Tsy Fitoviana Manerantany Ao Am-paosinao : Ny Fomba Amelàn'ny Finday Avolenta Mora Vidy Sy Ny Politika Baranahiny Antsika Harefo Eo Anatrehan'Ny Fijirihana

Mpivarotra finday any Losaka, Zambia. Sarin'i Curious Lee avy amin'ny Filckr (CC BY-NC-SA 2.0)
Nosoratan'i Nathalie Maréchal. Mpikambana zokiolona ao amin'ny Ranking Digital Rights i Nathalie.
Raha resaka finday avo lenta, tsy nohariana hitovy ny mpampiasa rehetra. Ny olona mandray vola kely na antonony manerana izao tontolo izao dia matetika mampiasa fitaovana Android takatry ny volany mba hifaneraserana sy hizarana vaovao, fa matetika ireo finday mora vidy dia mamela ireo mpampiasa harefo noho ny fandrahonana sy ny fijirihana an-tserasera.
Ny 88% ny tsena iraisam-pirenena dia ahitana ireo fitaovana mampandeha ny rafi-pitrandrahana ho an'ny Android, raha ny 12% sisa no an'ny iPhones. Fa tsy ny fitaovana Android rehetra koa no noforonina hitovy: ireo karazany izay namboarina ary arahin'ny google maso avy hatrany, toy ny Nexus sy ny finday avo lenta Pixel, dia voaaro kokoa amin'ny fijirihana miohatra amin'ny fitaovana namboarin'ny mpanamboatra toy ny Samsung, Huawei, Sony ary Xiaomi. Izy ireo ihany koa dia lafo kokoa, raha oharina amin'ny iPhones.
Vokatr'izany, ireo mpampiasa manankarena izay afaka mividy fitaovana hiaka farany isaky ny taona vitsivitsy dia voaaro amin'ny fandrahonana maro noho ny ankamaroan'ireo mpampiasa — mampiasa ireo karazany mora kokoa na modely efa niasa, ary tsy manolo azy ireny matetika — izay mety ho tratry ny fandrahonana.
Midika izany fa ny olona izay tsy mahatakatra afa-tsy ny mora no mora indrindra andairan'ny fisandohana, ny fangalarana torohay, fisolokiana, ny fanarahamaso an-tserasera sy fanorisorenana, ary ny zavatra ratsy hafa mety hatrehin'ny olona iray rehefa nidirana an-keriny ny fiainany manokana an-tserasera.
Resaka tsy fitoviana lehibe izany nefa zara raha fantatra manerantany.
Ny fikarohana vaovao avy amin'ny Ranking Digital Rights, fikambanana tsy mitady tombontsoa mpanao fikarohana izay manombana ny fomba fanaon'ireo orinasa matanjaka indrindra erantany momba aterineto, finday sy fifandraisandavitra izay miantraika amin'ny zon'ny mpampiasa, dia nahita fa tsy manome vaovao fototra momba ny fiantraikan'ny finday avo lenta (sy ny rindrambaiko izay mampandeha azy ireny) ho an'ny fiarovana ny mpampiasa azy ireo orinasa mikirakira izany.
Ny zavatra rehetra ataontsika amin'ny finday dia miteraka soritra nomerika izay afaka ampiasaina mba hanoritana kisary maneho ny tena maha-isika antsika; ny zavatra ataontsika, izay vidiantsika ary na dia izay eritreretintsika aza. Sarobidy ho an'ny mpivarotra ity tahirin-kevitra ity, fa ihany koa ho an'ny fitondram-panjakana, ireo mpanao heloka bevava, ary ny olon-kafa izay mety te-hanao ratsy amintsika.

Fiaran'ny MTN tany Oganda. 28 Novambra 2005, CC 2.0
Ahitan-dry zare mpikarotra olana ara-teknika vaovao hatrany ny rindrambaikon'ny finday izay afaka trandrahan'ireo mpanafika (anisan'izany ireo mpisehatra tohanan'ny fanjakana), izay manome alàlana azy ireo hametraka rindrambaiko mpitsikilo na mifehy avy any lavitra ireo fitaovana, amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra amin'ireo olona kendreny. Nandrakotra tranga maromaro tamin'ireny ny Global Voices, mikendry ireo mpikatroka Iraniana, mpampiasa aterineto avy any Tibet, sy ny hafa.
