Amerikana Mpianatra Lalàna Manampy Ireo Mpitady Fialokalofana, Nentanin'ny Tantaran'ny Fianakaviany Manokana

Mpianatra lalàna, Sara Ehsani-Nia (eo afovoany) nandritra ny famoriam-bahoaka mitaky ny famotsorana ny ankizy mpitady fialokalofana nogadraina ao amin'ny fonjan'ny ankizy tsy ampy taona ao akaikin'i Sacramento, California. Sary: Zaidee Stavely
Ity tantara avy amin'i Zaidee Stavely ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 20 Aprily 2017. Navoaka eto indray izany noho ny fiarahamiasa eo amin'ny PRI sy ny Global Voices.
Ny rindrina marevaka ao amin'ny rindrin'ny Oniversite ao California, kabinetra momba ny lalànan'ny fifindramonina an'i Davis dia mampiseho taratasy avy amin'ireo mpifindramonina any am-ponja sy rojo vy nivadika vorona quetzal, fanoharana amin'ny asan'ny mpianatra .
Mikaroka momba ireo mpianatra nandoko rindrina ny Chicano ary “nisafidy ny vorona quetzal eo ambonin'ny domoina satria maneho fahalalahana izany”, araka ny fanazavan'ny mpiara-mitantana ny kabinetra, Holly Cooper. “Amin'ny angano Mayana, heverina fa raha atsofoka ao anaty tranom-borona ny quetzal, dia ho faty”.
15 minitra monja miala ny oniversite no misy ny tranon'ny fonjan'ny ankizy tsy ampy taona izay nifanaraka tamin'ny Biraon'ny Fanorenam-ponenana ho an'ny Mpitsoa-ponenana mba hihazonana ireo ankizy tsy ampy taona niampita irery ny sisintany Amerikana.
“Mahasosotra sy mampiahiahy na dia mitondra fiara ao amin'ity fonja ity aza, satria an'ny sekoly ambony vaovao ny varavarana roa ao ambany, izay toerana tsy maintsy iandrasan'ny mpanjifa ahy”, hoy ilay mpianatra lalàna Sara Ehsani-Nia. “Raha tokony ho izany, any am-ponja izy nefa tsy nanao heloka. Ohatra amin'ny rafitra simba tanteraka ao amintsika izany. “
Nisolo tena mpanjifa dimy i Ehsani-Nia tamin'ity taona ity, tamin'ny alalan'ny kabinetran'ny lalànan'ny fifindramonina, izay ahafahan'ny mpianatra mamaha ireo trangan-javatra, miaraka amin'ny tari-dalana. Noforonina ihany koa ny kabinetra tahaka ity – mifantoka momba ny fifindramonina sy ny mpitady fialokalofana. Maro amin'ireo mpianatra ao amin'ny kabinetra UC Davis no avy amin'ny fianakaviana mpifindramonina mihitsy.
«Teraka tao Los Angeles aho ary mpifindramonina avy ao Iran ny ray aman-dreniko», hoy i Ehsani-Nia. “Mitovy ny fototra: tonga ao amin'ity firenena ity tsy manana na inona na inona ary tsy mahafantatra na iza na iza ianao”.
Saingy mahafantatra i Ehsani-Nia fa samihafa tanteraka amin'ny ankamaroan'ireo mpanjifany ihany koa ny tantaran'ny fianakaviany, izay ankizy tsy ampy taona tsy nisy niaraka avy any Amerika Afovoany ny telo tamin'ireo mpanjifany [arovany].
“Tsy nogadraina ny fianakaviako”, hoy izy. “Samihafa tanteraka. Fonja ny fanagadrana fifindramonina, fepetran'ny fonja izany. Misy fiantraikany lehibe ara-psikôlôjika izany. “
G.E., tovolahy 14 taona avy any Honduras no mpanjifa [narovana] farany an'i Ehsani-Nia. Nangataka i Ehsani-Nia mba tsy hampiasa afa-tsy ny fanombohan'ny anaran'ny lehilahy ihany isika satria tsy ampy taona ao amin'ny trano fitaizana ankizy izy. Nilaza i G.E. fa nandositra fampijaliana goavana tao an-tranony tao Honduras izy. Nandeha irery izy, niampita ny sisintan'i Texas ary tratran'ny manampahefana. Tsy manana fianakaviana ao Etazonia izy. Nahazo fialokalofana izy tamin'ny volana Janoary, saingy mbola any am-ponja. Tao no nahitan'i Ehsani-Nia azy.
“Isaky ny mitsidika azy izahay, dia mitondra kilalao karatra ary milalao karatra na daomy miaraka aminy”, hoy i Ehsani-Nia. “Nihevitra izahay fa hampiala voly azy izany ka ho mora ny mametraka fanontaniana sarotra aminy izay ilainay valiny mba hamitàna ny fangatahanay hamotsorana azy”.
Navotsotra ihany ilay tovolahy nony farany. Nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka tao ivelan'ny foiben'ny fonja i Ehsani-Nia mba hanoherana ny fihazonana ireo ankizy mpifindramonina am-polony tsy nisy olon-dehibe niaraka taminy, sy hankalaza ny famotsorana an'i G.E. Nahita azy vao avy navotsotra i Ehsani-Nia .
“Tena niavaka tanteraka izany”, hoy izy. “Nitafy ny akanjo notafiany tamin'izy nentina tao amin'ny fonja izy, herintaona lasa izay. Ary araka ny azonao an-tsaina, somary hafakely ity tovolahy 14 taona ao anatin'ny fitomboany ity. Saingy ara-bakiteny, izany no hany zavatra nananany: T-shirt, shorts sy kapa.
Nandritra ny famoriam-bahoaka, namaky ny taratasy nosoratan'i G.E. ho an'ireo mpanohana azy, izay nandresy lahatra tamin'ny famotsorana azy sy nanome harona feno akanjo azy ny mpiaro ny zon'ny mpifindramonina iray. “Me gustó la gorra de Red Sox. Tena tiako ilay satroka Red Sox “, hoy izy, sady nihomehy. “Manantena hihaona aminareo aho indray andro any. Con mucho cariño, G.E. Am-pitiavana be, G.E. “
Taorian'ny famoriam-bahoaka, nijanona minitra vitsy tao anaty fiarany i Ehsani-Nia mba hiantso ny reniny. niarahaba ny reniny tamin'ny teny Farsi izy, ary avy eo niteny Anglisy.
“Tadidinao ve ilay mpanjifako 14 taona tao amin'ny fonjan'ny fifindramonina? Navoakanay omaly izy! “, hoy ny fanambarany.
“Tena faly aho, hoy ny reniny namaly. “Tena asa tsara izany. Reharehako ianao.”
Nilaza i Ehsani-Nia fa mahatsiaro voasarika hamaly soa amin'ny maha mpisolovava momba ny fifindramonina azy, ny anton'izany amin'ny ampahany dia ny tantaran'ny ray aman-dreniny.
“Ny ankamaroan'ny zavatra hitanao amin'ny mpianatra rehetra, dia misy ny tranga tsy hita maso tamin'ny lasanao ka mitarika anao hanao karazana hetsika, na tsikaritrao izany na tsia”, hoy i Cooper.
Nanazava ny antony manokana nitarika azy hanao ity asa ity avy amin'ny tantaran'ny fianakaviany izy. Nandositra an'i Rosia ny raibeko tamin'izy mbola kely ary nilaozana avy eo rehefa tsy afaka nikarakara azy intsony ny reniny. Nilaza izy fa mahatonga ny mpianatra ho mpiaro zo mafana fò ny tantaran'ny mpianatra.
“Afaka ho lasa mpikaroka ara-kolontsaina ihany koa ny mpianatra, ary hilaza: ‘Holly, aza manao izany’, na ‘Angamba te hanandrana ity ianao’ ‘, hoy i Cooper.
Taorian'ny fanokanana ny filoha Donald Trump, nahazo antso marobe avy amin'ny mpianatra sy ny mpikambana amin'ny fiarahamonina mitady fanampiana ny kabinetra. Ao anatin'ny fanairana ambony ihany koa ny mpanjifa. Miantso na mandefa mailaka saika isan'andro ny mpanjifa, matahotra ny ho voafonja na voaroaka, hoy i Cooper.
Ho an'i Ehsani-Nia sy ny ankamaroan'ny mpianatra lalàna namany, tsapa fa (avy amin'ny tantaram-piainana) manokana ny didim-panjakana navoakan'i Trump momba ny fifindramonina. “Mampatahotra ny mahatsiaro voatafika amin'izany fomba izany”, hoy Ehsani-Nia. “Tena manevateva, ary eo amin'ny sehatry ny asa, mampatahotra ny mahita ny mpanjifanay mandalo fahoriana be loatra”.
Raha miezaka manakana ny olona avy amin'ny firenena sasany tsy hiditra ao Etazonia ny didim-panjakan'i Trump, nitondra fiara tao San Francisco i Ehsani-Nia, nanampy mpivady lehibe Iraniana voafonja tao amin'ny seranam-piaramanidina. Sambany izy niteny Farsi tao anatin'ny asany. Tsapa fa nahafinaritra izany, hoy izy, ary nampahatsiahy azy zavatra nampianarin'ny ray aman-dreniny azy: manome lanja ny maha olom-pirenena azy amin'ny alalan'ny fandahatsa-bato, fanehoana hevitra sy ny fijoroana ho an'ny zon'ny hafa
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...