Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Trinite: Hanuman murti

(Marihina fa tamin'ny 13 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Hanuman Murti
Hanuman murti, Trinite. Sary avy amin'ny caribbeanfreephoto

Miorina ao Carapichaima, Trinite, ity murti manana halavana 25 metatra ity ary maneho ilay andriamanitra Haindò Hanuman izay malaza noho izy lehibe indrindra amin'ny karazany aty ivelan'i India. Miorina eo amin'ny toerana Foiben'ny Yoga Dattatreya sy Mandir ilay murti ary manintona ireo mpanjohy izay manatitra fanomezana sy manatanteraka ny fomban'ny pradakshina (mihodikodina manodidina sady manonona ilay Hanuman mantra masina). Naharitra roa taona ny nanamboarana ny murti ary notokanana tamin'ny taona 2003. Jereo ao amin'ny Flickr ny sary maromaro mampiseho ny Hanuman murti.

Manana ny razambeny ao India ny manodidina ny 40% n'ny mponina ao Trinite sy Tobago.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.