Raha toa ny mpampiasa sasany mandray “fanitsiana” fiarovana, na fanavaozana avy amin'ny mpanamboatra rindrambaiko izay mitsabo ilay olana, ny sasany kosa tsy mahazo. Ary matetika tsy manazava amin'ireo mpampiasa ny antony nanaovana ilay fanavaozana ireo mpanamboatra fitaovana.
Maro ny orinasa no manana fandaharanasa “famborahana tomponandraikitra ” handrisihana ireo izay mahita ny fikatsoana na olana ara-teknika mba hilaza izany amin'izy ireo, mba hahafahan'izy ireo mandroso vahaolana ary manala ireo olana ireo amin'ilay fitaovana ary mampandeha ilay rindrambaiko, matetika amin'ny alalan'ny fanavaozana rindrambaiko.
Araka ny fomba fijerin'ny Apple sy Google, miasa tsara izany– ireo orinasa roa mamokatra ny rindrambaiko izay mamelona ny 99.6 isan-jaton'ny finday avo lenta eran-tany. Tamin'ny fotoam-pahavaratra, fony hitan‘ny vondron'ireo mpikaroka momba ny fiarovana notarihan'i Bill Marczak, ary avy eo mpianatra iray nahazo maripahaizana tao amin'ny anjerimanontolon'i Berkeley, fa ny governemantan'ny Emira Arabo Mitambatra dia nampiasa fomba tena sarobahàna, fomba tsy fantatra tany aloha mba hanafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona, amin'ny fanovàna ny iPhone-n'izy ireo ho tonga bibikely izay mandrakitra izay rehetra manodidina azy. Soa ihany, Ahmed Mansoor, Arabo mpanohitra, fa tsy latsaka tao amin'ilay fanafihana, fa nampilaza an'i Marczak sy ireo mpiara miasa aminy, izay nitatitra izany tany amin'ny Apple. Nanampy ora iasana ireo injenieran'ny Apple mba hamoahana fanitsiana ho an'ireo mpampiasa tao anatin'ny iray volana latsaka. Mazoto koa ny ekipan'ny fiarovana ao amin'ny Android.
Manjo ireo hafa mpanamboatra fitaovana Android toy ny Samsung, HTC, ary Xiaomi ilay olana.
Noho ny antony samy hafa, novain'ireo mpanamboatra ny rindrambaikon'ny loharano misokatry ny rafi-pitrandrahana Android mba hahasarotra ny fanomezana fanavaozana rindrambaiko. Ny kaody avoakan'ny Google dia tsy maintsy ovàna mba hifanojo amin'ny fanovàna izay natao tamin'ilay rafi-pitrandrahana. Ireo orinasa mpikirakira finday koa dia afaka manao ny fanovàna mikasika izay nataon'ny mpanamboatra ilay fitaovana, manampy ihany koa dingana hafa amin'ilay fanovàna sy manemotra bebe kokoa ny famoahana ny fanavaozana rindrambaiko.Tsy mamela fanovàna toy izany amin'ny iOS i Apple, ary i Google dia manaraka maso ny dingan'ny fanavaozana ny finday Nexus sy Pixel novidiana tao amin'ny Tsenaben'i Google.
Vokatr'izany, na oviana na oviana dia misy an-tapitrisany maro mpampiasa fitaovana Android izay marefo manoloana ireo zavabita efa fantatra ny fitaovan'izy ireo — fanafihana izay fantatry ny daholobe ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny fiarovana informatika IT erantany. Izany dia toy ny fanidiana ny varavaranao amin'ny fanalahidy izay ananan'ny olona an-jatony ny fanalahidiny. Ary satria mora kokoa noho ny Nexus sy Pixel na iPhones ireny fitaovana ireny, ireo olona mahantra, voalikiliky ny fiaraha-monina, ary tsy maharaka loatra ny teknolojia — ireo olona ireo izay tena mpiditra amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny finday — no tena mety hizaka ny voka-dratsin'izay mety ho fanafihana.
