23 Aogositra 2017

Tantara tamin'ny 23 Aogositra 2017

Japana: Ny Zotra Haingam-pandeha ao Yamanote 

  23 Aogositra 2017

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, mpiasa handeha hiasa miisa 20.000 teo ho eo tao Tokyo no voatery niandry 20 minitra rehefa nisy vehivavy iray 40 taona nanomboka nihazakazaka rehefa avy nitsambikina teo amin'ny lalambin'ny Zotra Yamanote [ja], iray amin'ireo lalamby be mpampiasa indrindra ao an-tanàndehibe.

Etazonia: Inona Marina No Lazain'ilay Saribakoly Miteny?

  23 Aogositra 2017

Raha mihevitra ianao fa tsy midika na inona na inona ny fibadabadan'ny zazakely dia mieritrereta tsara aloha vao miteny izany! Manontany momba ilay "saribakoly miteny" avy amin'ny Fisher Price, mpanamboatra Bébé Câlin, izay toa nomelohina fa niteny hoe: "Fahazavana ny finoana Islamo" ny tontolon'ny bilaogy.

Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger

  23 Aogositra 2017

Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny .