Tsy tapaka ny mibitsika sary fampahafantarana avy amin'ireo faritra samihafa ny “China Daily”, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia niteraka zavatra tsy nampoizina avy amin-dry zareo Rosiana mpampiasa Twitter izany, izay nihevitra fa lazain'i Shina ho azy ireo ampahan-tanin'i Rosia.
This is Russia
— Pasik Plastikbrains (@mrplastikbrains) 2 октября 2017 г.
Rosia io
Ny ankamaroan'ireo valinteny ho an'ny “China Daily” dia nivantambantana sy tamin'ny tenin-jatovo, natao tamin'ny teny Rosiana sy teny Anglisy. Ny iray tena valinteny nandravaka azy tamin'ny teny Rosiana dia nivaky hoe:
Рамсы попутали, волки позорные? Дырку от бублика вы получите, а не Алтай. ?
— Беспокойный Пациент (@VIPpatient) 2 октября 2017 г.
Tena sahy ianareo, ry ilay amboadia ratsy ireto, sa tsy izany? Tany kely voageja no mba an'laisany fa tsy Altay.
Tsy ela, maro ireo hafa mpampiasa twiter no niezaka ny nandamina ilay raharaha. Tangoron-tendrombohitra manomboka any Siberia atsimo atsinanana i Altay izay mitandavana eo anelanelan'i Rosia, Kazakhstàna, Mongolia ary Shina. Any amin'ny firenena tsirairay dia misy faritra iray ahitàna fomba fiantso ny anarana Altay amin'ny anarany ao an-toerana.
Raha ny marina, misy fari-piadidiana roa samy manana ny lenta federaliny miavaka ao Rosia, ny Altay Krai somary betsaka mponina Rosiana kokoa sy ny Repoblika Altay, fantatra ihany koa amin'ny hoe Altay Be Tendrombohitra.
Округ Алтай – округ в Или-Казахском автономном округе Синьцзян-Уйгурского автономного района КНР
— Дебри ДВ (@debri_dv) 2 октября 2017 г.
Ny Prefektioran'i Altay dia distrika iray ao anatin'ny Prefektiora Kazakh Mizakatenan'i Xinjiang-Uygur any amin'ny Repoblika Entimbahoakan'i Shina-.
Saingy na taorian'ny fanazavàna mazava aza, nisisika ihany ireo Rosiana sasany nilaza fa ny Altai ao Rosia no Altay tsara indrindra amin'izy rehetra ireo:
Красивые виды пейзажей китайского Алтая! Но российский Алтай многократно краше, ни монгольский, ни казахский Алтай не сравняться с ним.
— Игорь Владимирович (@nis34) 2 октября 2017 г.
Fijery mahafinaritra ny Altay Shinoa! Saingy mbola tsara tarehy mihoatra noho izany ny Altay Rosiana, ny Altay Mongol na Kazakh aza tsy afaka hilahatra aminy akory.
Mety naneho hevitra tamin'ny fomba nivatravatra ireo Rosiana mpampiasa Twitter noho ny tahotra iraisan'izy ireo hoe avotsotr'i Rosia mangingina ho an'i Shina ny sasany amin'ireo faritaniny any an-tsisintany Farany Atsinanana. Na ohatra iray fotsiny amin'ny hasosoran'ny media sosialy nateraky ny zavatra kivalavala tsy misy dikany. Na inona na inona anefa, farafaharatsiny mba nitondra sarinà tontolo mahafinaritra ilay izy.