Manampahefana Fahatelo Ambony Indrindra Voampanga Ho Nanao Herisetra Ara-nofo Tany Aostralia

Lamesa notarihin'ny Kardinaly George Pell tamin'ny Andron'ny Tanora Manerantany tao Madrid tamin'ny taona 2011. Sary natolotry ny Fiangonana Katolika Angletera sy Wales tao amin'ny kaonty Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Nohelohin'ny polisy ho nanao fandikan-dalànan'ny herisetra ara-nofo maro izay nitranga nanomboka hatrany amin'ny taona 1970 ny Kardinalin'i Aostralia George Pell. Mpiadidy ao amin'ny Sekretarian'ny Vola ao Vatican izy amin'izao fotoana izao, ary fahatelo ao amin'ny ambaratongam-pitantanana ao amin'ny Fiangonana. Mpanolotsaina akaiky ny Papa Fransoà izy .

Vetivety dia nirongatra ny fanehoan-kevitra manerantany tao amin'ny aterineto . Nisioka i Cathy M Helsley avy any Etazonia ao Ohio izay milaza ny tenany ho  “zanak ‘Andriamanitra” hoe:

Tena mampalahelo izany! Sady mampahatezitra ahy ihany koa ! @ ⚡️ “Fiampangana manan-tantara ny Kardinaly George Pell noho ny filazana azy ho nandika ny lalànan'ny herisetra ara-nofo.

Hita fa tena tsy mpankafy an'i Pell i Hilly  :

Tena faly aho fa nanao ny andraikiny ny polisy  sy niampanga an'i Kardinaly George Pell

Niaro ny kardinaly i Peter Chambers, ilay “mpandala ny mahazatra ao amin'ny ivony”: :

Tsy manana herijika ho an'ny fitsarana tsy miangatra ny Kardinaly George Pell satria mankahala ny milina miasa amin'izao fotoana izao ny Katolika . Aleo handeha ny fitsarana ara-dalàna raha meloka izy ka hahazo sazy henjana

Nilaza ny Katolika Arsidiosezin'i Sydney fa hiverina any an-tanindrazany izy hanadio ny anarany. Namoaka fanambarana izy ireo fa hiverina izy “aorian'ny torohevitra sy ny fankatoavan'ny mpitsabo azy izay hilaza ny maha mety ny fandehanany ihany koa. “

Tamin'ny volana Febroary 2016, nanome porofo tao amin'ny Vaomieran'ny Fanjakana  ho an'ny Andrim-panjakana Misahana Ny Fanararaotana Ankizy  Ara-nofo ao Aostralia i Pell  tamin'ny alalan'ny rohin'ny lahatsary avy any Roma. Nanontaniana momba ny fahafantarany sy ny valinteniny mikasika ny fiampangana fanararaotana ny ankizy ara-nofo ao anatin'ny Fiangonana izy. Nilaza izy fa nanakana azy tsy handray fiaramanidina hody ny tsy fahasalamany .

Noho izany zava-mitranga izany, nahatonga ny olona sasany hanana ahiahy ny vaovao farany  :

Voampanga tamin'ny fandikan-dalànan'ny herisetra ara-nofo imbetsaka ny Kardinaly George Pell

Mety maka fotoana amin'ny dokotera mihitsy angamba izy izao amin'izao fotoana izao.

Araka ny mpitondratenin'ny polisy,  avy amin'ny mpitory maro ny fiampangana. Manana tantara lava fiampangana azy ho manararaotra ankizy i Pell. Hisokatra ao amin'ny Fitsarana Melbourne amin'ny 18 Jolay ny raharaha. Mbola tsy nampahafantarina ny antsipirian'ny fiampangana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.