Ranking Digital Rights – Fandaharana Zo Nomerika: Tomban'ny Fandraisana Andraikitry ny Orinasa, 2017
Mandahatra orinasa 22 amin'ny tondro 35 ao anatin'ny sokajy telo ny tombana 2017. Ireo tondro ireo dia mandrefy raha toa ka mamoaka politika mahakasika ny fahalalahan'ny maneho hevitra ankalalahana sy ny fiainana manokan'ireo mpampiasa, ary ny fomba ataon-dry zareo amin'ny fampiharana izany. Mandinika ny politikan'ny orinasa foibe, ny orinasa mpanatanteraka ary ireo any amin'ny sampan-draharaha voafidy (arakaraky ny rafitry ny orinasa) ilay tombana.
Vakio ny momba ny fomba fiasa, fomba fikarohana ary ny fomba anamarihan‘ny RDR ny orinasa tsirairay ao amin'ny tranonkalany. i Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices no nanorina ny Ranking Digital Rights – Fandaharana ny Zo Nomerika.
Araka ny tahirin-kevitra vaovao navoakan'ny Google, ny antsasaky ny fitaovana Android rehetra ihany no nandray fanovàna fiarovana tamin'ny taona 2016, ary tsy misy afa-tsy ny 3% amin'ny fitaovana manerana izao tonolo izao no mampiasa ny karazany farany amin'ilay rafi-pitrandrahana, “Nougat”. Noho ny fahafantarana fa tena olana lehibe ity, ny Vaomiera Federalin'ny Varotra any Etazonia sy ny Vaomiera Federalin'ny Fifandraisandavitra dia niara-nanomboka fanadihadiana momba ny famoahana fanavaozana manokana ny fiarovana finday, na dia tsy nisy tamin'ireo fikambanana ireo aza namoaka valiny avy amin'ireo orinasa, herintaoa mahery taty aoriana.
Ny fanondroana ny andraikitry ny orinasa momba ny Fandaharana ny Zo Nomerika amin'ity taona 2017 ity dia mampitaha ny firotsahana an-tsehatra sy ny fandraisana andraikitra mahakasika ny zon'ny mpampiasa, anisan'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiainana manokana, nataon'ireo orinasa 22 mpikirakira aterineto sy fifandraisandavitra erantany. Ahitana ny Samsung, izay mitàna ny ankamaroan'ny fitaovana Android manerana izao tontolo izao, ary ireo 10 mpamtsy ny fifandraisandavitra erantany izany. Tsy misy na iray aza amin'ireo orinasa 11 nandray anjara tamin'ny fizarana fanavaozana rindrambaiko Android (hafa ankoatra ny Google) nanambara vaovao momba ny fanovàna natao tamin'ny dika tahirin'ny Android, na inona ny vokatr'izany fiovàna izany eo amin'ny fanapariahana ny fanavaozana ny fiarovana .
Ma izany aza, tamin'ny orinasa mpikirakira finday avo lenta telo narahana maso, Google irery no nanondro ny daty izay azo antoka handraisan'ny karazana fitaovana samy hafa ireo fanavaozany. Azo antoka fa hahazo fanavaozana rindrambaiko ireo fitaovana Nexus sy Pixel, fara-fahakeliny roa taona aorian'ny nivoahany tao amin'ny Tsenaben'i Google, ary handray fanovàna fiarovana fara-fahakeliny telo taona taorian'ny nivoahan'ny fitaovana, na fara-fahakeliny 18 volana taorian'ny fotoana farany nivarotan'ny Tsenaben'i Google ilay fitaovana, izay lavalava kokoa.
Tsara kokoa raha nitarin'i Google lavalava kokoa ity fotoana ity, nefa fara-faharatsiny omeny mazava tsara ity fandraisana andraikitra ity ho an'ny mpampiasa. (Na ny Apple na ny Samsung dia samy tsy manome ny hoe “tsara ampiasaina alohan'ny”). Miankina be dia be amin'ny findaintsika isika — ary ireo olona mandray karama kely izay tsy manana aterineto mandeha haingana na solosaina ao an-trano no tena miankina betsaka aminy. Na manankarena na mahantra, dia manana zo hahalala isika hoe mandra-pahoviana no azo antoka ny fampiasàna ireo finday ireo, ary inona ny ataon'ireo orinasa mba haha-voaaro antsika.
Mpikambana zokiolona ao amin'ny Ranking Digital Rights Nathalie Maréchal ary mpiadina manomana ny PhD ao amin'ny Anneberg, Sekoly momba ny Fifandraisandavitra sy Fanaovana Gazety ao amin'ny Anjerimanontolon'i Kalifornia Atsimo. Araho ao amin'ny @marechalUSC izy.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...