Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sekolin'ny Fanaovan-gazety Serba An'Aterineto: Fitaovam-Pampianarana An-Tserasera Vaovao Taona 2009

(Marihina fa tamin'ny janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny anglisy)

Vao haingana ny Sekolin'ny Fanaovan-gazety Serba An'Aterineto no nisongadina tao amin'ny tranonkalam-panaovan-gazety iray an-tserasera mahaleotena antsoina hoe Journalism.co.uk ary nilaza ny tatitra fa eo am-pampidirana fitaovana vaovao an-tserasera amin'ny fandaharam-pianarana ry zareo eo am-panombohan'ny taona 2009:

* Each student has a blog. They have to produce one post per week based on assignments. Feeds from their blogs are available on NetVibes, here.
* An online programme will be launched early in the new year, making use of web tools such as SlideShare.net, which will enable lecturers to embed their audio narration over presentation slides.
* A book on web journalism is in preparation, which they hope to publish it in few months.
* Bilingual lectures are planned for the second half of 2009.

* Manana bilaogy ny mpianatra tsirairay. Mila mamokatra tsanganana iray isan-kerinandro ry zareo arakaraka ny devoara omena an-dry zareo. Ny fahana avy amin'ny bilaoginy dia hita ao amin'ny NetVibes, ato.
* Hivoaka amin'ny fiandohan'ny taona vaovao ny fandaharam-pianarana an-tserasera, amin'ny fampiasana fitaovana an'aterineto tahaka ny SlideShare.net, izay ahafahan'ny mpampianatra mampiditra fanolorana am-peo mandritra ny fanolorana ireo tohivakan-tsary.
* Eo am-piomanana ny boky iray miresaka ny fanaovan-gazety an'aterineto, izay heverin-dry izao hivoaka ao anatin'ny volana vitsivitsy.
* Efa anatin'ny kinasa amin'ny tapataona 2009 faharoa ny fampianarana amin'ny teniroa.

Mandritra izany fotoana izany dia mandroso tsara ny kilasy ao an-tsekoly. Nanome lesona nohafainganina momba ny sary fanao an-gazety ho an'ny mpandray anjara ilay Amerikana mpaka sary sady mpanangom-baovao Russell Gordon.

Russel Gordon

Russel Gordon, saripikan'i zikica.zivkovic

Ny sasantsasany amin'ny setriny avy amin'ny mpianatra tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa:

Darko Nikolić wrote “photograph can sublimate creation of web-journalist making his work more special, and considerable.”

Nanoratra i Darko Nikolić “Afaka mampahatalanjona ny famoronan'ny mpanangom-baovao an'aterineto mahatonga ny asany ho manokana sy lehibe ny mpakasary”

Participants
Mpianatra mihaino ny fampianaran'i Gordon. Saripikan'i cbojan

Ankilan'ny fifampiresadresahana tamin'Atoa Russell Gordon, dia nahazo lesona fanadihadiana ny toe-draharaha ara-politikan'i Serbia mifandraika amin'ireo firenena ao amin'ny faritra ihan koa ny mpianatra:

Gordana Erić observed that Serbia is most expensive of all countries created on the region of ex-SFRJ. The prices of basic life comestibles are among the highest in the region.

Nahatsikaritra i Gordana Erić fa ao Serbia no lafo fiainana indrindra amin'ireo firenena rehetra najoro tao amin'nyy faritra ex-SFRJ. Anisan'ny avo indrindra ao amin'ny faritra ny vidin'ny entambarotra fototra azo hanina.

Ljubisa Bojic nitarika ny lesona laharana fahasivy amin'ny anjara toeran'ny saripika amin'ny fanangonam-baovao an'aterineto tamin'ny 27 Desambra 2008:

How to create a good photo? What are the possible use of photographs in the web-journalism? Students opened accounts in the social network “Flickr” to upload their photos.

Ahoana no hananganana sary tsara? Inona avy no mety ho azo ampiasana ny saripika amin'ny fanangonam-baovao an'aterineto? Nanokatra kaonty tao amin'ny tambajotra sosialy “Flickr” ny mpianatra hampidirana ny sariny.

Nianatra ry zareo amin'ny fananganana tohivakan-tsary amin'ny alalan'ny fampidirana sary sy mamoaka izany ao amin'ny tranonkalany. Taorian'izany ny mpianatra sasany namoaka tantara an-tsary an-tranonkala tamin'ny alalan'ny servisy an-tserasera “Pimpampum”.

http://www.pimpampum.net/bubblr/bubblr_blog.swf?id=13761

Nampianarina ihany koa ny mpianatra  handamina ny tranonkalany amin'ny fampiasana netvibes.

Tamin'ny fotoam-pianarana vao haingana ihany koa ireo mpianatra ho mpanangom-baovao no niditra tamin'ny fifanakalozana ara-pilozofika momba ny “Faharenohana” manjaka ao Serbia nandritra ny taona maro”:

Gordana Erić believed that the main points of the lesson are the facts that society got into crisis primarily because of the bad educational system, unbalanced society qualities, and certain character lineaments of our people, among the rest the one which for all mismatches blame everyone else.

Katarina Jovanović said that Absolute Genius tried to explain with „selected” words that they should not only „stink and wait” anymore, but under lot URGENT to do something when it comes to their lives and surround.

Mihevitra i Gordana Erić fa ny teboka lehibe indrindra amin'ny lesona dia ny fahitana fa ny fizoran'ny fiarahamonina mankany amin'ny krizy dia noho ny faharatsian'ny rafi-panabeazana, ny tsi-firindran'ny fiarahamonina ary ireo toetra sasantsasany mampiavaka ny vahoakantsika, ankoatra ny fanomezan-tsiny ny hafa rehefa misy ny tsi-fetezan-javatra.
Nilaza i Katarina Jovanović fa niezaka hanazava amin'ny alalan'ny voambolana “voafantina” i Jenia Tanteraka fa tsy tokony “hirona sy hiandry” intsony ry zareo, fa rehefa misy ny MAIKA dia manao zavatra rehefa mihatra amin'ny aina sy ny manodidina.

Indreto ny sarimihetsika roa notontosaina taorian'ny fifanakalozan-dresaka nataon'i Katarina Jovanovic sy Miloš Kuks nampiasa sary, lahatsary ary feo:

https://youtube.com/watch?v=4iJn144mFIY

https://youtube.com/watch?v=elBZbFLjUeY

Hajian-tsary avy amin'i zikica.zivkovic

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.