Ogandà: Nahazo Ny Loka Kennedy Ny Pelaka Iray Mpiaro Zon'olombelona

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2011)

Voafantina tamin'ilay Loka 2011-n'ny Zon'olombelona Robert F. Kennedy i Frank Mugisha, OgandeyPelaka iray mpiaro zon'olombelona. Noderaina noho ny asany ho an'ny fiarahamonina Pelaka izy, indrindra tao Ogandà. Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Vitsy an'isa Ara-pananahana ao Oganda (SMUG) izy, fikambanana iray miaro sy manaiky ny olona Pelaka ao amin'ny firenena.

Ugandan LGBTI activist, Frank Mugisha. Image taken from Twitter (@frankmugisha).

Ogandey Pelaka mpikatroka, Frank Mugisha. Sary nalaina tao amin'ny Twitter (@frankmugisha).

Frank Mugisha, tanora iray mpikatroka ho an'ny zon'ny vitsy an'isa ara-pananahana ao Ogandà, dia voafidy mba hahazo ilay Lokan'ny Zon'olombelona Robert F. Kennedy manana ny lanjany. Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Vitsy an'isa Ara-pananahana ao Ogandà (SMUG) izy, fikambanana iray sangany mitarika  ny hetsiky ny (LGBT) ho an'ny vehivavy pelaka, lehilahy pelaka, sady lahy no vavy, ary tsy manana taovam-pananahana mazava tsara, ao amin'ilay firenena Afrika Tatsinanana. Any Oganda, miasa ao anatina toetrandro mampihorohoro ny fikambanana Pelaka, ary iray amin'ireo mpikatroka vitsy manabaribary ny maha-pelaka azy i Atoa. Mugisha. Amin'ny maha mpisolovava azy ho an'ilay hetsika, manamafy ny feon'ny iray amin'ireo vondrona tena marefo indrindra ao amin'ny firenena izy.

“Ohatra iray lehibe ho an'ny tsy fahafahana mamolaka ny fanahy maha-olona ny fiarovan'i Frank Mugisha tsy misy tomika ny zon'ny pelaka ao Ogandà manoloana ny tsy fankasitrahana ny pelaka ”, hoy ilay mpikambana amin'ny mpitsara amin'ilay Loka Zon'olombelona RFK, Makau Mutua, Mpampianatra Lalàna ary Tale ao amin'ny Oniversite Fianarana Lalàna ao Buffalo (SUNY).

Tamin'ny 1984 no nametraka ny Loka mba hankasitrahana ireo mpikatroka ary hanohanana ny mpanoratra sy mpanao gazety miasa ho an'ny fampandrosoana ny zon'olombelona ny Foibe Ho an'ny Rariny sy ny Zon'olombelona Robert F. Kennedy :

Napetraka tamin'ny 1984 ny Loka Zon'olombelona Robert F. Kennedy mba hanomezam-boninahitra ireo olona be herimpo sy mahay mamorona miady ho an'ny rariny ara-tsosialy manerana ny tany. Isantaona, manolotra loka ho an'ny olona iray ny Foibe RFK, izay ny fikatrohana mavitrika ataony dia eo anivon'ny hetsika zon'olombelona sy ao anatin'ny fanahin'ny Robert Kennedy.

Nandray anjara mavitrika tamin'ny fampandrosoana ny zon'ny pelaka tao Ogandà i Frank Mugisha, firenena iray izay vao haingana tamin'ity taona ity no nahita volavolan-dalàna iray mahabe adihevitra manohitra ny pelaka ary ny fanafihana sy famonoana an'i David Kato, pelaka mpikatroka malaza iray hafa.

I Mugisha no manodina ny Vitsy an'isa Ara-pananahana ao Oganda (SMUG), foibe iray ho an'ny pelaka ao Kampala renivohitra, izay ahitàna fikambanana roa mpikambana: Fahamarinana Ogandà, izay miady ho amin'ny fampidirana ny maha-izy azy sy ny fivavahana eo amin'ny Ogandey pelaka, ary ”Icebreakers Uganda” (mpamotsitra vay ao Ogandà), izay mifantoka kokoa amin'ny fikarohana sy ny olan'ny tanora.

Ny Vinanay: Olona pelaka manana fahalalahana ao Ogandà
Ny iraka ataonay: dia ny manara-maso sy manohana ireo fikambanana mikambana ao mba hanatratrarana ny tanjon'izy ireo izay mikendry ny fahafahan'ny pelaka.
Amin'ny maha-mpiaradia, mifantoka amin'ny fiarovana sy ny fandrindràna ny ezak'ireo vondrona eo an-toerana sy iraisam-pirenena izahay.

Hanolotra an'i Frank Mugisha miaraka amin'ny lokany ao Washington, D.C, amin'ny 10 Novambra i Rtoa. Robert F. Kennedy sy ny Senatera John Kerry, Filohan'ny Kaomity misahana ny Fifandraisana amin'ny Ivelany Ao amin'ny Antenimieran-doholona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.