Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

18 Septambra 2017

Tantara tamin'ny 18 Septambra 2017

Ny Malaza Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Saodiana

Lalao baolina kitra sy hockey, hijab (voaly) sy fatwas, fihaonan'ny bilaogera, ary marobe kokoa avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana tamin'ity herinandro ity.

Karaiba: Andro Fanafoanana Ny Fanandevozana

"Fotoana izao hieritreretana ny làlana nizorana amin'ny maha-firenena sy amin'izay mbola tokony ho tontosaina. Mino aho fa mbola famotsorana betsaka no ilaintsika atao".

Bangladesh: Ny Lalàna Mikasika Ny Fananàn'ny Fahavalo Sy Ny Tondradrano

Nanodinkodina ny lalàna tamin'ny alalan'ny fanampian'ireo manampahefana mpanao kolikoly ato amin'ny fanjakana ireo mpampanjana-bola mba hakàna ny fanànan'ireo tompony ...tamin'ny fanondroana azy ireny ho toy ny « fahavalon'ny Fanjakana ».

Belarus: Fanohanana Ho An'ireo Mpitarika Mpanohitra Nogadraina

Tovovavy iray no nosamborina raha nijoro teo ivelan'ny cybercafe iray teo akaikin'ny Kianjan'ny Oktobra tamin'ny Alatsinainy, nandritra ny fananganana toby lay. Navotsotra izy telo andro taorian'izay, ary niverina tany amin'ny rindrin'ny fonja ny zoma mba hizara ireo taratasy nalainy avy amin'ireo gadra hafa tamin'izy navoaka. "

Zimbaboe: Tsiaro Ny Murambatsvina

Ny 18 Mey 2005,  nanomboka ny fandrodanana tanteraka izay heverina ho trano fonenana tsy ara-dalàna ny polisy tao Harare. Ankoatra ireo mpivarotra eny an-dalambe, eny fa na dia ireo izay mivarotra ara-dalàna  aza dia nosamborina sy nampandoavina lamandy, ary nalaina ny entany sy ny fananany .

Manadihady  Ny Andiana Famonoan'olona Mikendry Ireo Vehivavy Ny Polisy Ogandey

Tena mampalahelo fa tsy tratrantsika ilay olona tena ahiana. Tena mampihoron-koditra sy mahamenatra ho antsika rehetra izay mahita azy ireo ny fomba namonoana ny sasany tamin'ireo vehivavy .

Ny Fifamoivoizana Any Vietnam

Mety ho nofy ratsy ho an'ny sambany mitsidika an'i Vietnam ny fifamoivoizana. Na mino izany ianao na tsia, manana ny lalànany ny fitaterana kanefa tsy liana amin'ny fanarahana azy ireo ny olona. Efa mahazatra ny mahita ireo olona telo na efatra mitaingina moto iray.

Trinite: Hanuman murti

Miorina ao Carapichaima, Trinidad, ity murti manana halavana 25 metatra ity ary maneho ilay andriamanitra Haindò Hanuman izay malaza noho izy lehibe indrindra amin'ny karazany aty ivelan'i India.

Gadra Nanjavona 48 Hita Tamim-pahadisoana

Toeram-pasana iombonana ny "Tranobe 29" , ao amin'ny Fasana Faobe (ES) ao Santiago renivohitra. Tamin'ny taona 1991, gadra tsy hita miisa 124 nandritra ny didy jadona Augusto Pinochet no hita ary fantatra ny 96 tamin'izy ireo. 20 taona taty aoriana, nanana fahafahana handevina ny havany tsirairay avy ny fianakavian'ireo 96.