(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jiona 2009 ity)
Namaly ny fanafihana nahazo ilay mpanao politika Daviz Simango, tao avaratry ny tanàna seranan-tsambo Mozambikana, Nacala ireo bilaogera Mozambikàna Carlos Serra [pt] sy Paulo Granjo [pt]. Ankoatra ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, nisioka momba ny fanafihana ny antokon'i Simango (@mdmwiki).
Ben'ny tanànan'i Beira i Simango, ary nanorina ny antokony vaovao MDM tamin'ny fiandohan'ity taona ity, rehefa niaraka tamin'ny antokon'ny mpanohitra nentim-paharazana RENAMO. Vao andro vitsy lasa izay, nanamafy ny fikasan'izy ireo handray anjara amin'ny amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana Oktobra sy hanao fampielezan-kevitra izy sy ny antokony. Nitarika ny fivorian'ny antokony i Simango no nisy olona tao anatin'ny vahoaka nitifitra azy izay naka ny fitaovam-piadian'ny polisy.
Tsy naratra izy saingy nilaza ny fampahalalam-baovao fa nisy olona telo naratra, ka polisy ny iray. Nilaza ny tatitra voalohany avy amin'ny fampahalalam-baovao Mozambikàna tsy miankina fa mpikambana ao amin'ny RENAMO no nitifitra.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...