Etazonia: Tetikasan-Tanora Tompotany Mandrakitra ny Tantarany Amin'ny Lahatsary

(Fanamarihana: Ny lahatsoratra teny anglisy dia nivoaka tamin'ny 27 desambra 2010)

Ny lahatsary, hoan'ny vondrom-piarahamonina Navajo, no lasa lalana ifandraisan'ny tanora amin'ny razambeny sy ny tantaran'ny vahoakany amin'ny alalan'ny tantaran'ny Vehivavy Mavo.

Camille Manybeads Tso nandritra ny famokarana ny lahatsary

Ny Waves of Change no nampahafantatra antsika ny momba an'i Rachel Tso, izay nanofana ireo tanora tompotany (vazimba) tamin'ny resaka sarimihetsika sy ny fampielezana ny lahatsary tamin'ny alalan'ny Outta Your Backpack Media (Fampitam-baovao ivelan'ny sakaosinao). Tamin'ity ohatra iray voalaza manokana ity, nahazon'i Camille Manybeads Tso lokan'ny tanora ny famokarana ny sarimihetsika namoahany ny tantaran'ny renin'ny renibeny mitondra ny lohateny hoe: In the Footsteps of Yellow Woman. (Am-panarahana ny dian'i Vehivavy Mavo)

Noraketin'i Rachel tamin'ny lahatsary miisa 2 mampiseho ireo dingana samihafa noraisina mifototra amin'ny asa-karoka ny fanatontosana ity sarimihetsika ity.

Ny Outta Your Backpack Media no nanampy ireo tanora tompotany hamokatra sy hampiely fitaovana mifandraika amin'izay mahaliana azy ireo sy ahitana taratra izay mampanahy azy ireo sy ny feon'izy ireo. Azonao atao ny mahita bebe kokoa ny momba ny lahatsary navoakan-dry zareo ao amin'ny fantsona YouTube Outta Your Backpack.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.